Fantaro izay tokony hatao raha sanatria tratry ny fanambadiana an-tery, na mitady iharan‘ny fanambadiana an-tery

Raha toa ka mitady ho voasaringotra amin‘ny fanambadiana sivily, ara-pinoana na nentimpaharazana an-tery ianao, dia azonao atao ny mahazo fepetra fiarovana avoakan‘ny mpitsara frantsay. Raha mitsoaka trangana fanambadiana an-tery avy any amin'ny firenena hafa ianao, dia afaka mangataka ny fiarovana iraisam-pirenena an'i Frantsa, antsoina koa hoe zon'ny fialokalofana.

Nohamarinin'ny Fédération GAMS ny 30/05/2022

Fantaro ny zava-misy

Ny fanambadiana an-tery dia fanambadiana sivily, ara-pinoana na nentimpaharazana miaraka amin'olona tsy tianao, kanefa terena hiaraka aminao tsotra izaotsisy fanekenao akory.

Voararan’ny lalàna any Frantsa ny fanambadiana an-tery. Afaka manambady malalaka ianao, kanefa afaka mandà izany ihany koa.

Mitaky fifanekena eo amin'ireo ho lasa mpivady ny fanambadiana. Midika izany fa:

  • Afaka maneho ny fandavanao ianao mandritra ny fanaovana izany eny amin’ny sampandraharaham-panjakana izay hanatontosana ny lanonana mariazy sivily, izay fantatra amin'ny anarana hoe “mairie” na lapan'ny tanàna.
  • Azonao atao izany na mialoha na mandritra ny lanonana fampakaram-bady.
  • Raha tsy misy ny fanekena, dia heverina ho tsy manan-kery ny fanambadiana araka ny lalàna frantsay. Lalàna azo ampiharina: Andininy faha-180 amin’ny Fehezan-dalàna sivily.

Fepetra fiarovana

  • Raha 18 taona no mihoatra ianao ary atahorana ho tratran’ny fanambadiana an-tery, dia azonao atao ny mangataka fepetra fiarovana antsoina hoe “ordonnance de protection” avy amin'ny rafitra fitsarana frantsay, na dia tsy manana zo hipetraka eo an-toerana aza ianao.

    Tokony havoaka haingana ao anatin'ny herinandro monja izany fepetra izany.

    Izany dia ahafahanao mahazo fiarovana nodidian'ny mpitsara miadidy ny fianakaviana antsoina hoe “juge aux affaires familiales (JAF)” izany mandritra ny fe-potoana azo havaozina mandritra ny enim-bolana, ohatra hoe:

    • fandraràna ilay olona nomanina hovadinao tsy hihaona aminao
    • fandraràna ilay olona nomanina hovadinao mba tsy hitondra fitaovam-piadiana
    • famelana anao hanafina ny adiresin‘ny tranonao
    • fandrarana anao vonjimailka tsy mahazo miala ny sisin-tany frantsay araka ny nangatahanao

    Azonao atao ihany koa ny mangataka antontan-taratasy manome alalana anao hijanona any Frantsa, fantatra amin'ny anarana hoe fahazoan-dàlana hipetraka eo an-toerana na “titre de séjour”. Ity fomba iray ity dia azavaina amin’ny antsipiriany ao amin’ity pejy ity.

  • Raha latsaky ny 18 taona ianao dia tsy afaka mahazo io fepetra fiarovana io satria miankina amin'ny fitsarana miandraikitra ny zaza ny fiarovana anao.

    Azonao atao ny miresaka amin'ny olona atokisana akaiky anao momba ny ahiahinao, ohatra hoe olona matihanina toy ny dokotera na mpampianatra.

    Azonao atao ihany koa ny miantso ny laharana nasionaly momba ny fiarovana ny zaza amin'ny 119. Ity laharana maimaimpoana ity dia mandeha foana 24 ora isan'andro, 7 andro isan-kerinandro, fa amin'ny teny frantsay ihany anefa. Ho afaka hanoro hevitra anao sy hanao tatitra any amin’ny mpampanoa lalàna iray antsoina hoe “procureur de la République” izy ireo.

Zo ipetraka eo an-toerana

Raha toa mandositra fanambadiana an-tery avy any amin'ny firenena hafa ianao, dia afaka mangataka ny fiarovana iraisam-pirenena an'i Frantsa, fantatra amin'ny anarana hoe zo hahazo fialokalofana.

Afaka mahita fampahalalana bebe kokoa ianao ao amin' ity pejy ity.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Hisy mpanolotsaina voaofana hihaino anao sy hanohana anao amin‘ny alalan‘ny telefaonina. Afaka hanoro anao ireo sampandraharaha akaiky anao mifandraika amin'izany izy ireo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay. Misy ireto teny manaraka ireto indraindray: Anglisy, arabo, espaniola, tiorka, mandarin, sinoa, kiorda, azeri, poloney, hebreo, farsi, soninké, kreôla, kinyarwanda, kirundi ary swahili. Amin‘izao fotoana izao anefa aloha, dia mbola tsy voafaritra sy tsy voalamina mialoha ny fotoana ahitana ireo fiteny ireo.
    • Fifandraisana: antsoy ny 3919, amin‘ny ora rehetra sy ny andro rehetra. Ho maimaimpoana ny antso ataonao.
    • Ho an'ny olona marenina, manana olana amin'ny fandrenesana, olona voan'ny aphasia na manana fahasembanana amin'ny fiteny, azonao atao ny manindry ny sarina telefaonina eo amin'ny farany ambany amin‘ny havanana ao amin'ny tranonkala www.solidaritefemmes.org.
  • Ny “Fédération GAMS” dia manohana olona niharana famorana atao amin’ny vehivavy na fanambadiana natao an-tery.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Hotombanany ny toe-javatra mahazo anao, ary avy eo handefa anao any amin‘ny sampandraharaha mahefa akaiky anao izy.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, anglisy ary bambara.
    • Fifandraisana: an-telefaonina amin‘ny 01 43 48 10 87 Alatsinainy hatramin’ny Zoma manomboka amin’ny 10 maraina hatramin’ny 12 atoandro ary manomboka amin’ny 2 tolakandro hatramin’ny 4 hariva, na amin’ny alalan’ny mailaka [email protected].
  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hataonao izy ireo. Ireo ivon-toerana sasany dia afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Mangataka “l'aide juridictionnelle” na fanampiana ara-pitsarana mba hanomezana ny volan’ny mpisolovava sy ny sarany ara-pitsarana hafa

Raha tsy ampy vola hanakaramana mpisolovava sy handoavana ny fitsarana, dia afaka mangataka ny…

Mahazo fitsaboana rehefa avy niharana famorana taovam-pananahana atao amin‘ny vehivavy

Raha niharana famorana taovam-pananahana atao amin‘ny vehivavy ianao, dia misy fikambanana sy…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony