Fanapahana ny fiaraha-mipetraka sivily frantsay na "Pacte civil de solidarité (Pacs)"

Raha toa ianao ka manao fiaraha-mipetraka sivily frantsay na “Pacte civil de solidarité (Pacs)” ary te hanapaka izany dia mazàna vetivety ny fanaovana izany. Tsy voatery mila ny faneken‘ny vadinao “Pacs” ianao.

Nohamarinin‘i Mpisolovava Elodie Ramos tamin’ny 31/01/2024

Hanapaka ny "Pacs"

Raha toa ianao ka nanao sonia fiaraha-mipetraka sivily araka ny lalàna frantsay na ny “Pacte civil de solidarité (Pacs)” ka nisaraka ianareo, dia tsara kokoa raha faranana amin’ny fomba ofisialy izany fifanekena izany.

Ny fanafoanana ny fiaraha-mipetraka sivily dia fantatra amin‘ny anarana hoe “dissolution du Pacs”.

Raha toa ka tsy tapahanao ilay fiaraha-mipetraka sivily dia mbola manana adidy ara-dalàna amin‘ilay vadinao taloha ianao:

  • ny adidy hiara-miaina
  • ny adidy hanome fanohanana ara-materialy
  • ny adidy hanome fanampiana.
  • Raha samy nanaiky hanapaka ilay fiarahana “Pacs” ianareo roa dia afaka manao ireo dingana manaraka ireo:

    • Fenoy ny “déclaration conjointe de dissolution d’un Pacte civil de solidarité” (joint dissolution declaration) izay azonao alaina amin’ny aterineto eto.
    • Tsy maintsy manao sonia izany ianareo roa.
    • Alefaso amin'ny alàlan'ny paositra any amin'ny manampahefana izay nanoratra voalohany ny “Pacs” nareo. Mety ho ny lapan’ny tanana izany na “mairie”, ny fitsarana, mpiasam-panjakana antsoina hoe “notaire” na konsiolà na masoivoho frantsay.
      • Asio dika mitovy ny antontan-taratasy mombamomba izay manan-kery ho an‘ny olona tsirairay ampiarahana amin‘ny taratasinao.
      • Tehirizo ny dika mitovy amin'ny fanambaranao.
      • Alefaso amin'ny alàlan'ny paositra miaraka amin’ny taratasy fanamarinam-pandefasana na “lettre recommandée avec accusé de réception”, izay hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.

    Ny herinandro manaraka izany, dia tokony haharay antontan-taratasy manamarina ianao fa nifarana ilay fifanekena, izay antsoina hoe “confirmation d’enregistrement”. Io antontan-taratasy io no manaporofo fa foana ilay “Pacs”. Halefa amin‘ilay adiresy izay nomenao tamin‘ny taratasy fanaovana fanambarana izany.

    Raha tsy nahare na inona na inona ianao taorian'ny roa volana dia azonao atao ny mifandray amin‘ny manampahefana izay nandray ny fanambarana nataonao ary manontany vaovao mikasika izany.

  • Afaka manafoana ny “Pacs” ianao na dia tsy nanaiky aza ilay vadinao. Tsy mila manamarina akory ny fanapahan-kevitrao ianao. Raha hanao izany dia araho ireto dingana ireto:

    • Mifandraisa amin’ny matihanina eo amin’ny sehatry ny lalàna antsoina hoe “huissier”. Afaka mahita iray eny akaikinao eny ianao ao amin'ity lahatahiry ity.
    • Ny “huissier” no tomponandraikitra amin’ny fampandrenesana ilay vadinao mikasika ny fanapaha-kevitra noraisinao. Ny "huissier" no hanome ny vadinao ny antontan-taratasy manamafy ny fanirianaohanapaka ilay “Pacs”, fantatra amin’ny hoe “signification du souhait de dissolution du Pacs”. Misy sarany ity tolotra ity.
    • Ny “huissier” no handefa ny dika mitovy amin’io antontan-taratasy io any amin’ny manampahefana izay nandrakitra ny “Pacs” nataonao. Mety ho ny lapan’ny tanana izany na “mairie”, ny fitsarana, mpiasam-panjakana antsoina hoe “notaire” na konsiolà na masoivoho frantsay.

    Ny herinandro manaraka izany, dia tokony haharay antontan-taratasy manamarina ianao fa tapaka ilay fifanekena, izay antsoina hoe “confirmation d’enregistrement”. Io antontan-taratasy io no manaporofo fa foana ilay “Pacs”. Halefa amin‘ilay adiresy izay nomenao tamin‘ny taratasy fanaovana fanambarana izany.

    Raha tsy nahare na inona na inona ianao taorian'ny roa volana dia anontanio ny “huissier” mba hifandray amin’ny manampahefana izay naharay ny antontan-taratasy raha hanontany vaovao mikasika izany.

Rehefa tapaka ilay "Pacs"

Vantany vao tapaka ny “Pacs” dia tsy hanana zo sy adidy mifandray amin‘ ny vadinao taloha intsony ianao.

Manomboka eto dia mila manao tatitra momba ny hetra miditra isam-batan'olona ianao.

Raha manan-janaka ianao ary tsy miara-mipetraka amin‘ilay vadinao intsony, dia tsara ny mifanaraka ny amin’ny fepetra fitazomana ny ankizy izay fantatra amin’ny hoe “modalités d’exercice de l’autorité parentale”.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa, misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mamondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Manana anarana maro ireo ivon-toerana ireo: “Maison de Justice et du Droit (MJD)”, “Point d’accès au droit (PAD)”, "Relais d’accès au droit (RAD)”, “Antenne de justice (AJ)” na “France services (FS)”.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Afaka mahita “point-justice” akaiky anao ianao:
      • ao amin‘ity lahatahiry amin’ny aterineto ity.
      • amin‘ny alalan‘ny fiantsoana ny 3039 avy any Frantsa metropolitana ary ny +33 9 70 82 31 90 avy any ivelany. Hangatahany kaodim-paositra ianao ary hampifandraisiny amin‘ny “point-justice” Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
  • Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.

    • Tandremo tsara mba ho mpisolovava mahay no fidìana.
    • Tsy maintsy aloanao ny karaman'ny mpisolovava.
    • Raha voafetra ny vola eo am-pelatananao, dia mety hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana ianao handoavana ireo sarany ireo. Izany no antsoina hoe "aide juridictionnelle".
    • Raha tsy mbola nisy olona matihanina na olona atokisanao nanolotra mpisolovava ho anao dia afaka mitady mpisolovava ao anatin'ity lahatahiry ity ianao. Mitanisa ireo mpisolovava rehetra ao Frantsa izy ity. Azonao atao ny mikaroka mpisolovava arakaraky ny tenim-pirenena teneniny na ny sokajin-dalàna manokana ifantohany.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Fandaminana ny fitazomana ny zaza eo amin'ny ray aman-dreny nisintaka na nisara-panambadiana

Any Frantsa, raha misy fisintahana na fisaraham-panambadiana, dia mbola manana zo sy adidy amin'ny…

Mandray fanampiana ara-bola avy amin‘ny ray aman-dreny ankilany mba handray anjara amin‘ny fandaniana mifandraika amin‘ny ankizy

Na dia nisaraka aza dia tsy maintsy manohy manome vola ny amin‘ny lany mifandraika amin‘ny zanany ny…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony