Fantaro ny tokony hatao rehefa sendra tranga fanavakavahana.

Voarara sy voasazy araka ny lalàna frantsay ny fanavakavahana. Raha sendra fanavakavahana ianao, na avy amin'ny fikambanana iray miankina na tsy miankina, dia misy safidy sasantsasany hiarovana ny zonao.

Nohamarinin‘ny Women for Women France tamin’ny 30/05/2022

Raha sendra niharan‘ny fanavakavahana ianao dia misy fomba hahazoana onitra noho ny fahavoazana naterak‘izany taminao. Manana fe-potoana dimy taona farafahakeliny ianao hitaterana ny fanavakavahana.

Inona no tafiditra amin'izany?

Raha ny lalàna frantsay dia niharan‘ny fanavakavahana ianao raha toa ka feno ireto fepetra telo manaraka ireto:

  • tsy tena noentina tamin‘ny fomba tsara ianao
  • any amin'ny faritra izay voararan'ny lalàna ilay trangana fanavakavahana no niseho
  • mifototra amin'ny fepetra mandrafitra ny atao hoe fanavakavahana, izay voafaritry ny lalàna.
  • Mandrara ny fanavakavahana amin'ireto sehatra manaraka ireto ny lalàna frantsay

    • asa
    • fanabeazana
    • trano
    • fahasalamana
    • fandraharahana
    • fahazoana entana
    • ireo tolotra miankina sy tsy miankina.
  • Fantatry ny lalàna frantsay ireto karazana fanavakavahana ireto:

    • taona
    • bika aman‘endrika
    • Karazana toetra nolovaina
    • kaonty any amin‘ny banky
    • fahasalamana
    • fitondrana vohoka
    • fahasembanana
    • mahalahy sy mahavavy
    • fiteny hay, izany hoe ny fahafaizana mampiasa fiteny hafa noho ny frantsay.
    • toeram-ponenana
    • fomba aman-kolontsaina
    • anarana
    • hevitra filozofika
    • hevitra politika
    • fironana ara-pananahana
    • fiaviana
    • Fananana farim-piainana ambany, noho ny tsy fahapiana ara-toekarena
    • fahaverezan'ny fahaleovantena
    • firazanana, foko, zom-pirenena: maha-mpikambana na tsia
    • fivavahana: Finoana, na nanaraka sa tsy nanaraka
    • momba ny fananahana
    • toe-javatra misy ny fianakaviana
    • sendikà.

Inona no hatao raha sendra fanavakavahana ianao

Raha sendra niharan‘ny fanavakavahana ianao dia misy fomba hahazoana onitra noho ny fahavoazana naterak‘izany taminao.

Misy fomba maromaro hanaovana tatitra mikasika ny fanavakavahana:

  • mametraka fitoriana amin’ny polisy, izay handefa ny tatitrao any amin'ny mpampanoa lalàna antsoina hoe “procureur de la République
  • manakarama mpisolovava hanoro anao sy hanampy anao hiaro ny zonao
  • mifandraisa amin'ny departemantam-panjakana izay tompon'andraikitra amin'ny ady amin'ny fanavakavahana antsoina hoe “Défenseur des droits” mba hiaro anao.

Ny tatitra sy ny fanadihadiana momba ny fanavakavahana nihatra taminao, dia hatao miara-dalana amin'izay raharaham-pitsarana an-dalana rehetra. Tsy hampiato ny raharaham-pitsarana izy ireo. Ohatra, raha mila mampiakatra fanapahan-kevitra iray avy amin'ny manam-pahefana ianao, dia ataovy ao anatin‘ny fe-potoana voafaritry ny lalàna izany.

  • Miezaha manangona izay porofo mivantana na ankolaka na tondro izay mety mampiseho ny fanavakavahana niainanao.

    Na izany aza, afaka mitatitra fanavakavahana ianao na dia tsy manana porofo aza. Afaka manao fanadihadiana ny manam-pahefana.

    Raketo ireo hetsika

    Azonao atao ny manoratra ireo tranga izay niseho, araka ny fitrangany sy amin‘ny antsipiriany no sady mamaritra ny toerana, daty ary ora.

    Manangona porofo

    Ezaho angonina ireo zavatra rehetra izay mety manaporofo ny fisian‘ny trangana fanavakavahana na fanararaotana, ohatra:

    • taratasy
    • mailaka
    • hafatra an-tsoratra
    • horonan-tsary na horonam-peo
    • fanambarana avy amin‘ny hafa
    • taratasy fanamarinana ny fitsaboana.

    Manao andrana mikasika ny fanavakavahana

    Raha tsapanao fa nisy nanavakavaka ianao, ohatra rehefa mangataka asa na trano, dia azonao atao ny manao andrana fanavakavahana antsoina hoe “testing”.

    Toy izao ilay andrana atao, mandefa fangatahana roa mitovy amina tolotr’asa iray, saingy asina karazana toetra na zavatra izay ampiharihary hoe manavakavaka sa tsia ilay mpandray azy.

    Raha mahazo valiny samy hafa amin'ireo fangatahana roa ireo ianao, dia azo ampiasaina ho porofon‘ ny fanavakavahana nihatra taminao izany.

  • Raha misafidy ny hiantso ny “Défenseurs des droits”, izay fantatra amin’ny hoe “saisir” ny “Défenseur des droits”, dia misy fomba maro ahafahana manao izany:

    • fenoy ny taratasy amin’ny aterineto
    • mandefasa taratasy maimaimpoana (tsy mila asiana hajia) amin'ity adiresy manaraka ity::
      "Défenseur des droits
      Libre réponse 71120
      75342 Paris Cedex 07"
    • mifandraisa amin'ny solotenan’ny “Défenseur des droits akaiky anao, ka mandehana mihaona aminy mba ahafahany manoro hevitra sy manampy anao amin’ny dingana tsirairay (fiteny ampiasaina: frantsay no tena ampiasaina)
    • antsoy ny 09 69 39 00 00 ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva. (fiteny ampiasaina: frantsay, anglisy, espaniola)
    • manaova chat amin’ny sehatra Anti-discrimination nasionaly ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva (fiteny ampiasaina: frantsay, anglisy, espaniola)
    • ampiasao ny tolotra ho an’ny marenina sy ny olona manana olanaamin’ny fandrenesana, mivoha ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva

    Aza adinoina ny mampiditra ny antsipirian'ny ifandraisana aminao amin'ny taratasinao rehetra mba ho mora foana ny miantso anao.

    Vantany vao voaray ny tatitra nataonao dia hijery akaiky ny “Défenseur des droits” raha heverina ho fanavakavahana araka ny lalàna izany, ary hanome valiny anao:

    • voalohany dia hitady raharaham-pihavanana miaraka amin'ilay nanao ny fanavakavahana izy ireo
    • raha toa ka tsy mety io fomba famahana ny olana io, dia hampiasa vahaolana hafa izy ireo mba hahafahanao mahazo onitra.

    Raha tsy naheno na inona na inona momba ny tatitrao ianao roa volana aty aoriana dia azonao atao ny mifandray amin'izy ireo indray mba hahitana ny fivoaran'ny fangatahanao.

Fanahiana fahita matetika

  • Mahazatra ny hoe matahotra ny mety ho voka-dratsin'ny tatitra mikasika ny fanavakavahana; matahotra, ohatra, ianao hoe sao fantatry ny manampahefana na ny mpampiasa anao izany. Kanefa rehefa milaza ilay fanavakavahana ianao dia mety ho afaka mahazo onitra noho ny fahavoazana vokatr‘ilay izy.

    Ny lalàna frantsay dia miaro ireo olona izay nitatitra fanavakavahana na herisetra, ary manasazy izay mamaly faty azy ireo. Raha izany no izy dia afaka manao tatitra vaovao any amin'ny polisy ianao na ny “Défenseur des droits”, na mitady torohevitra amin'ny mpisolovava.

  • Manana zo ny hametraka fitoriana ianao ka manontany ny “Défenseur des droits” mba hiaro ny zonao, eny na dia tsy manan- jo hipetraka eo an-toerana aza ianao.

    Tsy manana zo ny hitana anao any am-ponja amin‘izany ireo polisy. Lalàna manan-kery Andininy 15–3 amin’ny fehezan-dalàna famaizana.

    Raha azo atao dia ampandreneso ny olona akaiky anao, na ny fikambanana mpanao asa soa fantatra amin'ny anarana hoe “association” mpikarakara manokana ny lalàna ho an'ny teratany vahiny, fa hametraka fitoriana ianao Hahatsiaro tena ho voaro kokoa ianao any raha toa ka tsy manaja ny lalàna ny polisy.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mampivondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Manana anarana maro ireo ivon-toerana ireo: “Maison de Justice et du Droit (MJD)”, “Point d’accès au droit (PAD)”, "Relais d’accès au droit (RAD)”, “Antenne de justice (AJ)” na “France services (FS)”.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Afaka mahita “point-justice” akaiky anao ianao:
      • ao amin‘ity lahatahiry amin’ny aterineto ity.
      • amin‘ny alalan‘ny fiantsoana ny 3039 avy any Frantsa metropolitana ary ny +33 9 70 82 31 90 avy any ivelany. Hangatahany kaodim-paositra ianao ary hampifandraisiny amin‘ny “point-justice” Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
  • Ny “Défenseur des droits” dia miaro ny olona iharan'ny fanavakavahana amin'ny rafi-panjakana sy tsy miankina.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hanadihady ny fanavakavahana nihatra taminao izy ireo ary hanome valiny mifanaraka aminao mba hanamafisana ny zonao sy hahazoanao onitra.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy, Espaniola
    • Fifandraisana: Alatsinainy hatramin‘ny Zoma amin‘ny 9 ora maraina hatramin‘ny 6 ora hariva

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Mangataka “l'aide juridictionnelle” na fanampiana ara-pitsarana mba hanomezana ny volan’ny mpisolovava sy ny sarany ara-pitsarana hafa

Raha tsy ampy vola hanakaramana mpisolovava sy handoavana ny fitsarana, dia afaka mangataka ny…

Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay

Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony