Zo hipetraka eo an-toerana ho an‘ny olona manambady teratany frantsay ary izay niharan‘ny herisetra ao an-tokantrano na anaty rafitra manana vady maro.

Ny olona manambady teratany frantsay ary tonga any Frantsa na manana zo hipetraka any Frantsa noho ny fanambadiany, dia afaka mitazona ny zony hipetraka any an-toerana raha tsy miara-mipetraka amin'ny vadiny intsony izy ireo satria niharan‘ny herisetra tao an-tokantrano, na anaty rafitra manana vady maro.

Nohamarinin’ny FNCIDFF tamin’ny 06/10/2023

Fepetra

Mila mahafeno fepetra roa ianao:

  • Tonga teto Frantsa ianao na nahazo zo hipetraka eto Frantsa satria noho ny mariazinao sivily tamin’ny olona teratany frantsay izany hoe “conjoint de Français”.
  • Nony tonga tany Frantsa ianao dia niaina herisetra tao an-tokantrano na nahita fa tafiditra amin’ny rafitra manana vady maro.

Lalàna manan-kery Andininy L.423–5 ao amin’ny “CESEDA”.

Porofo omena

Tsy maintsy manome porofo mikasika ny herisetra ao an-tokantrano na rafitra vady maro ianao rehefa manao fangatahana.

Ny tompon‘andraikitra frantsay eto an-toerana misahana ny fanadihadiana ny fangatahana fahazoan-dalana ipetraka na “titre de séjour”, fantatra amin’ny hoe “préfecture” dia handinika ny porofo, mialohan'ny hankatoavana ny fangatahanao na tsia.

Inona ny porofo tokony omena raha trangana herisetra? ilay izy

Azo porofoina amin’ny fomba rehetra ny herisetra.

Angony izay porofo rehetra ao amin'ny rakitrao izay mety ilaina, ohatra:

  • ny taratasy nomena taorian'ny fametrahana fitoriana ofisialy, fantatra amin'ny anarana hoe rosian’ny fitoriana na “récipissé de plainte
  • taratasy ofisialy mitatitra ny herisetra amin'ny polisy, fantatra amin'ny anarana hoe rakitatitra na “main courante
  • fanambarana ataon‘ny vavolombelona
  • taratasy fanamarinana ny fitsaboana.
  • taratasy manaporofo fa manampy anao ny fikambanana mpanao asa soa, na “association” izay miompana manokana amin’ny fanohanana ireo olona niatrika herisetra ao an-tokantrano
  • ny firaketana ny fanamelohana sazin'ilay mpanao herisetra, na sazy hafa ankoatra ny fanenjehana
  • ny fisaraham-panambadiana noho ny hadisoana antsoina hoe “divorce pour faute” mikasika ny herisetra ao an-tokantrano
  • izay porofo hafa rehetra eritreretinao.

Ny “préfecture” dia tsy manana zo hangataka karazana porofo manokana momba ny herisetra. Noho izany dia tsy azony atao ny hoe mandà ny fangatahanao noho ny tsy fisian'ny porofo manokana.

Inona ny porofo tokony omena raha trangana fananana vady maro any Frantsa?

Any Frantsa dia azo porofoina amin‘ny fomba rehetra ny fananana vady maro, toy ny:

  • antontan-taratasy momba ny sata sivily na bokin‘ny soram-piankohonana manaporofo ny fanambadiana hafa
  • antontan-taratasy manaporofo fa misy olon-kafa miara-mipetraka aminao sy ny vadinao, ohatra; faktiora amin'ny anarany miaraka amin'ny adiresy mitovy amin'ny faktiora amin'ny anaranao
  • antontan-taratasy manaporofo ny fahaterahan'ny zaza avy amin'ny fanambadiana roa tonta ary miara-mipetraka amin'ny reniny ao an-tokantranonao izy ireo.

Karazana “titre de séjour” na fahazoan-dalana omena mba ipetrahana eo an-toerana

  • Manana zo hahazo kara-ponenana vonjimaika na “carte de séjour temporaire” ianao izay milaza hoe “vie privée et familiale” na fiainana manokana sy fianakaviana. Manan-kery mandritra ny herintaona izany. Ahafahanao miasa izany.

  • Azonao atao ny mitazona ny “titre de séjour”-nao ary hanavao izany raha toa ka mbola mahafeno ny fepetra ahafahanao mahazo izany ianao, raha tsy hoe tsy maintsy miara-mipetraka amin'ilay vadinao ianao, ary raha azonao atao ny manaporofo fa misy herisetra.

    Midika izany fa raha mbola mivady ianareo, ohatra raha mbola tsy nankatoavin’ny mpitsara ny fisaraham-panambadianao, dia tokony ho afaka hanavao ny “titre de séjour”-nao ianao, eny fa na dia tsy miara-miaina amin’ilay vadinao intsony aza ianao.

    Raha efa nametraka fitoriana an‘ilay mpanao herisetra ianao, ary mbola an-dalana ny raharaham-pitsarana dia tokony hampilaza ny “préfecture” ianao rehefa manao fangatahana ho fanavaozana. Mety hihevitra izany izy ireo rehefa mandinika ny fangatahanao, na dia tsy voafaritry ny lalàna aza izany.

  • Raha nipetraka tany Frantsa nandritra ny dimy taona ianao fara fahakeliny, na telo taona amin'ny tranga sasany, dia azonao atao ny mangataka “carte de résident” raha toa ka mahafeno fepetra sasany. Te hahafantatra bebe kokoa

Teratany alzeriana

Amin'ny ankapobeny, tsy mihatra amin'ny olona manana zom-pirenena Alzeriana ireo fepetra ireo. Raha manana zom-pirenena Alzeriana ianao, ny satan'ny fifindra-monina misy anao any Frantsa dia fehezin'ny fifanarahana roa tonta izay tsy mihatra amin‘izany toe-javatra izany.

Na izany aza, ity fifanarahana ity dia milaza fa ny fanomezana voalohany ny “titre de séjour”-nao amin’ny mahavadin’ny olona teratany frantsay anao na “conjointe de Français”, dia tsy mila manome porofo ianao fa miara-mipetraka amin’ny vadinao.

Raha tsy niara-nipetraka amin’ny vadinao intsony ianao satria niharan’ny herisetra tao an-tokantrano mialohan’ny nahazoanao ny fahazoan-dalana eo an-toerana na “titre de séjour” voalohany izay fantatra amin’ny hoe fanamarinam-ponenana alzeriana na “certificat de résidence algérien”, ny tompon‘andraikim-panjakana frantsay eo an-toerana misahana ny fanadihadiana ny fangatahana famoahana ny fahazoan-dalana mba ipetrahana eo an-toerana antsoina hoe “préfecture” dia mila manome anao ilay taratasy fanamarinana. Lalàna manan-kery Andininy faha-6.2 amin'ny Fifanarahana natao teo amin‘ny Frantsa sy Alzeria ny 27 Desambra 1968 araka ny fanitsiana natao.

Raha toa ilay fiaraha-mipetraka ka niato taorian’ny famoahana voalohany ilay “titre de séjour”, ny “préfecture” dia mety mbola hanaiky ny fanavaozana ny “titre de séjour”-nao, ka hihevitra akaiky ilay trangana herisetra.

Noho izany dia tsara tokoa raha asongadina fa niharan‘ny herisetra tao an-tokantrano ianao, ka manome porofo hanohanana ny fangatahanao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampahafantatra anao sy hanohana anao mandritra ny dingana arahina ara-panjakana mifandraika amin'ny zo ipetrahana any Frantsa, ary hitarika anao any amin'ny sampan-draharaha hafa, arakaraka ny toe-javatra misy anao manokana.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy ary Espaniola.
    • Fifandraisana:
      • raha tsy misy fotoana nalaina tany amin’ny ivon-toerana akaiky anao
      • amin’ny telefaonina amin’ny 01 40 08 05 34 or 06 77 82 79 09 ny alarobia 9:30 maraina hatramin’ny 1:30 hariva ary manomboka amin’ny 2:30 hariva hatramin’ny 5:30 p.m.
  • Gisti” dia fikambanana mifantoka manokana amin’ny fanomezana torohevitra mikasika ny lalàna ho an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana any Frantsa.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampilaza anao momba ny zonao mifandraika amin'ny zo ipetraka ara-dalana eo an-toerana izy ireo, ary hanazava ny fomba hahazoana izany.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana:
      • Amin’ny telefaonina amin’ny +331 84 60 90 26 ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka ny amin’ny 3 hariva hatramin’ny 6 hariva, ary koa amin’ny 10 maraina hatramin’ny 12 atoandro ny alarobia sy ny zoma. Indraindray mety be mpiantso be ao dia aza kivy. Mora kokoa indraindray ny miantso azy ireo amin‘ny harivariva .
      • Amin’ny alalan’ny paositra amin’ny “Gisti, 3 villa Marcès 75011 Paris, France”. Ataovy printy dia fenoy ity taratasy ity ary ampidiro ao amin’ny taratasinao miaraka amin’ny dika mitovy ny antontan-taratasy izay mety ilaina. Aza adinoina ny mamaritra mazava araka izay azo atao ny fanontanianao, ao anatin'izany ny zava-drehetra mety hanampy ny mpanolotsaina “Gisti” hahatakatra ny toe-javatra misy anao.
  • Ny “Associations” dia ireo fikambanana izay manome tolotra isan-karazany. Manampahaizana manokana amin‘ny fifindra-monina ny sasany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao ny zonao any Frantsa izy ireo ary indraindray manohana anao amin‘ny dingana arahina raha hifindra-monina.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mitady izany isaky ny faritra sy ny vakim-paritra amin’ity lahatahiry ity.
  • Ireo fikambanana nahazo alalana na “associations habilitées” no afaka manome tolotra avo lenta manokana ho an’ireo mpitady fialokalofana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao mikasika ny zonao, manoro hevitra anao, manampy anao amin’ireo dingana ara-taratasy karakaraina ary miaraka aminao rehefa mihaona amin’ny Birao Frantsay Miaro ny Mpitsoa-ponenana sy ny tsy manan-tanindrazana na “Office français de la protection des réfugiés et des apatrides (OFPRA)”.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina, azo asiana fandikan-teny am-bava.
    • Fifandraisana: afaka mahita “associations habilitées” manakaiky anao ianao ato amin’ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa

Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony