Makà fifanaraham-piantohana ara-pahasalamana tsy miankina izay antsoina hoe “mutuelle

Mba hamerenana ny vola laninao tamin’ny fitsaboana, dia tsara kokoa raha maka fifanaraham-piantohana ara-pahasalamana tsy miankina izay fantatra amin’ny hoe “mutuelle”. Mifameno amin’ny rafi-piantohana ara-pahasalamana miankina amin‘ny fanjakana izay fantatra amin‘ny hoe “Protection universelle maladie”, antsoina koa hoe fiahiana ara-tsosialy na “sécurité sociale” izany.

Nohamarinin‘i Comede ny 31/05/2023

Ahoana ny fomba fiasan‘izy io?

Any Frantsa, ny “mutuelle” dia fifanaraham-piantohana ara-pahasalamana tsy miankina, izay mamerina ny vola rehetra, na ny ampahany tamin‘izay lany tamin‘ny fitsaboana, ary tsy sahanin‘ny rafi-piantohana ara-pahasalamanan‘ny fanjakana antsoina hoe “Protection universelle maladie”, fantatra amin’ny hoe “sécurité sociale”.

Azonao atao ny maka fifanaraham-piantohana “mutuelle” ho an’ny tsirairay, ka mampiditra olona ao amin'ny fianakavianao raha tianao, ohatra hoe ny zanakao.

Tsy maintsy mandoa sarany isam-bolana ianao, ary eo anelanelan'ny EUR 30 sy EUR 100 isam-bolana izany, amin'ny ankapobeny.

Raha toa ka tsy dia manam-bola ianao dia mety handray soa amin’ilay “Complémentaire santé solidaire (CSS)”, izay “mutuelle” maimaimpoana na tsy dia lafo izay vatsian’ny fanjakana vola.

Iza no afaka mahazo izany?

Raha ohatra ianao ka voasoratra anarana ao amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana an'ny fanjakana izay antsoina hoe “Protection universelle maladie (Puma)” (fantatra koa amin'ny hoe “sécurité sociale”) dia afaka maka fifanaraham-piantohana fanampiny na “mutuelle”.

Azonao atao ihany koa ny mifandray amin'ireo fikambanana manolotra “mutuelles”, mba hahitana raha manaiky famandrihana avy amin'ny olona tsy manana fiahiana ara-tsosialy na “sécurité sociale” izy ireo.

Ahoana ny fanaovana ny fangatahana

Orinasa maro no manolotra “mutuelles”. Tsara ny mampitaha tolotra maromaro alohan'ny hisafidianana izay mety aminao amin'ny fampitahana ny sarany sy ny antoka famerenam-bola.

  • Raha miasa any Frantsa ianao dia tsy maintsy manome anao “mutuelle” ho an’ny mpiasa ny orinasa iasanao. Azonao antontaniana ny mpampiasa anao hoe inona avy ireo fepetra takiana, mba ho afaka hisitraka an'izany. Ny orinasa amin'ny ankapobeny dia miantoka ny ampahany amin'ny saran'ny “mutuelle”.
  • Ny “mutuelles” sasany dia manome tolotra mora azo, izay ahafahanao manampy na manala ny fiantohana araka ny filanao.

Rehefa avy nisafidy ny “mutuelle” tinao, izay misy fiantohana mazava ianao, dia mila manao sonia fifanarahana. Hilaza aminao ireo dingana tokony arahina sy ny antontan-taratasy ilaina ny orinasa, ao anatin’izany ny antontan-taratasy mombamomba ny banky antsoina hoe “relevé d’identité bancaire (RIB)” mba handraisanao mivantana ny vola averina any amin’ny kaontinao.

Aorian‘ny fangatahana

Aorian'ny fisoratanao anarana diany “mutuelle” no hampilaza ny fikambanana izay misahana ny fiantohana ara-pahasalamananao, izay fantatra amin’ny anarana hoe “caisse d’assurance maladie”, raha voasoratra ao ny anaranao. Azonao atao ny manamarina ao amin'ny kaontinao ameli.fr hoe mbola mifandray amin’ny kaontinao ve ny “mutuelle” anao.

Amin'ny ankapobeny, dia hisy hafatra mandeha ho azy avy any amin‘ ny “caisse d’assurance maladie”, mba hampandre ny “mutuelle” anao, mikasika ny saram-pitsaboana izay tsy mbola voaloa, ary mandray soa avy amin‘izany ianao. Midika izany fa:

  • Tsy mila manao dingana fanampiny ianao.
  • Raha vantany vao maharay ny fampilazana ny “mutuelle” dia haveriny ny vola laninao tamin’ny fitsaboana hatramin'ny fetran'ny antoka voarakitra ao amin'ny fifanarahana.
  • Ho voarainao mivantana any amin‘ny kaonty bankinao ilay vola averina.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny "PIMMS Médiation" dia fikambanana mampahafantatra, mitarika na manohana ny fikarakarana taratasy amin'ny sehatra maro: fidirana amin'ny tolotra ho an'ny daholobe, fidirana amin'ny fitsaboana, fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fanambarana hetra, fanambarana ho an'ny “France Travail”, sns.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: afaka mahita “PIMMS Médiation” eo akaikinao ianao ato amin'ity lahatahiry ity.
  • Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘ny fanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Azonao atao ny maka fotoana handraisana torohevitra manokana araka ny toe-javatra misy anao, ary hanampy anao amin'ny dingana manaraka, toy ny hoe: fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fangatahana trano fonenana, fisoratana anarana any amin'ny birao mikarakara ny olona tsy manana asa any Frantsa “France Travail”, sns.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mangataka fotoana hihaonana amin'ny “travailleur social” miaraka amin’ny

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Misorata anarana amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana na “sécurité sociale

Raha manana asa matotra na mipetraka maharitra any Frantsa ianao dia manan-jo hiantoka ny…

Mahazo fikarakarana: fahasalamana ara-batana, ara-nofo ary ara-tsaina

Mety hisy voka-dratsy lehibe amin‘ny fahasalamanao ny herisetra ao an-tokantrano. Any Frantsa dia…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony