Amin'ny ankapobeny, tsy mihatra amin'ny olona manana zom-pirenena Alzeriana ireo fepetra ireo satria fehezin'ny fifanarahana roa tonta ny satan'ny fifindra-monina misy azy any Frantsa.
Raha tsy niara-nipetraka amin’ny vadinao intsony ianao satria niharan’ny herisetra tao an-tokantrano, ny tompon‘andraikim-panjakana frantsay eo an-toerana misahana ny fanadihadiana ny fangatahana fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana, izay fantatra amin’ny hoe “préfecture”, dia mety hamoaka na hanavao ny “titre de séjour”-nao, noho ny toe-javatra misy anao.
Noho izany, tsara tokoa raha asongadina fa niharan‘ny herisetra tao an-tokantrano ianao ka manome porofo hanohanana ny fangatahanao.