Manakana ny ray aman-dreny ankilany tsy hitondra ny zanakao any ivelany raha tsy nahazo alalana avy aminao

Raha manahy ianao hoe hitondra ny zanakao any ivelany, na hitazona azy any ny vadinao na ny vadinao taloha, kanefa tsy nanaiky izany ianao dia manaova zavatrahaingana. Misy vahaolana hisorohana ny fitondrana ny zanakao any ampitan-dranomasina raha toa ka tsy nanaiky izany ianao.

Nohamarinin‘i Mpisolovava Hansu Yalaz tamin’ny 09/02/2024

Inona no atao raha misy fisalasalana

Raha ahianao hitondra ny zanakao any ampitan-dranomasina, tsy misy fampilazana anao ilay ray aman-dreny ankilany, dia tehirizo foana ny kopian'ny antontan-taratasin'ny zanakao, sy ny sarin'izy ireo vao nalaina vao haingana.

Raha teratany vahiny na manana zom-pirenena roa ilay ray aman-dreny ankilany, dia azonao atao ny mifandray amin'ny kaonsiola na masoivohon'ny firenena niaviany, mba hilaza aminy ny ahiahinao. Indraindray izy ireny afaka manisy fampitandremana amin‘ny pasipaoron‘ny zanakao. 

Kanefa kosa raha mpitsoa-ponenana ara-politika any Frantsa ianao, dia tsy tokony hifandray amin‘ny manampahefana avy amin‘ny tany niavianao. Fa mifandraisa kosa amin‘ny fikambanana mpanao asa soa, antsoina hoe “association” izay mifototra manokana amin’ny zon’ny mpitsoa-ponenana.

Inona no atao raha misy mandrahona ianao

Raha mandrahona anao ny ray aman-dreny ankilany fa hitondra ny zanakao any ivelany, dia tsara ny manao tatitra foana momba ireo fandrahonana ireo amin’ny alalan’ny fandehanana any amin’ny biraon’ny polisy, izany hoe “commissariat de police” na “brigade de gendarmerie”.

Rehefa tonga any ianao dia afaka mangataka azy ireo hanoratra taratasy ofisialy mirakitra ny zava-misy, fantatra amin'ny anarana hoe rakitatitra na “main courante”. Ahafahanao manana porofo ofisialy momba ny fandrahonana izany kanefa tsy mbola misy fepetra ho raisina aloha. 

Indrisy anefa, ny fandrahonana toy izany any Frantsa dia tsy heverina ho fandikan-dalàna matotra ampy hanamarinana ny fitoriana ara-dalàna antsoina hoe “plainte”, izay arahin'ny fanadihadiana. 

Miaro ny zanakao avy hatrany ra misy mitady hitondra any ampitan-dranomasina

Azonao atao ny mangataka fepetra ara-panjakana avy hatrany, na ilay antsoina hoe “Opposition à la Sortie du Territoire (OST)”, izay ahafahanao manohitra ny fialan’ny zanakao ao Frantsa. Manan-kery mandritra ny 15 andro io fara fahakeliny.

Indrisy anefa fa tsy afaka mangataka an'io fepetra io ianao raha tsy manan-jo ara-dalana hipetraka eo an-toerana.

  • Tsy maintsy atao eny anivon’ny manampahefana frantsay eo an-toerana, fantatra amin’ny anarana hoe “préfecture” eo amin’ny vakim-paritra misy anao ny fangatahana. Azonao atao ny mahita ny antsipiriany momba ny fifandraisana amin’ity lahatahiry ity.

    • Raha mikatona ny “préfecture” (alina, faran’ny herinandro, andro tsy fiasana), dia afaka mandeha eny amin’ny biraon’ny polisy akaiky anao ianao, izany hoe “commissariat de police” na “brigade de gendarmerie”.

    Rehefa tonga any ianao dia asaina mameno taratasy fangatahana. Mila mampiseho ireto antontan-taratasy manaraka ireto koa ianao:

    • Taratasy milazalaza ny momba anao: pasipaoro na kara-panondro
    • Taratasy milazalaza ny momban‘ny zanakao tsirairay
    • Porofo milaza ny fananan-jo honina eo an-toerana; ohatra, dika mitovy ny fahazoan-dàlana hipetraka ara-dalana na “titre de séjour”, na ny fangatahanao fialokalofana.
    • taratasy manaporofo ny fahefanao amin'ny maha ray aman-dreny anao na "autorité parentale", toy ny dika mitovy ny kopian’ny soram-piankohonan’ny zanakao tsirairay avy izay misy ny anaranao
    • taratasy misy daty tao anatin'ny telo volana farany izay manaporofo ny toeram-ponenanao antsoina hoe “justificatif de domicile”, ohatra hoe ny faktioran-jiro na gaz, na fanambarana fa ianao dia ampiantranoan’olona izay antsoina hoe “attestation d’hébergement
    • izay antontan-taratasy mifandraika amin'izany, ka afaka manampy ny vakim-paritra handinika ny fangatahanao sy handray fanapahan-kevitra. Ohatra hoe nalaina avy amin'ny didy fisaraham-panambadiana, dika mitovy ny tapakilan'ny fiaramanidina, hafatra misy fandrahonana, na izay rakitatitra misy na “main courante” izay efa napetrakao eny amin’ny polisy
  • Halefa any amin’ny lehiben’ny prefektiora fantatra amin’ny hoe “Préfet” ny fangatahanao mba hahazo fankatoavana. 

    Hahazo valiny amin'ny telefaona ianao ao anatin'ny ora vitsivitsy, amin'izay laharana nolazainao tao amin'ny taratasy fangatahana. Hahazo taratasy ihany koa ianao ao anatin'ny andro vitsivitsy manamafy ny valiny, amin'ilay adiresy voalazanao tao amin'ny fangatahana.

    Raha nekena ny fangatahana, dia ampidirina ao amin'ny lisitry ny olom-pirenena tsy hita ny anaran'ny zanakao, ary taterina any amin'ny Rafitra Fampitam-baovao Schengen. Izany dia ahafahan'ny polisy sy ny sampandraharaha miandraikitra ny fifindra-monina mba hanamarina raha mahazo manohy ny diany ny ankizy rehefa mandalo toeram-pisavana.

    Ity fepetra ity dia manan-kery mandritra ny: 

    • 15 andro raha navoakan'ny “préfecture” 
    • 10 andro raha efa navoakan’ny polisy. 

    Tsy azo havaozina izany raha toa ianao tsy mangataka izany avy hatrany amin'ny mpitsara miadidy ny fianakaviana fantatra amin'ny anarana hoe “Juge aux affaires familiales (JAF)”. 

    Indraindray dia tsy manaiky ilay fangatahana ny “Préfet” raha heveriny fa tsy ara-drariny izany. Raha izany no zava-misy, dia azonao atao ny mifandray amin'ny mpisolovava mba hahitana izay hetsika azo atao.

Miaro ny zanakao izay mitady hisy hitondra any ampitan-dranomasina anaty fotoana maharitra

Azonao atao ny mangataka fepetra manaraka ny lalàna antsoina hoe “Interdiction de Sortie du Territoire (IST)” mba hanakanana ny zanakao handao ny firenena kanefa tsy nahazo alalana taminao. 

Tsy maintsy mangataka izany amin'ny mpitsara miadidy ny fianakaviana izay antsoina hoe “Juge aux affaires familiales (JAF)” ianao. Manan-kery izany mandra-pahatongan'ny fe-potoana nomen'ny mpitsara, na koa, mandra-pahatongan'ny ankizy tsirairay ho feno taona.

Tena tsara ra misy mpisolovava afaka manampy anao ny amin’izany. Raha tena tsy ampy ny volanao mba handoavana ny karaman’izy ireo, dia azonao atao ny mangataka fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle” mba handoavana ny fandaniana.

  • Ity fepetra ity dia ahafahanao manakana ny zaza tsy hivoaka ny firenena, raha tsy mahazo fankatoavana avy amin‘ny ray aman-dreny roa tonta. Midika izany fa mila fahazoan-dàlana an-tsoratra avy amin'ny ray aman-dreny ankilany, ny ray aman-dreny tsirairay raha te handeha any ivelany miaraka amin'ny zanany. Ho raketin‘ny polisy frantsay ity antontan-taratasy ity.

    Mazàna io fandrarana io dia haharitra mandra-pahatongan'ny ankizy tsirairay feno 18 taona, na mandra-pahazoana fanapahan-kevitra vaovao. Mety ho esorina vonjimaika izany raha mifanaraka ny ray aman-dreny.

  • Tsy maintsy atao any amin’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana izay fantatra amin’ny anarana hoe “Juge aux affaires familiales (JAF)” ny fangatahana.

    Tsy maintsy ataon'ny mpisolovava izany raha toa ka manana raharaham-pitsarana mandeha ianao, ohatra hoe fisaraham-panambadiana na fitazomana ny zaza. 

    Raha toa ka tsy manana raharaham-pitsarana ianao amin‘izao fotoana izao, dia mbola afaka mangataka mpisolovava hanampy anao hanao izany fangatahana izany.

    Toy izao manaraka izao ny dingana:

    • Fenoy ity taratasy ity.
    • Alefaso any amin’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana na “Juge aux affaires familiales” any amin'ny toeram-ponenan'ilay zaza ny fangatahana. Raha te hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’azy ireo dia azonao atao ny mikaroka ity lahatahiry ity ka ampidiro ny kaody paositranao ary fidio ny “tribunal judiciaire”. 
    • Alefaso amin'ny alàlan'ny paositra na “lettre recommandée avec accusé de réception”. Izay no hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.
  • Hantsoin'ny mpitsara ny ray aman-dreny roa tonta ho amin'ny fotoana izay fantatra amin'ny anarana hoe fakana am-bavany “audience” mba handray fanapahan-kevitra. Hevitra sasantsasany tokony hodinihina:

    • Mety ho voalamina herinandro maromaro aorian’ny fangatahana ity “audience” ity. 
    • Mety hangataka ny mpitsara mba handamina daty hanaovana “audience” faran'izay haingana ny mpisolovavanao.
    • Ataovy azo antoka fa ny “audience” dia voalamina mialohan’ny daty faran’ny “Opposition à la Sortie du Territoire (OST)” navoakan’ny “préfecture”. Hahazoana antoka izany fa tsy hisy fotoana eo anelanelan‘ireo fepetra roa izay mety ahafahan‘ilay ray aman-dreny ankilany mandao ny firenena. 

    Rehefa mandray fanapahan-kevitra ny mpitsara dia handinika tsara ireo antony mazava sy mampiahiahy, izay mety hanamarina ny fandrarana araka ny lalàna mba tsy handaozana ny firenena, ohatra hoe: 

    • fandrahonana handeha ho any ivelany miaraka amin'ny ankizy ka tsy hiverina intsony
    • tsy fandehanana miasa
    • tsy fananana fianakaviana any Frantsa 
    • fahataperan'ny fahazoan-dàlana hipetraka na “titre de séjour” 
    • fisaraham-panambadiana misy disadisa 
    • nisy trangana herisetra tany aloha.

    Tsy ho raisina mandritra ny andron’ny “audience” ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitsara. Amin'io andro io, ny mpitsara dia handamina ny daty tsy maintsy handraisana ny fanapahan-kevitra, fantatra amin'ny anarana hoe datin'ny fifampidinihana na “date de délibéré”, izay mety ho voalamina hatramin'ny efatra herinandro aty aoriana.

    Matetika dia ny mpisolovavanao no haharay ny fanapahan-kevitra. Raha nandeha irery ianao tamin’ny “audience” ka tsy nisy mpisolovava dia ho voarainao amin’ny alalan’ny paositra amin’ny adiresy izay nomenao tamin’ny fangatahana nataonao ny fanapahan-kevitra. Hahazo ny taratasy ianao amin'ny alàlan'ny paositra na “lettre recommandée avec avis de réception”. 

    Raha ekena ny fangatahana, dia ampidirina ao amin'ny lisitry ny olom-pirenena tsy hita ny anaran'ny zanakao, ary taterina any amin'ny Rafitra Fampitam-baovao Schengen. Izany dia ahafahan'ny polisy sy ny sampandraharaha miandraikitra ny fifindra-monina mba hanamarina raha mahazo manohy ny diany ny ankizy rehefa mandalo toeram-pisavana.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Io sampandraharaha fanoroana hevitra an-telefaonina tantanan'ny "Droit d’enfance" io dia manampy ireo rehetra very anaka, anisan'izany ny tranga fakàna an-keriny ataon’ny iray amin‘ny ray aman-dreny. Azon'izy ireo atao koa ny manome torohevitra anao momba ny fisorohana, raha matahotra ianao sao halain'ny ray na ny renin'ilay zaza an-keriny ny zanakao.

    • Tsy andoavam-bola ny fanaovana an‘izany.
    • Hisy olona hihaino sy hanohana anao amin'ny telefaonina. Hanome torohevitra anao izy ireo, anisan'izany ny fampahalalana momba ny lalàna sy ny fametrahana fitoriana. Afaka manampy anao amin'ny dingana arahina ara-pitondrana sy ara-pitsarana ihany koa izy ireo.
    • Hanampy anao izy ireo mandrapaha-tafaverin'ny zanakao any aminao.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, anglisy, arabo, espaniola, rosiana.
    • Fifandraisana: amin'ny telefaonina amin'ny laharana 116 000, laharana maimaimpoana azonao antsoina 24 ora isan'andro, 7 andro isan-kerinandro.
  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hatao izy ireo. Afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina ny ivon-toerana sasany.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiryity.
  • Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana. 

    • Tandremo tsara mba ho mpisolovava mahay no fidìana.
    • Tsy maintsy aloanao ny karaman'ny mpisolovava. 
    • Raha voafetra ny vola eo am-pelatananao, dia mety hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana ianao handoavana ireo sarany ireo. Izany no antsoina hoe "aide juridictionnelle".
    • Raha tsy mbola nisy matihanina na olona atokisanao nanolotra mpisolovava ho anao dia afaka mitady mpisolovava ao anatin'ity lahatahiry ity ianao. Mitanisa ireo mpisolovava rehetra ao Frantsa izy ity. Azonao atao ny mikaroka mpisolovava arakaraky ny tenim-pirenena teneniny na ny sokajin-dalàna manokana ifantohany.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Fandaminana ny fitazomana ny zaza eo amin'ny ray aman-dreny nisintaka na nisara-panambadiana

Any Frantsa, raha misy fisintahana na fisaraham-panambadiana, dia mbola manana zo sy adidy amin'ny…

Fantaro ny tokony hatao raha sendra fakàna an-keriny ny zaza ho any amina firenena hafa

Raha lasa any ivelany miaraka amin'ny zanakao ny rainy na ny reniny, na koa mihazona azy ireo any…

Miala any Frantsa miaraka amin‘ny zanakao

Ara-dalana be raha te hiverina any amin'ny tanindrazanao ianao rehefa avy niharan'ny herisetra. Na…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony