Zo hipetraka eo an-toerana ho an‘ny vadin‘olona izay misitraka fiarovana iraisam-pirenena ary niharan‘ny herisetra tao an-tokantrano

Ny vadin‘olona izay misitraka fiarovana iraisam-pirenena dia afaka mitazona ny zony hipetraka eo an-toerana rehefa tsy miara-mipetraka amin'ny vadiny intsony izy ireo, raha toa ka niharan‘ny herisetra an-tokantrano izy.

Nohamarinin’ny FNCIDFF tamin’ny 06/10/2023

Fepetra

Tsy maintsy mahafeno ireto fepetra roa ireto ianao:

  • Manana fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” ianao, amin’ny maha vadin’ny olona mpisitraka fiarovana iraisam-pirenana, na ny vadinao:
    • mpitsoa-ponenana
    • mahazo fiarovana manokana na “protection subsidiaire
    • na tsy manan-tanindrazana na “apatride”.
  • Niaina herisetra tao an-tokantrano na herisetra natao amin’ny fianakaviana ianao hatramin’ny nahatongavanao tao Frantsa ary tsy miara-miaina amin’ny vadinao intsony.

Lalàna manan-kery Andininy L.424–7, L.424–16 ary L-424-20 ao amin’ny “CESEDA”.

Porofo omena

Mila manome porofo momba ny herisetra ianao amin'ny fotoana hametrahana ny fangatahana.

Ny tomponandraikim-panjakana frantsay eo an-toerana misahana ny fandinihina ny fangatahana fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana fantatra amin’ny hoe “préfecture” no handinika ny porofo mialohan’ny hanapahany hevitra raha hekena ny fangatahanao na tsia.

Inona no porofo tokony homeko?

Azo porofoina amin’ny fomba rehetra ny herisetra.

Angony izay porofo rehetra ao amin'ny rakitrao izay mety ilaina, ohatra:

  • ny taratasy nomena taorian'ny fametrahana fitoriana ofisialy, fantatra amin'ny anarana hoe rosian’ny fitoriana na “récipissé de plainte
  • taratasy ofisialy mitatitra ny herisetra amin'ny polisy, fantatra amin'ny anarana hoe rakitatitra na “main courante
  • fanambarana ataon‘ny vavolombelona
  • taratasy fanamarinana ny fitsaboana.
  • taratasy manaporofo fa manampy anao ny fikambanana mpanao asa soa, na “association” izay miompana manokana amin’ny fanohanana ireo olona niatrika herisetra ao an-tokantrano
  • ny firaketana ny fanamelohana sazin'ilay mpanao herisetra, na sazy hafa ankoatra ny fanenjehana
  • ny fisaraham-panambadiana noho ny hadisoana antsoina hoe “divorce pour faute” mikasika ny herisetra ao an-tokantrano
  • izay porofo hafa rehetra eritreretinao.

Ny “préfecture” dia tsy manana zo hangataka karazana porofo manokana momba ny herisetra. Noho izany dia tsy azony atao ny hoe mandà ny fangatahanao noho ny tsy fisian'ny porofo manokana.

Karazana “titre de séjour” na fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana omena

  • Tsy azo esorina ny kara-ponenanao na “carte de résident” raha toa ka miala mandao ny vadinao ianao ary niharan’ny herisetra tao an-tokantrano.

    Rehefa lany daty ilay izy dia azo havaozina izany na dia tsy mahafeno ny fepetra omena mba hahazoana izany tany am-boalohany aza ianao.

  • Tsy azo esorina ny kara-ponenanao na “carte de résident” raha toa ka miala mandao ny vadinao ianao ary niharan’ny herisetra tao an-tokantrano.

    Rehefa lany daty ilay izy, dia tsara kokoa raha mifandray amin‘ny fikambanana mpanao asa soa fantatra amin‘ny hoe “association” ianao mba hanampy anao hahita hoe iza amin’ireo zo ahafahana mipetraka eo an-toerana no azonao sitrahana, miankina amin’ny toe-javatra misy anao.

    Raha efa nametraka fitoriana an‘ilay mpanao herisetra ianao ary mbola an-dalana ny raharaham-pitsarana dia tokony hampilaza ny “préfecture” ianao rehefa manao fangatahana ho fanavaozana. Mety hihevitra izany izy ireo rehefa mandinika ny fangatahanao, na dia tsy takian‘ny lalàna aza izany.

Teratany alzeriana

Amin'ny ankapobeny, tsy mihatra amin'ny olona manana zom-pirenena Alzeriana ireo fepetra ireo satria fehezin'ny fifanarahana roa tonta ny satan'ny fifindra-monina misy azy any Frantsa.

Na izany aza, ny tomponandraikim-panjakana frantsay eo an-toerana misahana ny fanadihadiana ny fangatahana “titre de séjour”, izay fantatra amin’ny hoe “préfecture”, dia mety mbola hanapa-kevitra ny hamela anao hisitraka amin'izany raha toa ka niharan’ny herisetra tao an-tokantrano ianao.

Noho izany dia tsara tokoa raha asongadina fa niharan‘ny herisetra tao an-tokantrano ianao ka manome porofo hanohanana ny fangatahanao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampahafantatra anao sy hanohana anao mandritra ny dingana arahina ara-panjakana mifandraika amin'ny zo ipetrahana any Frantsa, ary hitarika anao any amin'ny sampan-draharaha hafa, arakaraka ny toe-javatra misy anao manokana.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy ary Espaniola.
    • Fifandraisana:
      • raha tsy misy fotoana nalaina tany amin’ny ivon-toerana akaiky anao
      • amin’ny telefaonina amin’ny 01 40 08 05 34 or 06 77 82 79 09 ny alarobia 9:30 maraina hatramin’ny 1:30 hariva ary manomboka amin’ny 2:30 hariva hatramin’ny 5:30 p.m.
  • Gisti” dia fikambanana mifantoka manokana amin’ny fanomezana torohevitra mikasika ny lalàna ho an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana any Frantsa.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampilaza anao momba ny zonao mifandraika amin'ny zo ipetraka ara-dalana eo an-toerana izy ireo, ary hanazava ny fomba hahazoana izany.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana:
      • Amin’ny telefaonina amin’ny +331 84 60 90 26 ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka ny amin’ny 3 hariva hatramin’ny 6 hariva, ary koa amin’ny 10 maraina hatramin’ny 12 atoandro ny alarobia sy ny zoma. Indraindray mety be mpiantso be ao dia aza kivy. Mora kokoa indraindray ny miantso azy ireo amin‘ny harivariva .
      • Amin’ny alalan’ny paositra amin’ny “Gisti, 3 villa Marcès 75011 Paris, France”. Ataovy printy dia fenoy ity taratasy ity ary ampidiro ao amin’ny taratasinao miaraka amin’ny dika mitovy ny antontan-taratasy izay mety ilaina. Aza adinoina ny mamaritra mazava araka izay azo atao ny fanontanianao, ao anatin'izany ny zava-drehetra mety hanampy ny mpanolotsaina “Gisti” hahatakatra ny toe-javatra misy anao.
  • Ny “Associations” dia ireo fikambanana izay manome tolotra isan-karazany. Manampahaizana manokana amin‘ny fifindra-monina ny sasany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao ny zonao any Frantsa izy ireo ary indraindray manohana anao amin‘ny dingana arahina raha hifindra-monina.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mitady izany isaky ny faritra sy ny vakim-paritra amin’ity lahatahiry ity.
  • Ireo fikambanana nahazo alalana na “associations habilitées” no afaka manome tolotra avo lenta manokana ho an’ireo mpitady fialokalofana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao mikasika ny zonao, manoro hevitra anao, manampy anao amin’ireo dingana ara-taratasy karakaraina ary miaraka aminao rehefa mihaona amin’ny Birao Frantsay Miaro ny Mpitsoa-ponenana sy ny tsy manan-tanindrazana na “Office français de la protection des réfugiés et des apatrides (OFPRA)”.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina, azo asiana fandikan-teny am-bava.
    • Fifandraisana: afaka mahita “associations habilitées” manakaiky anao ianao ato amin’ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa

Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony