Mangataka ny mpitsara mba hanakana ny vadinao taloha mba tsy hanatona anao

Raha heverinao fa atahorana hiharan'ny herisetra bebe kokoa ianao sy/na ny zanakao, dia afaka mangataka fepetra fiarovana amin'ny rafi-pitsarana frantsay ianao. Azon'izy ireo atao ny manakana ny mpanao herisetra tsy hanatona anao, anisan'izany ny fandroahana azy ireo hiala amin'ny tokantrano.

Nohamarinin’i Olympe tamin’ny 05/10/2023

Na iza na iza monina any Frantsa ary matahotra fa mety hanao herisetra indray aminy sy/na amin‘ny zanany ny vadiny na ny vadiny taloha dia afaka mangataka fepetra fiarovana amin'ny rafi-pitsarana frantsay, na dia tsy manana zo ipetrahana eo an-toerana aza izy ireo.

Fiarovana araka ny lalàna na “ordonnance de protection

Ny fepetra fiarovana haingana sy feno indrindra dia ilay antsoina hoe “ordonnance de protection”, na fiarovana araka ny lalàna. Ahafahanao mahazo fiarovana haingana, izay nodidian'ny mpitsara mba ho anao sy ny zanakao izany.

Fampahalalana manan-danja tsara marihina:

  • Mety ho azonao ao anatin‘ny herinandro izany.
  • Mety hiafara amin’ny fandroahana an-keriny an’ilay mpanao herisetra hiala ao an-trano izany, na dia misoratra amin’ny anarany aza ilay izy.
  • Tsy ilaina ny mametraka fitoriana eny amin’ny polisy mba hangatahana “ordonnance de protection”, saingy tsara kokoa raha manao izany ianao. Ny fitoriana mantsy dia ho porofo fanampiny amin‘ny fangatahanao.
  • Azonao atao ny mangataka izany eny fa na dia tsy manan-jo ipetraka eo an-toerana aza ianao, kanefa tsy atahorana ho voatazona na ho voaroaka hiala amin’ny firenena.
  • Raha mahazo “ordonnance de protection” ianao dia misy fahazoan-dàlana hipetraka manokana na “titre de séjour” izay azonao angatahana, ary manan-kery herintaona, sady azo avaozina.
  • Ity fepetra fiarovana ity dia azo omena anao ihany koa raha ahiana ny mety hisian'ny fanambadiana an-tery.

Zava-dehibe ny fanomanananao tsara ilay fangatahana mba ho tena hahomby ianao amin‘izany. Hazavainay eto ambany ny fomba hahazoana fanampiana, sy ny fomba fiasa tsikelikely isaky ny dingana.

  • Ny fepetra azon'ny mpitsara raisina ao anatin'ny “ordonnance de protection” dia mahakasika lafiny maro amin'ny fiarovana anao, anisan'izany:

    • ny fiarovana ara-batana anao, ohatra hoe:
      • ho voarara tsy hifandray aminao ny mpanao herisetra, voarara tsy handeha any an-tranonao sy toerana sasany izay falehanao, ary voarara tsy hitondra fitaovam-piadiana mihitsy aza.
      • Amin'ny tranga faran'izay henjana indrindra amin'ny herisetra ao an-tokantrano, ny mpitsara dia mety hangataka ny mpanao herisetra mba hanao fitaovana elektronika antsoina hoe “bracelet anti-rapprochement”, na fitaovana fanakanana tsy hanatona, izay hanaitra ny polisy raha raha vao manatona anao ilay mpanao herisetra
    • ny tranonao, ohatra:
      • Azonao atao ny mangataka ny tranon‘ny fianakaviana mba hosoratana aminao ka ho voaroaka ilay mpanao herisetra, eny na dia misoratra amin‘ny anarany aza ilay trano
      • raha mifindra trano ianao dia azonao atao ny mangataka amin'ny mpitsara mba hanafenana ny adiresinao vaovao mba tsy ho fantatr‘ilay mpanao herisetra izany
    • ny loharanom-bolanao, ohatra:
      • mety tsy maintsy handoa fanampiana ara-bola ho anao ilay mpanao herisetra raha toa vita mariazy ianareo
    • lamina ho an’ny fitazomana ny ankizy, ohatra hoe:
      • afaka mangataka ny mpitsara ianao mba hanome anao zo sy adidy manokana manoloana ny zanakao, fantatra amin’ny anarana hoe fahefan’ny ray aman-dreny feno na “autorité parentale exclusive
      • ny mpitsara dia afaka manapaka ihany koa na mampiato ny zon’ilay mpanao herisetra hamangy, na handamina ny fitsidihan’izy ireo ny mba hisian’ny matihanina manatrika hoe, fantatra amin’ny hoe “visites médiatisées” na fitsidihina arahi-maso akaiky.
    • fanomezana baiko ara-pitsarana mba hitsaboan‘ilay mpanao herisetra saina.

    Manan-kery mandritra ny enim-bolana amin'ny ankapobeny ireo fepetra ireo, ary aorian'izay dia azo havaozina.

    Kanefa, raha mandefa fangatahana any amin’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana izay fantatra amin’ny anarana hoe “juge aux affaires familiales (JAF)” ianao mba hangatahana fisaraham-panambadiana sy/na handamina mikasika fitazomana ny zaza mialohan’ny hiafaran’ny enim-bolana, dia hitarina ho azy mandrapivoakan’ny fanapahan-kevitra manaraka avoakan’ny mpitsara ireo fepetra.

  • Na dia tsy voatery aza izany, dia tena tsara raha manakarama mpisolovava manam-pahaizana manokana amin’ny resaka herisetra ao an-tokantrano ianao. Ho afaka hanampy anao hameno sy handefa ny fangatahana “ordonnance de protection” izy ireo.

    Raha tena tsy ampy ny volanao mba handoavana ny karaman’izy ireo, dia azonao atao ny mangataka fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle” mba handoavana ny fandaniana.

    Toy izao no atao mba hanaovana ny fangatahana “ordonnance de protection” amin’ny alalan’ny “aide juridictionnelle”:

    • Miezaha mitady mpisolovava hanaiky handray ny raharahanao ao anatin’ny “aide juridictionnelle” vonjy maika. Afaka manampy anao hameno sy hametraka ny fangatahana “ordonnance de protection” sy “aide juridictionnelle” indray miaraka izy ireo.
    • Raha tsy mahita mpitsara ianao dia miezaha mitady fikambanana mpanao asa soa antsoina hoe “association” izay afaka manampy anao hamita sy handefa ny fangatahana. Azonao atao ny mangataka ny hanendren‘ny fitsarana mpisolovava ho anao rehefa mameno ny taratasy fangatahana fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna. Tsindrio ny boaty “avocat” (mpisolovava) aorian’ny “Vous n’avez pas choisi d’auxiliaire de justice et vous demandez la désignation d’un ou de plusieurs professionnels du droit” (Tsy mbola nifidy olona mpanampy avy eo amin’ny fitsarana ianao, ary mangataka ny fanendrena olona matihanina eo amin’ny sehatry ny lalàna iray na maromaro mba hanampy anao).
    • Rehefa mameno ity ampahany ity amin'ny taratasy dia ataovy azo antoka fa voakitikao ihany koa ny efajoro “huissier” (mpiasa eo amin’ny sehatry ny lalàna) mba hahazoana antoka fa ny tolotra omen’ny mpiasa eny anivon’ny rafi-pitsarana fantatra amin’ny hoe “huissier de justice”, izay ho tompon'andraikitra amin'ny fanatanterahana ny didin'ny mpitsara manoloana ny mpanao herisetra, dia anisan‘ny ilainao fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna avokoa.
    • Apetraho miaraka ny fangatahana roa ho amin’ny “ordonnance de protection” sy ny “aide juridictionnelle”. Koa satria ny dingana “aide juridictionnelle dia manokana amin’ny sehatra ohatran‘itony, dia afaka mahazo izany avy hatrany tsy misy fahatarana toy ny mahazatra ianao.
  • Atao mivantana any amin’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana fantatra amin’ny hoe “juge aux affaires familiales (JAF)” ny fangatahana.

    Mety ho sarotra ny dingana, fa ho tonga amin‘izany eo foana ianao. Azonao atao ny manaraka ireto dingana ireto:

    • Miezaha manangona porofo betsaka araka izay azo atao mba hanehoana ny herisetra sy ny loza aterany aminao sy/na ny zanakao.
    • Fenoy ny taratasy fangatahana ary fidio ny fepetra tianao angatahina amin'ny mpitsara.
    • Manaova dika mitovy ny taratasy fangatahana miisa telo, anisan'izany ny iray ho anao.
    • Alefaso mivantana any amin’ny biraom-pitantanana fantatra amin’ny anarana hoe “greffe” (mpiraki-draharaha) avy ao amin’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana na “juge aux affaires familiales”:
      • Azonao atao ny mampiasa ity lahatahiry ity mba hitadiavana ny antsipiriany ifandraisana aminy ka ampidiro ny kaody paositranao dia fidio ny “tribunal judiciaire”.
      • Antsoy ny fitsarana mba hahitana ny ora fisokafan'ny “greffe” sy ny hoe rahoviana no afaka ny mpitsara. Matetika dia afaka mandeha any avy hatrany ianao fa tsy mila maka fotoana mialoha. Hamarino miaraka amin'izy ireo izany rehefa miantso ianao
    • Ny mpitsara no hanome fotoana ho anao any amin’ny fitsarana izay fantatra amin’ny hoe fakana am-bavany na “audience”, dimy andro aorian'ny nandefasanao ny fangatahanao, mba hahafahan’izy ireo mihaino ny fanehoan-kevitrao sy ny an’ilay mpanao herisetra, izay fantatra amin’ny anarana hoe “défendeur”, na voampanga.
      • Raha tsy miteny frantsay ianao dia ilazao ny “greffe” (mpiraki-draharaha) rehefa mandefa ny fangatahanao mba hahafahana mandamina mpandika teny am-bava mba ho tonga amin’ny “audience”. Mety hangataka anao handoa an'ity tolotra ity ny fitsarana sasany, saingy amin'ity tranga ity dia mety tafiditra ao amin’ny “aide juridictionnelle”, na fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna izany, raha nangataka izany ianao.
      • Afaka mangataka ny mpitsara ihany koa ianao mba handamina fotoana mitokana, raha toa ka matahotra ny hihaona amin‘ilay mpanao herisetra. Izany dia fantatra amin’ny anarana hoe fakana am-bava misaraka na “audition séparée”. Afaka mangataka izany amin‘ilay “greffe” (mpiandraiki-draharaha) ianao rehefa mametraka ilay fangatahana.
    • Hanome anao antontan-taratasy fantatra amin’ny anarana hoe “permis de citer” milaza ny daty, ny ora ary ny toerana hanaovana ny fakana am-bavany na “audience” ny mpitsara.
  • Ilay antontan-taratasy fantatra amin’ny anarana hoe “permis de citer” milaza ny daty, ny ora ary ny toerana hanaovana ny “audience” dia tsy maintsy omena ilay mpanao herisetra ao anatin‘ny 48 ora, ka atolotry ny mpiasa eo anivon’ny rafi-pitsarana fantatra amin’ny anarana hoe “huissier de justice”. Mbahanaovana izany dia:

    • Azonao atao ny mifandray amin’ny “huissier” eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpanao herisetra ka mikaroka izany ao amin’ity lahatahiry ity.
    • Misy sarany ity tolotra ity, saingy mety ampidirina amin’ny fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle”, ary raha kitihinao ilay efajoro “huissier” rehefa mandefa ny fangatahana fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna.
    • Raha tsy afaka mandoa ireo sarany ireo ianao ary tsy mahazo fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle” dia azonao atao ny mangataka ny “greffe”, na mpiandraiki-draharaha mba hampandre ny mpanao herisetra rehefa mametraka ilay fangatahana mivantana ianao. Indrisy anefa fa mbola tsy manao io safidy io ny fitsarana sasany.

    Raha naharay ny “permis de citer” ara-potoana ny mpanao herisetra kanefa tsy tonga nanatrika ilay fotoana nomen’ny mpitsara dia mbola afaka manohy ny fitsarana ny mpitsara na tsy eo aza izy ireo.

  • Tena tsara tokoa raha manatrika ity fihaonana ity miaraka amin‘ny mpitsara ianao saingy afaka misafidy ny hosoloin‘ny mpisolovava tena.

    Afaka manome torohevitra anao ny mpisolovavanao momba ny fandehan'ity fivoriana eny amin'ny fitsarana ity, sy ny fomba azonao hiomanana tsara amin'izany.

    Raha tsy nangataka fakana am-bavany misaraka na “audition séparée” ianao kanefa matahotra ny hihaona amin’ilay mpanao herisetra dia ampandreneso ny mpisolovavanao mba hahafahany manaraka anao manomboka amin’ny fahatongavanao eny amin’ny fitsarana ka hatramin’ny fotoana hialanao.

    Raha mangataka ny fanatrehan’ny mpandika teny am-bava ianao rehefa mametraka ny fangatahana dia hanao izay hahazoana antoka ny mpisolovavanao mba ho eo ilay mpandika teny am-bava rehefa manomboka ilay “audience”.

  • Handray fanapahan-kevitra ao anatin'ny 24 ora ny mpitsara, izany hoe enina andro fara-fahaelany, aorian'ny nametrahanao ny fangatahana. Hampahafantarina anao amin'ny fomba roa ny fanapahan-kevitr'izy ireo:

    • Raha manana mpisolovava ianao dia hampahafantarina amin'ny alalan'ny mpisolovavanao.
    • Raha tsy manana mpisolovava ianao dia indrisy fa tsy maintsy miantso ny fitsarana ianao aorian'io vanim-potoana io mba hahitana ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Raha te hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’azy ireo dia azonao ampiasaina ity lahatahiry ity ka ampidiro ny kaody paositranao ary fidio ny “tribunal judiciaire”.

    Raha lavin’ny mpitsara ny fangatahanao dia azonao atao ny manohitra izany fanapahan-kevitra izany amin’ny fampiakarana na “appel”, miaraka amin'ny fanampian'ny mpisolovava anao.

  • Raha manatona anao ilay mpanao herisetra rehefa napetraky ny mpitsara ny “ordonnance de protection” dia mila mametraka fitoriana avy hatrany ianao.

    Ny mpampanoa lalàna izay fantatra amin’ny anarana hoe “procureur de la République” no mety hametraka azy ireo ao am-ponja vonjimaika.

Ny telefaonina fampiasa amin’ny loza na “Téléphone Grave Danger

Ny telefaonina fampiasa amin’ny loza na “Téléphone Grave Danger” dia omena ireo niharan’ny herisetra ao an-tokantrano, na dia amin'ny tranga faran'izay mafy indrindra ihany aza.

Misy bokotra mifandray mivantana amin‘ny laharana maitso misy fanampiana tsy miato izany. Afaka hahafantatra ny toerana misy anao ilay olona mandray ny antsonao, ka mangataka ny polisy hirotsaka an-tsehatra.

Azo omena mandritra ny enim-bolana izany ary azo havaozina avy eo.

  • Raha te hahazo “Téléphone Grave Danger” (telefaonina fampiasa amin’ny loza):

    • mila mahay miteny frantsay fototra ianao
    • tsy tokony hiara-miaina amin'ilay mpanao herisetra intsony ianao na hanatona azy ireo
    • tsy maintsy efa nahazo baiko avy amin'ny mpitsara mandrara azy ireo tsy hifandray aminao ilay mpanao herisetra, kanefa tsy nohajainy izany.
  • Indrisy fa tsy afaka manao ny fangatahana amin‘ny tenanao samirery ianao.

    Ny loza atrehanao dia tsy maintsy taterina any amin’ny polisy, ny mpitsara na ny fikambanana mpanao asa soa fantatra amin’ny hoe “association”. Ny tatitra dia azo atao:

    • any amin'ny mpampanoa lalàna antsoina hoe “procureur de la République”, izay hangataka tatitra momba ny fanombanana antsoina hoe fanadihadiana ara-tsosialy na “enquête sociale” fikambanana miandraikitra ny fitantanana ny “Téléphone Grave Danger” any amin’ny vakim-paritra misy anao
    • na tonga dia any amin‘ilay fikambanana miandraikitra ny fitantanana ny “Téléphone Grave Danger”, any amin’ny vakim-paritra misy anao

    Rehefa vita ny tatitra dia ireto manaraka ireto no hiseho:

    • Hifandray aminao amin'ny telefaona ny fikambanana mba handamina fotoana haingana araka izay azo atao. Tsy voatery hiresaka ny hoe “Téléphone Grave Danger” izy ireo fa hanamarika fotsiny hoe ny tanjon‘ity fivoriana ity dia ny hanombana ny toe-javatra misy anao mba handinihana ny fampiharana ny fepetra fiarovana.
    • Manana 48 ora matetika ny fikambanana handrafetana ny tatitra momba ny fanombanana sy handefasana izany any amin’ny “procureur de la République”. Indrisy anefa fa any amin'ny vakim-paritra sasany dia mety haharitra herinandro maromaro izany.
    • Ny “procureur de la République” no hanombana raha ilaina ny manome anao “Téléphone Grave Danger” miankina amin’ny hamafin’ilay loza izay vinavinain’ny tatitra momba ny tombana.

    Hampandrenesina avy hatrany ianao na mahazo na tsy mahazo avy amin‘ny fikambanana tompon'andraikitra amin'ny fitantanana ny “Téléphone Grave Danger”. Arakaraky ny toe-javatra misy dia mety hampandre anao amin'ny telefaona, mailaka, na paositra izy ireo. Avy eo izy ireo dia hanome anao fampahalalana momba ny dingana manaraka:

    • Raha ekena ny fangatahanao dia homena anao mivantana eny amin'ny fitsarana ny telefaonina. Harahin’ilay fikambanana tompon'andraikitra amin'ny fitantanana ny “Téléphone Grave Danger” ianao raha haka izany.
    • Raha lavin’ny mpitsara ny fangatahanao dia azonao atao ny manohitra an'io fanapahan-kevitra io amin'ny alàlan'ny fampiakarana ny raharaha na “appel”, miaraka amin'ny fanampian'ny mpisolovavanao.
  • Izay olona mahazo “Téléphone Grave Danger”, na telefaonina fampiasa amin’ny loza, dia omena avy hatrany trano saosialy raha mangataka izany izy.

Fanaraha-maso ara-pitsarana “Contrôle judiciaire

Hatramin’ny nanombohan’ny raharaham-pitsarana taorian’ny fametrahana fitoriana, ny mpitsara amin’ny heloka bevava dia afaka manapa-kevitra ny hametraka ilay mpanao herisetra eo ambany fanaraha-mason'ny rafi-pitsarana amin'ny alalan'ny famoahana didy mifehy ny fitsarana na “ordonnance de placement sous contrôle judiciaire”.

Midika izany fa raha heverin'ny mpitsara fa tandindomin-doza ny fiarovana anao, dia hosakanany tsy hanatona anao ilay mpanao herisetra. Hapetraka io fepetra vonjimaika io mandra-pahatongan’ny fitsarana.

Mandritra ny fotoam-pitsarana dia mety handray fepetra fiarovana vaovao ny mpitsara mba hiantohana ny fiarovana anao amin'ny alàlan'ny fanasaziana noho ny heloka bevava ataon'ireo mpanao herisetra.

  • Ilay mpanao herisetra dia tsy maintsy manaraka ny fandrarana sy adidy sasany nofaritan'ny mpitsara, ohatra:

    • mametra ny fivezivezeny ary tsy maintsy mampandre ny mpitsara raha toa ka mivoaka ivelan'ireo faritra ireo izy ireo
    • miala amin'ny tranon'ny fianakaviana
    • manome ny antontan-taratasy momba azy ireo ho an'ny mpitsara, indrindra ny pasipaorony, mba hanakanana azy ireo tsy handao ny firenena
    • mahazo fanohanana eo amin‘ny lafiny sosialy sy fanabeazana sy/na amin‘ny lafiny fitsaboana.
  • Indrisy anefa fa tsy afaka mangataka ireto fepetra fiarovana ireto ho an‘ny tenanao samirery ianao. Ny mpitsara ihany no afaka manapa-kevitra hanao izany.

    Raha napetraka ny “contrôle judiciaire” dia indrisy fa tsy voatery hampahafantarina anao. Azonao atao ny miantso ny fitsarana na manontany ny mpisolovavanao mba hanontany raha efa napetraka io fepetra io. Raha te hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’ny fitsarana dia ampiasa ity lahatahiry ity ka ampidiro ny kaody paositranao dia fidio ny “tribunal judiciaire”.

  • Raha toa ilay mpanao herisetra nanatona anao kanefa efa noraran’ny mpitsara tsy hanao izany izy dia mila mametraka fitoriana avy hatrany ianao. Mety hanapa-kevitra ny hametraka azy ireo any am-ponja mandra-pahatongan'ny fitsarana, izay fantatra amin'ny anarana hoe “détention provisoire”, na fitanana am-ponja vonjimaika ny mpitsara.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hataonao izy ireo. Ireo ivon-toerana sasany dia afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiry ity.
  • Ny “Associations” dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Ireo tolotra misy dia miovaova arakaraka ny “association”. Afaka manome torohevitra anao izy ireo, ary indraindray afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao, sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: frantsay no tena ampiasaina.
    • Hahita lisitr'ireo "associations" akaiky anao izay mpikarakara manokana ireo niharan'ny herisetra ianao ato amin'ity lahatahiry ity, amin‘ny alalan‘ny fisafidianana ny departemanta misy anao ao Frantsa.
  • Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.

    • Tandremo tsara mba ho mpisolovava mahay no fidìana.
    • Tsy maintsy aloanao ny karaman'ny mpisolovava.
    • Raha voafetra ny vola eo am-pelatananao, dia mety hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana ianao handoavana ireo sarany ireo. Izany no antsoina hoe "aide juridictionnelle".
    • Raha tsy mbola nisy matihanina na olona atokisanao nanolotra mpisolovava ho anao dia afaka mitady mpisolovava ao anatin'ity lahatahiry ity ianao. Mitanisa ireo mpisolovava rehetra ao Frantsa izy ity. Azonao atao ny mikaroka mpisolovava arakaraky ny tenim-pirenena teneniny na ny sokajin-dalàna manokana ifantohany.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Mahazo fikarakarana: fahasalamana ara-batana, ara-nofo ary ara-tsaina

Mety hisy voka-dratsy lehibe amin‘ny fahasalamanao ny herisetra ao an-tokantrano. Any Frantsa dia…

Misorata anarana amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana na “sécurité sociale

Raha manana asa matotra na mipetraka maharitra any Frantsa ianao dia manan-jo hiantoka ny…

Fangatahana karatra ara-pahasalamana na “carte vitale

Ny “carte vitale” dia karatra ara-pahasalamana izay ahazoana antoka fa mora averina ny vola laninao…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony