Miomana ny hifindra sy hiova adiresy
Mialohan'ny hifindranao amin'ny trano vaovao dia misy dingana maromaro tokony horaisinao manoloana…
Raha nanao sonia fifanarahana hanofa, na “bail”, niaraka tamin’ny vadinao taloha ianao dia tena zava-dehibe tokoa ny manavao ny fifanarahana aorian’ny fisarahanareo raha mandao ny trano ianao. Izany dia hanakana anao tsy ho voafatotra amin‘izay hofan-trano mety tsy ho voaloa. Raha mandao ny trano fonenanao noho ny herisetra ao an-tokantrano ianao, dia mety hahazo fe-potoana fampilazana mialoha fohy kokoa izay tsy maintsy omenao ny tompon-trano.
Nohamarinin‘i Mpisolovava Elodie Ramos tamin’ny 31/01/2024
Ny olana kely any Frantsa, raha manambady ianao na nanao fifanarahana sivily tamin‘ny vadinao, dia didian‘ny lalàna mba hiara-mipetraka amin'ny vadinao.
Raha mandao ny trano ianao kanefa tsy nankatoavin‘ny vadinao, dia mety hangataka onitra izy ireo.
Na izany aza, dia tsy mihatra izany raha toa ka voaporofonao fa herisetra ao an-tokantrano no antony nialanao.
Mialohan’ny handehananao, azonao eritreretina ihany koa ny mangataka ny mpitsara mba handroaka ilay vadinao hiala ny trano, izany dia ao anatin’ny fiarovana araka ny lalàna na “ordonnance de protection”.
Mety ho azonao ao anatin‘ny herinandro farahahabetsany izany fandroahana izany, eny fa na dia misoratra aminy aza ny trano. Na izany aza dia anjaranao amin‘izay ny mandoa ny hofan-trano sy ny lany amin‘ny trano fonenana manomboka eo.
Eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, dia misy ireo safidy ho amin’ny trano fonenana vonjy maika ho anao sy ny zanakao.
Raha manapa-kevitra ny hiala ianao, dia tena tsara tokoa raha manao tatitra mikasika ilay herisetra sy ny fialanao ny trano aloha:
Raha toa ny iray amin’ny mpanofa izay nanao sonia ny “bail” hiala dia zava-dehibe ny fampahafantarana ny tompon-trano mikasika izany fanovana izany.
Araho noho izany ireto dingana ireto:
Indraindry ny tompon-trano tsy manaiky hanova ny “bail” raha toa ka tsy voasonian’ilay olona ho esorina amin’ilay fifanarahana ilay fangatahana.
Raha nandao niala ny trano ny vadinao taloha, ary tsy mety manao sonia dia mety mila didy avy any amin’ny mpitsara ianao mba hahafahana mahazo fanampiana mikasika ilay “bail”. Ohatra, raha nahazo fiarovana araka ny lalàna na “ordonnance de protection” ianao dia azonao omena ilay antontan-taratasy voasonianny mpitsara mba hanovana ilay fifanarahana hanofa.
Raha toa ka tsy mety manome anao ny “avenant” mikasika ilay fifanarahana ilay tompon-trano, ary mila mahazo fanapahan-kevitra avy amin’ny fitsarana ianao dia tena tsara kokoa raha manakarama mpisolovava.
Nandoa vola angamba ianao rehefa niditra voalohany tao amin’ilay trano, izay fantatra amin'ny anarana hoe antom-bola na “dépôt de garantie”.
Amin’ny ankapobeny dia haverin’ny tompon-trano aminao io vola io rehefa tapaka ilay “bail”.
Midika izany fa raha mijanona ao amin‘ilay trano ny vadinao taloha dia mety tsy ho azonao eo noho eo iny vola iny.
Ampahafantaro mikasika izany an-tsoratra ilay tompon-trano mba hahazoana antoka fa homeny anao ny anjaranao amin’ilay antom-bola na “dépôt de garantie” rehefa mandao miala ilay toerana ny vadinao taloha.
Manana fe-potoana ara-dalàna ianao eo anelanelan'ny fotoana nampandrenesanao ny tompon-trano momba ny fanapahana ny fifanarahana hanofa na ny “bail”, sy ny fotoana tena itsaharan’izany.
Io fe-potoana io no fantatra amin’ny hoe fe-potoana fampilazana mialoha na “délai de préavis”.
Raha ny mahazatra dia telo volana izy io, fa azo afohezina ho iray vola amin‘ireto toe-javatra manaraka ireto:
Raha tsy ao anatin'ny iray amin'ireo toe-javatra ireo ianao dia mbola afaka manandrana mifampiraharaha fe-potoana fohifohy kokoa amin'ny tompon-trano raha tianao Izany dia ahafahanao miala haingana kokoa ary tsy mila mandoa ny hofan-trano mandritra ny telo volana.
Tsy maintsy mandefa taratasy any amin'ny tompon-trano nosoniavin'ny mpanofa roa tonta ianao mba hanapahana ny “bail” (modely).
Ataovy azo antoka ny mamaritra ny fe-potoana fampilazana mialoha na “délai de préavis” izay mihatra aminao, ary raha toa ianao ka manan-jo hahazo fe-potoana fampilazana mialoha fohy kokoa izay iray volana fotsiny.
Alefaso amin’ny paositra voasoratra anarana ary voarakitra fa lasa na “lettre recommandée avec accusé de réception”. Izay no hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.
Ny sampandraharaha “ADIL” dia masoivoho eo an-toerana izay mampahafantatra ny olona mikasika ny zony hahazo trano ary ny vahaolana ho azy ireo.
Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘ny fanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.
Ny "PIMMS Médiation" dia fikambanana mampahafantatra, mitarika na manohana ny fikarakarana taratasy amin'ny sehatra maro: fidirana amin'ny tolotra ho an'ny daholobe, fidirana amin'ny fitsaboana, fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fanambarana hetra, fanambarana ho an'ny “Pôle Emploi”, etc.
Miomana ny hifindra sy hiova adiresy
Mialohan'ny hifindranao amin'ny trano vaovao dia misy dingana maromaro tokony horaisinao manoloana…
Manofa trano manokana any Frantsa
Any Frantsa dia ny fanofana trano manokana no mety ho fomba haingana hitadiavana trano. Hametraka…
Mangataka trano sosialy sy mora any Frantsa
Raha tsy dia manam-bola ianao dia afaka ny mangataka mba hanofa trano izay fantatra amin’ny hoe “log…