Fantaro ny fiantraikan‘ny herisetra ao an-tokantrano mahakasika anao sy ny zanakao

Mety hisy voka-dratsy ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina goavana ny herisetra ao an-tokantrano. Miantraika amin‘ilay olona miaina ilay herisetra sy ny zanany koa ireny voka-dratsy ireny.

Nohamarinin’ny La Maison des Femmes tamin’ny 22/09/2023

Voka-dratsy aminao

Na ahoana na ahoana endrik‘ilay herisetra iainanao, dia mety hisy voka-dratsy anatina fotoana fohy na amin‘ny antonony na lavitr‘ezaka amin‘ny fahasalamanao sy ny fifandraisanao amin‘olona izany.

Raha miaina iray na maromaro amin‘ireo famantarana voatanisa eo ambany ianao dia zava-dehibe ny hiresahana amin‘olona azo itokisana, matihanina raha azo atao, izay afaka manohana anao.

Ny pejinay momba ny fahasalamana ara-batana, ara-pananahana ary ara-tsaina, dia manome fampahalalana momba ny fomba sy toerana ahazoana mahazo fikarakarana ara-pahasalamana sy ahazoana fanohanana ara-tsaina. 

  • Afaka miseho amin‘ny fomba maro ny voka-dratsy ara-tsaina ateraky ny herisetra ao an-tokantrano: 

    • fahaketrahana
    • henatra
    • fahatsapana ho meloka
    • tsy fanomezan-danja ny tena
    • tahotra
    • hatezerana
    • tebiteby
    • hakiviana
    • fahasahiranana mandray fanapahan-kevitra
    • fifanjevoana an-tsaina
    • rarin-tsaina taorian‘ny dona nahazo
    • fahamailoana be loatra
    • fihetsika tsy mety na mahery setra tsy fanaon‘ny tena 
    • fieritreretana hamono tena
    • fanandramana mamono tena.
  • Afaka miseho amin‘ny fomba maro ny voka-dratsy amin‘ny vatana ateraky ny herisetra ao an-tokantrano: 

    • tsy fahitan-tory
    • nofy ratsy
    • malain-komana
    • maloiloy
    • fikorontanana ara-pihinanana (boulimie, anorexie)
    • olana amin‘ny fandevonan-kanina
    • olana amin‘ny fifantohana
    • havizanana mafy
    • fanaintainana mitaiza (loha, vavony, lamosina)
    • tosidrà ambony
    • ratra amin
    • fihinanana zava-mahadomelina, toaka ary/na fanafody.
  • Afaka miseho amin‘ny fomba maro ny voka-dratsy eo amin‘ny lafin‘ny fiarahamonina ateraky ny herisetra ao an-tokantrano: 

    • fitokana-monina
    • fihenan‘ny fampiasana tambajotra sosialy
    • tsy fahombiazana any am-piasana
    • tsy fahatongavana
    • olana ara-bola
    • olana amin‘ny fandaminana ny zavatra atao isan‘andro
    • olana eo amin‘ny fiatrehina ny filàna ara-pihetsehampon‘ny zanakao

Azo atao ny mandresy ireo voka-dratsy ireo. Tsy irery ianao: misy matihanina tsara ofana hanohana anao amin’ny fiarenanao.

Voka-dratsy amin‘ny ankizy

Ny zanakao no vavolombelona voalohany amin‘ny herisetra, ny ompa ary ny fifehezana ataon‘ny vadinao aminao. Tsy dia hoe vavolombelona tsotra fotsiny izy ireo fa azo raisina ho niharana herisetra satria miantraika amin‘izy ireo ihany koa ilay herisetra.

Mihatra amin‘izy ireo mivantana ny herisetra rehefa:

  • manatrika sehon-javatra feno herisetra
  • maheno teny na fihetsika mahery setra avy any amin‘ny efitra iray
  • izy ireo no kendren‘ilay herisetra.

Mihatra amin‘izy ireo amin‘ny endrika tsy mivantana rehefa:

  • tsapany ny fampahoriana ataon‘ilay mpanao herisetra aminao
  • hitany aminao ny voka-dratsin‘ ny herisetra ataon‘ilay mpanao herisetra aminao
  • miaina anatin‘ny rivo-piainana feno korontana, tahotra ary tsy filaminana ataon‘ilay mpanao herisetra izy ireo
  • tsy mahazo ny fikarakarana sy fanohanana ilainy izy ireo.

Mety hisy fiantraikany lehibe eo amin‘ny fahasalamana sy filaminan-tsain‘izy ireo ny herisetra ao an-tokantrano. Tsy tompon‘andraikitra amin‘izany mihitsy ianao. Ilay mpanao herisetra ihany no olona tokana tompon‘andraikitra.

  • Eo amin‘ny ankizy dia afaka miseho amin‘ny fomba maro ny voka-dratsy ara-tsaina ateraky ny herisetra ao an-tokantrano: 

    • alahelo
    • tebiteby
    • fahatsapana ho meloka
    • fisintahana amin‘olona
    • fifanjevoana an-tsaina
    • herisetra
    • tahotra ny hilaozana
    • tsy fananana fahatokian-tena sy fambanian-tena
    • fieritreretana hamono tena
    • fanandramana mamono tena.
  • Eo amin‘ny ankizy dia afaka miseho amin‘ny fomba maro ny voka-dratsy ara-batana ateraky ny herisetra ao an-tokantrano: 

    • Olana amin‘ny fahitan-tory
    • Olana amin‘ny fifantohana
    • fanaintainan‘ny vatana
    • famaniana am-pandriana
    • fikorontanana ny fomba fisakafoana
    • tsy fitomboana araka ny tokony ho izy
    • fitomaniana be loatra
    • fihinanana zavamahadomelina sy toaka
  • Mety hiseho amin‘ny fomba maro ny voka-dratsy eo amin‘ny lafin‘ny fiarahamonina ateraky ny herisetra ao an-tokantrano eo amin‘ny ankizy: 

    • saron-kenatra
    • sahirana mifandray amin‘ny olona
    • mitoka-monina
    • miankin-doha be amin‘ilay ray na reny tsy manao herisetra
    • mahatahotra ny hanasa namana ho ao an-trano
    • manao fihetsika mahery setra amin‘ny namana
    • miala amin‘ny fianarana
    • mikilavaka
    • maneho fitondran-tena maditra

Azo atao ny mandresy ireo olana ireo. Afaka manohana ny zanakao amin‘ny fiarenan‘izy ireo amin‘ny herisetra ao an-tokantrano ireo matihanina tsara ofana.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa, misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Hisy mpanolotsaina voaofana hihaino anao sy hanohana anao amin‘ny alalan‘ny telefaonina. Afaka hanoro anao ireo sampan-draharaha akaiky anao mifandraika amin'izany izy ireo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay. Misy ireto teny manaraka ireto indraindray: Anglisy, arabo, espaniola, tiorka, mandarin, sinoa, kiorda, azeri, poloney, hebreo, farsi, soninké, kreôla, kinyarwanda, kirundi ary swahili. Amin‘izao fotoana izao anefa aloha, dia mbola tsy voafaritra sy tsy voalamina mialoha ny fotoana ahitana ireo fiteny ireo.
    • Fifandraisana: antsoy ny 3919, amin‘ny ora rehetra sy ny andro rehetra. Tsy hiseho amin'ny faktioran-telefaoninao ny antso.
    • Ho an'ny olona marenina, manana olana amin'ny fandrenesana, olona voan'ny aphasia na manana fahasembanana amin'ny fiteny, azonao atao ny miditra amin'ny tolotra mifanaraka amin'ny filanao, amin'ny fanindriana ny sarina telefaonina eo amin'ny farany ambany amin‘ny havanana amin'ny tranonkala www.solidaritefemmes.org.
  • Ny “Associations” dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Ireo tolotra misy dia miovaova arakaraka ny “association”. Afaka manome torohevitra anao izy ireo, ary indraindray afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao, sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: frantsay no tena ampiasaina.
    • Hahita lisitr'ireo "associations" akaiky anao izay mpikarakara manokana ireo niharan'ny herisetra ianao ato amin'ity lahatahiry ity, amin‘ny fisafidianana ny departemanta misy anao ao Frantsa.
  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hatao izy ireo. Afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina ny ivon-toerana sasany.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Mahazo fikarakarana: fahasalamana ara-batana, ara-nofo ary ara-tsaina

Mety hisy voka-dratsy lehibe amin‘ny fahasalamanao ny herisetra ao an-tokantrano. Any Frantsa dia…

Misorata anarana amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana na “sécurité sociale

Raha manana asa matotra na mipetraka maharitra any Frantsa ianao dia manan-jo hiantoka ny…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony