Miomana ny hifindra sy hiova adiresy

Mialohan'ny hifindranao amin'ny trano vaovao dia misy dingana maromaro tokony horaisinao manoloana ny manampahefana sy ireo mpanome tolotra. Mety hiovaova arakaraka ny toe-javatra misy anao ny dingana tokony hataonao.

Nohamarinin'i Ouarda Varda Sadoudi tamin'ny 29/09/2023

Mety ho fotoana mandreraka tokoa ny fifindrana trano, kanefa raha tsara omana ianao dia mandeha mora foana izany.

Ato amin‘ity pejy ity dia hotaritinay tsikelikely ianao.

Raha te hahazo antoka ianao fa tsy misy dingana manan-danja adinonao dia azonao atao ihany koa ny mampiasa ity fitaovana ity mba hahazoana ny lisitr’ireo dingana tokony arahina miankina amin’ny toe-javatra misy anao.

Mandao ny tranonao taloha

Raha mpanofa trano ianao, dia tena zava-dehibe tokoa ny mampandre ny tompon-tranonao fa maniry ny hanapaka ny fifanarahana hanofa na “bail” ianao. Izay no antsoina hoe fanapahana ny fifanarahana hanofa na “résiliation du bail”.

Raha toa mijanona ao amin’ilay trano ny vadinao taloha dia asaivo manova ny fifanarahana izy, amin’izay tsy miseho eo intsony ny anaranao.

  • Mila mandefa taratasy any amin'ny tompon-trano ianao mba hanapahana ny “bail”. Amin‘ny ankapobeny, mila soniavin‘ireo mpanofa rehetra izay miseho eo amin‘ilay fifanarahana hanofa izany. Afaka mampiasa ity modely ity ianao raha hanoratra ilay taratasy.

    Mialohan‘ny handefasana azy dia zava-dehibe ny manamarina ny fe-potoana fampilazana mialoha izay mihatra amin‘ny fifanarahanao. Amin‘ny ankapobeny telo volana eo io fe-potoana, io saingy lasa iray volana io raha toa ka:

    • nametraka fitoriana ny vadinao ianao, noho ny trangana herisetra tao an-tokantrano, na herisetra atao amin'ny zaza iray miara-monina aminao, ary:
      • mbola an-dalana ny raharaham-pitsarana
      • na voaheloka izy ireo
      • na nahazo sazy hafa ankoatra ny fanenjehana
    • nahazo fiarovana araky ny lalàna navoakan’ny mpitsara frantsay izay fantatra amin’ny hoe “ordonnance de protection” ianao
    • misy entana ilay trano hofainao
    • ny trano ipetrahanao dia eny amin’ny toerana fantatra amin’ny anarana hoe “zone tendue”, izay tena be kokoa ny tinady amin’ny fitadiavana trano ampitahaina amin’ny tolotra misy.
    • vao nahazo asa voalohany ianao, nifindra tany amin‘ny tanàna hafa, very asa, na nahita asa vaovao satria very asa
    • ny toe-pahasalamanao dia mitaky fiovàna fonenana (mila manome taratasy avy any amin‘ny dokotera ianao hanaporofoana izany)
    • ianao dia manan-jo hahazo fanampiana ara-bola fantatra amin’ny anarana hoe “revenu de solidarité active (RSA)” na “allocation aux adultes handicapés (AAH)
    • nahazo trano sosialy ianao.

    Raha ao anatin'ny iray amin'ireo toe-javatra ireo ianao, dia lazao ao amin'ny ilay taratasy ho alefa any amin‘ny tompon-tranonao ny antony mahatonga ny hoe iray volana ny fampilazana mialoha nomenao.

    Alefaso amin’ny paositra voasoratra anarana ary voarakitra fa lasa na “lettre recommandée avec accusé de réception” ilay taratasy. Izay no hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.

    Raha tsy ao anatin'ny iray amin'ireo toe-javatra ireo ianao dia mbola afaka manandrana mifampiraharaha amin'ny tompon-trano ny fe-potoana mba hampienana ny fampilazana raha te hiala haingana ianao, kanefa tsy te handoa hofan-trano telo volana.

  • Diniho tsara ireo fifanarahana rehetra anananao momba ny tranonao amin'izao fotoana izao ary mangataha ny hanafoanana sy/na hamindrana azy ireny any amin'ny adiresinao vaovao, ao anatin'izany:

    • herinaratra
    • gazy
    • aterineto
    • fiantohana mikasika ny trano fonenana.

Miova adiresy

  • Any Frantsa, azonao atao ny mangataka ny sampandraharaha ny paositra, antsoina hoe “La Poste” mba hamily avy hatrany ny paositra mba ho any amin’ny adiresinao vaovao ao anatin’ny 6 na 12 volana.

    Azonao atao ny mangataka izany amin‘ny alalan‘ny aterineto ao amin‘ ity tranokala ity.

    Andoavana sarany manodidina ny 6 euros isam-bolana eo ity tolotra ity raha famindrana paositra eto Frantsa ary 15 euros isam-bolana raha famindrana iraisam-pirenena.

  • Vantany vao manana ny adiresinao vaovao ianao dia mila mampahafantatra ireo fikambanana isan-karazany miankina sy tsy miankina izay mila ny antsipirihan'ny ifandraisana aminao, ohatra:

    • ny fikambanana mitantana ny antoka ara-pahasalamanao, fantatra amin'ny anarana hoe “Caisse d’assurance maladie
    • ny antoka ara-pahasalamanao manokana, fantatra amin’ny hoe “mutuelle
    • ny tomponandraikitra ny raharaham-panjakana eo an-toerana antsoina hoe “préfecture” mba hahafahany manaovao ny fahazoan-dalanao ipetraka eo an-toerana, na “titre de séjour
    • sampandraharaha misahana ny hetra frantsay
    • ny sampandraharaha nasionaly manohana ireo olona tsy an’asa, antsoina hoe “Pôle emploi”, raha toa ka misoratra anarana ao ianao
    • ny rafitra misahana ny fandoavana ny fanampiana omena ny fianakaviana antsoina hoe “Caisse d’allocations familiales (Caf)
    • ny sekoly misy ny zanakao
    • ny manampahefana ara-panjakana eo amin’ny tanàna na tanan-dehibe misy anao, izay antsoina hoe “mairie” raha toa ka voasoratra ao amin'ny lisi-pifidianana ianao
    • ny bankinao
    • izay fikambanana mety eritreretinao.

    Misy sampandraharaha amin’ny aterineto izay hahafahana mandefa hafatra iray, kanefa miaraka mahazo daholo ny sampan-draharaha samy hafa.

Mandamina ny fifindrana

Diniho tsara izay zavatra ho entinao miaraka aminao ary eritrereto ny fomba hitondranao izany any amin‘ny tranonao vaovao.

Miantso orinasa mifantoka manokana amin’ny fifindrana

Raha ilaina, dia azonao atao ny mampiasa ny orinasa mpikarakara fifindrana trano izay antsoina hoe “déménageur”.

Mety miovaova be isaky ny orinasa ny sarany aloa, miankina amin'ny habetsahan'ny fanaka sy baoritra ho entina. Afaka miantso maromaro ianao dia mampitaha ny tolobidy omeny.

Mifindra haingana

Misy ireo tolotra izay ahafahanao mifindra haingana miaraka amin’ny entanao manokana ao anatin’ny adiny iray latsaka, toy ny Supervan, izay saika hita eny an-tanan-dehibe rehetra any Frantsa.

Mangataka fanampiana ara-bola mba hifindrana

Misy ny fanampiana ara-bola raha te hifindra trano, ohatra:

  • Raha tsy ampy ny vola am-pelatananao dia mety hahazo fanampiana ara-bola ho an’ny trano antsoina hoe “aide du fonds de solidarité pour le logement”:
    • Tsy maintsy mangataka izany ianao mialohan‘ny hifindrana.
    • Izany dia ahafahana miantoka ny fandaniana mifandraika amin’ny fifindrana, toy ny sarany aloa amin’ny mpandraharaha, ny hofan-trano voalohany, ny vola aloa eo am-pidirana mba hiantohana ny fahasimbana, izay antsoina hoe “dépôt de garantie”, na vola antoka, eny fa na ny fiantohana mikasika ny trano fonenana aza
    • Miankina amin'ny faritra misy anao ny fepetra ho an'ity fanampiana ity . Mifandraisa amin’ny manampahefana ara-panjakana eo amin’ny vakim-paritra misy anao izay fantatra amin’ny hoe “conseil général” raha mila fanazavana fanampiny.
  • Raha manan-janaka telo fara fahakeliny ianao ary mbola tsy feno roa taona ny zandriny indrindra, dia mety afaka misitrakany fanampiana amin’ny fifindrana trano avy amin’ny fikambanana izay miandraikitra ny fandoavana ny fanampiana omena ny fianakaviana, izay antsoina hoe “Caisse d’allocations familiales (Caf)”.
  • Raha mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina ianao, ary mampanakaiky anao amin‘ny asanao ilay fifindrana, dia mety hahazo fanampiana ho amin’ny fifindrana noho ny asa ianao. 
  • Raha mpiasam-panjakana ianao, dia afaka mahazo ny fanampiana amin’ny ampahan’ny fandaniana amin’ny fifindrana. Mifandraisa amin‘ny manampahefana izay mampiasa anao raha mila fanazavana fanampiny.
  • Raha efa misotro ronono ianao dia misy fanampiana manokana handoavana ny fandaniana amin’ny fifindrana trano. Mifandraisa amin‘ny birao misahana ny fisotroan-dronononao raha toa ka mahazo amin‘izany ianao.
  • Raha manana fahasembanana ianao dia mety hahazo fanohanana ara-bola andoavana ny lany amin’ny fifindrana raha toa ka mahazo ilay fanampiana antsoina hoe “Prestation de Compensation Handicap (PCH)” ianao. Ny fangatahana dia atao amin’ny fikambanana miandraikitra ny fanampiana ny olona misy fahasembanana eo amin’ny vakim-paritra misy anao, izay antsoina hoe “Maison Départementale des Personnes Handicapées”.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny sampandraharaha “ADIL” dia masoivoho eo an-toerana izay mampahafantatra ny olona mikasika ny zony hahazo trano ary ny vahaolana ho azy ireo.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Misy mpanolotsaina iray afaka mampahafantatra anao sy manampy anao amin'ny fitadiavanao trano fonenana.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’ny masoivoho eny amin’ny faritra misy anao ianao ao amin’ity lahatahiry ity.
  • Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘ny fanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Azonao atao ny maka fotoana handraisana torohevitra manokana araka ny toe-javatra misy anao, ary hanampy anao amin'ny dingana manaraka, toy ny hoe: fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fangatahana trano fonenana, fisoratana anarana any amin'ny birao mikarakara ny olona tsy manana asa any Frantsa “Pôle emploi”, sns.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mangataka fotoana hihaonana amin'ny “travailleur social” miaraka amin’ny
  • Ny "PIMMS Médiation" dia fikambanana mampahafantatra, mitarika na manohana ny fikarakarana taratasy amin'ny sehatra maro: fidirana amin'ny tolotra ho an'ny daholobe, fidirana amin'ny fitsaboana, fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fanambarana hetra, fanambarana ho an'ny “Pôle Emploi”, etc.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: afaka mahita “PIMMS Médiation” eo akaikinao ianao ato amin'ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona manam-pahaizana manan-traikefa.

Mety hahaliana anao koa

Mangataka trano sosialy sy mora any Frantsa

Raha tsy dia manam-bola ianao dia afaka ny mangataka mba hanofa trano izay fantatra amin’ny hoe “log…

Manofa trano manokana any Frantsa

Any Frantsa dia ny fanofana trano manokana no mety ho fomba haingana hitadiavana trano. Hametraka…

Manova ny fifanarahana hanofa niarahana natao tamin‘ny vadinao taloha

Raha nanao sonia fifanarahana hanofa, na “bail”, niaraka amin’ny vadinao taloha ianao, dia tena…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony