Ny hany fepetra dia tsy maintsy manaporofo ianao fa nipetraka tsy tapaka tany Frantsa nandritra ny folo taona, na dia tsy nanana zo hipetraka ara-dalàna aza ianao nandritra io vanim-potoana io.
Na izany aza, ny fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana na “titre de séjour” dia tsy omena amin’izao fotsiny: Ny tompon‘andraikim-panjakana misahana ny fandinihina ny fangatahana ny “titre de séjour” izay fantatra amin’ny hoe “préfecture” dia mandray fanapahan-kevitra araka ny fahaizany manokana. Ho jerena amin‘izany ny fidiranao anatin‘ny fiainana any Frantsa, ohatra:
- ny fahaizanao teny frantsay
- ny soa raisina avy amin‘ny satanao ara-tsosialy sy arak‘asa ny diplaoma, ambaratongam-pianarana, asa any Frantsa, asa natao tany ivelany, sns.
- ny adidy aman‘andraikitrao eo amin‘ny lafiny sosialy, ohatra hoe fanaovana asa an-tsitrapo, Fanaovana fanatanjahan-tena sns.
- ny rohim-pihavananao any Frantsa fianakaviana sy namana.
Lalàna manan-kery Andininy L.435–1 ao amin’ny “CESEDA”.