Mametraka paikady fiarovana rehefa mbola miara-mipetraka
Noho ny antony samihafa dia mety ho tsy afaka miala amin‘ny vadinao na ny trano iarahanareo…
Mandritra ny fisarahana sy aorian‘ny fisarahanareo, ny vadinao na vadinao taloha dia mety hanandrana hanara-maso ny fitaovana elektronika
sy kaontinao amin‘ny aterineto mba hahazoany mifehy anao kokoa. Mety ho tena mampatahotra izany saingy misy ny vahaolana.
Nohamarinin’i Scarlet Dawson tamin’ny 31/05/2023
Fihetsika iray mampatahotra ataona mpanao herisetra maro ny fanaraha-maso ny fitaovana elektronika sy kaonty amin‘ny aterineton‘ny vadiny na ny vadiny taloha.
Ny fitaovana tena voaara-maso matetika indrindra dia ny:
Ny teknolojia fampiasa matetika dia ny GPS sy ny rindrambaiko mpitsikilo ny zavatra ataonao.
Raha mieritreritra ianao fa misy manara-maso ny fitaovana elektronika sy ny kaontinao amin‘ny aterineto, dia amporisihina ianao hanao ireto manaraka ireto.
Zava-dehibe ny fitandremana satria mety ho tsapan‘ny vadinao na ny vadinao taloha fa manao izany fanovana izany ianao, indrindra raha mbola miara-mipetraka ianareo:
Mitandrema: mety ho tsapan‘ny vadinao na ny vadinao taloha avy hatrany fa manao izany fanovana izany ianao.
Raha ahianao fa hampitombo ny risika amin‘ny fiarovana anao izany, dia amporisihina ny hifandraisanao amin‘ny polisy na fikambanana manome tolotra maimaimpoana fantatra amin‘ny hoe "association" izay miompana amin’ny fanampina olona miatrika herisetra ao an-tokantrano. Afaka hanoro hevitra anao amin‘ny dingana arahina izy ireo.
Ovao daholo ny tenimiafin‘ny kaontinao ary hamarino fa tsy mifandray an-drohy amin‘ny kaontinao ny vadinao na ny vadinao taloha:
Tsy lisitra feno io. Aorian‘ny fisarahanareo dia amporisihina ny hanamarina ianao fa efa voaovanao isaky ny mampiasa kaonty amin‘ny aterineto ny tenimiafinao.
Aza alefa ny fanomezan-dalana hamantatra ny toerana misy anao amin‘ny rindranasa rehetra ao amin‘ny fitaovana ampiasainao:
Rehefa amin‘ny tranga sasany, na rehefa tsy mahatsiaro ho voaaro ianao, dia amporisihina ny fividianana fitaovana vaovao raha azo atao. Aza averina amin‘ny laoniny ny fikirana tamin‘ny fitaovana nampiasainao taloha fa mety hamerina hametraka ilay rindrambaiko mpitsikilo indray izany
Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.
Ny anjara asan‘ny polisy dia miantoka ny fiarovana ny olona rehetra, na ahoana na ahoana toerana misy azy, na dia olona tsy manana zo honina eo an-toerana aza. Ny polisy iray dia ho afaka hanoro hevitra anao sy hanome fanampiana anao 24 ora isan‘andro, 7 andro isan-kerinandro. Fomba efatra lehibe no ahafahanao mifandray amin‘ny polisy:
Ny “Associations” dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.
Mametraka paikady fiarovana rehefa mbola miara-mipetraka
Noho ny antony samihafa dia mety ho tsy afaka miala amin‘ny vadinao na ny trano iarahanareo…
Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay
Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…
Mangataka ny mpitsara handrara ny vadinao taloha hanatona anao
Raha heverinao fa atahorana hiharan'ny herisetra bebe kokoa ianao sy/na ny zanakao, dia afaka…