Vantany vao nofenoin’ny dokoteranao ilay taratasy dia tsy maintsy alefa paositra any amin’ny dokotera eo anivon’ny “OFII” ilay antontan-taratasy, izay ampiarahana amin’izay antontan-taratasy fitsaboana ilaina rehetra.
Matetika ny dokotera no mandefa ny taratasy sy ny taratasy nofenoina, fa indraindray dia asainy alefanao izany.
Avy eo ny dokotera eo anivon‘ny “OFII” dia hamoaka tatitra ara-pitsaboana.
- Raha ilaina dia hangataka ny hihaona aminao izy ireo ka handefa taratasy antsoina hoe fiantsoana na “convocation” ka hilaza ny toerana sy ny andro ary ny ora hanaovana ny fihaonana.
- Mety hifandray aminao koa izy ireo mba hahazoana antontan-taratasy fanampiny.
- Tena ilaina ny handefasanao ho azy ireo ny valinteninao voalohany ao anatin'ny 15 andro, na dia mbola tsy voangonao daholo aza ny antontan-taratasy nangatahana.
Ary farany, ny tatitra ara-pitsaboana nomen’ny dokotera eo anivon’ny “OFII” dia halefa any amin’ny sampan-draharahan‘ny fitsaboana eo anivon’ny “OFII” izay hamoaka ny heviny ary handefa izany any amin’ny “préfecture” ao anatin’ny telo volana.
Ny “préfecture” dia afaka ny hamaly ny fangatahanao. Tsy voatery hanaraka ny torohevitry ny “OFII” izy.