Misorata anarana amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana na “sécurité sociale”
Raha manana asa matotra na mipetraka maharitra any Frantsa ianao dia manan-jo hiantoka ny…
Raha ohatra ianao ka kely vola, na tsy manana mihintsy sady tsy voasoratra ao anatin’ny rafi-piantohana ara-pahasalamana miankina amin‘ny fanjakana, izay fantatra amin'ny anarana hoe fiahiana ara-tsosialy na “sécurité sociale”, dia azonao atao ny mangataka “Complémentaire santé solidaire (CSS)”. Miantoka ny fandaniana ara-pahasalamana izay tsy voaloa tanteraka ao anatin‘ny fiahiana ara-tsosialy izany.
Nohamarinin‘i Comede ny 31/05/2023
Ny fiantohana ara-pahasalamana fanampiny fantatra amin'ny anarana hoe “Complémentaire santé solidaire (CSS)” dia miantoka fa:
Miankina amin'ny volanao dia afaka mahazo “CSS” ianao:
Fanamarihana: ny “CSS” dia nisolo ny rafitra “Couverture maladie universelle complémentaire (CMU-C)”.
Raha te ho voaray, ny fepetra fototra dia:
Midira amin’ny kaontinao ameli.fr dia safidio ny “Mes démarches > Faire une demande de Complémentaire santé solidaire”, dia araho ny torolàlana.
Rehefa vita ny fisoratana anarana dia hahazo mailaka fanamafisana ao amin'ny kaontinao Ameli ianao.
Alaivo ary fenoy ao amin’ny taratasy fangatahana.
Ampiaraho amin‘ireo antontan-taratasy nangatahana ilay taratasy.
Afaka manatitra izany mivantana any amin’ny birao fandraisan’olona ny fikambanana izay mikarakara ny fiantohana ara-pahasalamananao miankina amin’ny fanjakana ianao, na koa hoe “caisse d’assurance maladie”, na handefa izany amin’ny alalan’ny paositra. Raha tsy hainao ny “caisse d’assurance maladie” anao dia azonao atao ny mifandray amin’ny “Caisse Primaire d’Assurance Maladie (CPAM)” akaiky anao raha te hahafantatra bebe kokoa. Ny antsipirian'ny fifandraisana dia azonao jerena ao amin’ity tranonkala ity.
Raha alefanao paositra ny fangatahanao dia alefaso amin‘ny alalan‘ny paositra izany na “lettre recommandée avec accusé de réception”, izay hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.
Rehefa voaray ny fangatahanao dia manana roa volana ny “caisse d’assurance maladie” anao hikarakarana ny fangatahanao sy hampahafantatra anao ny fanapahan-keviny.
Hampahafantariny anao amin'ny alàlan'ny paositra ny fanapahan-keviny.
Miankina amin'izay valiny azonao dia izao no azonao atao:
Ny “Comede” dia fikambanana manampy ny mpifindra monina sy ny mpitsoa-ponenana hahazo fikarakarana ara-pahasalamana.
Ny "PIMMS Médiation" dia fikambanana mampahafantatra, mitarika na manohana ny fikarakarana taratasy amin'ny sehatra maro: fidirana amin'ny tolotra ho an'ny daholobe, fidirana amin'ny fitsaboana, fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fanambarana hetra, fanambarana ho an'ny “France Travail”, sns.
Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘nyfanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.
Misorata anarana amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana na “sécurité sociale”
Raha manana asa matotra na mipetraka maharitra any Frantsa ianao dia manan-jo hiantoka ny…
Makà fifanaraham-piantohana ara-pahasalamana tsy miankina antsoina hoe “mutuelle”
Mba hamerenana ny vola laninao tamin’ny fitsaboana dia tsara kokoa raha maka fifanaraham-piantohana…
Mahazo fikarakarana: fahasalamana ara-batana, ara-nofo ary ara-tsaina
Mety hisy voka-dratsy lehibe amin‘ny fahasalamanao ny herisetra ao an-tokantrano. Any Frantsa dia…