Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay
Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…
Raha tsy manaraka ny fepetra napetraka momba ny fitazomana ny zaza ilay ray aman-dreny ankilany, na miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreny iray ny ankizy na mipetraka mifandimby eo amin’ny ray aman-dreniny, dia mandika lalàna izy ireo. Misy ny vahaolana.
Nohamarinin‘i Mpisolovava Elodie Ramos tamin’ny 18/11/2022
Raha tsy manaraka foana ny lamina mikasika ny fitazomana zaza ilay ray aman-dreny ankilany, izay didy tapaka tamin'ny fifanarahana nifanaovana na navoakan’ny mpitsara momba ny fampiasana ny fahefan'ny ray aman-dreny izay fantatra amin’ny anarana hoe “modalités d’exercice de l’autorité parentale”, dia mandika lalàna izy izay.
Raha tsy mamerina ny zaza amin'ny fotoana nifanarahan‘izy ireo, ohatra, ilay ankilany, dia manao fandikan-dalàna antsoina hoe “délit de non-présentation d’enfant”.
Misy ny vahaolana, na dia ao anatin‘ny hamehana aza.
Tena amporisihina ianao mba hanakarama mpisolovava. Raha tena tsy ampy ny volanao mba handoavana ny karaman’izy ireo, dia azonao atao ny mangataka fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle” mba handoavana ny fandaniana.
Raha toa ilay ray aman-dreny ankilany tsy mamerina ny zanany ara-potoana na mandeha maka azy ireo amin'ny fotoana tsy tokony hanaovany izany ka mampanahy anao, dia afaka mandeha any amin'ny tobin’ny polisy ianao, izany hoe “commissariat de police” na “brigade de gendarmerie”, mba hametraka fitarainana.
Afaka mihetsika haingana ny polisy hanampy anao haka ny zanakao.
Raha matahotra ianao sao hitondra ny zanakao any ivelany ilay ankilany, kanefa tsy nanaiky izany ianaodia ilaina ny manao zavatra haingana. Misy fanazavana bebe kokoa ny amin‘ny fomba fanaovana izany eto.
Voalohany, miezaha hitady marimaritra iraisana amin'ilay ray aman-dreny ankilany amin'ny alàlan'ny mpisolovavanao. Izany no antsoina hoe fomba fampihavanana na “procédure de conciliation”.
Raha tsy mahomby io fomba fiasa io dia azonao atao ny mametraka fitarainana any amin'ny polisy fa tsy voahaja ny didim-pitsarana.
Avy eo ianao dia tsy maintsy mandefa taratasy ofisialy any amin'ilay ray aman-dreny ankilany milaza ny tsy fahatanterahany nyadidy tokony hataony, fantatra amin'ny anarana hoe fampitandremana ofisialy na “mise en demeure”. Afaka manampy anao hamolavola izany ny mpisolovavanao. Alefaso amin'ny alàlan'ny paositra miaraka amin’ny taratasy fanamarinam-pandefasana na “lettre recommandée avec accusé de réception”, izay hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Mila tehirizina tsara ny porofo avy amin‘ny paositra sy ny dika mitovy ny taratasy.
Raha toa ka tsy voahaja ity fampitandremana ofisialy ity na “mise en demeure” dia mila mandefa fangatahana any amin'ny mpitsara miadidy ny fianakaviana na “Juge aux affaires familiales (JAF)” ianao amin'ny alalan'ny ny mpisolovavanao. Noho izany, mety hanapa-kevitra ny hanova ireo fepetra napetraka ny mpitsara, ohatra hoe hametra ny zony ny amin‘ny fitsidihina sy ny fijanona amin‘ny alina.
Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mamondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.
Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.
Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay
Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…
Manakarama mpisolovava any Frantsa
Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…