Taratasy atolotra ny polisy

Ity taratasy ho an'ny polisy frantsay ity dia afaka manampy anao hifandray amin'izy ireo raha tsy mahay miteny frantsay ianao ary/na maniry ny hahazo antoka fa manaja ny zonao izy ireo, ohatra ny hoe manana zo hangataka ny fanampiany ianao, kanefa tsy handroaka anao izy.

Nohamarinin‘ny Women for Women France tamin’ny 17/05/2023

Raha hitanao hoe sarotra aminao ny hiresaka amin‘ny teny frantsay amin'ny polisy, nefa maniry ny hidirany an-tsehatra na hametraka fitoriana ianao, dia nanomana taratasy ny Women for Women France sy ny sampandraharan’ny polisy frantsay antsoina hoe “Police nationale” sy ny “Gendarmerie nationale” mba hanampiana anao hifandray amin'ireo polisy sy hampahatsiahy azy ireo ny zonao mifandraika amin'ny toe-javatra misy anao.

Ahoana no ampiasako azy?

Azonao alaina eto ilay taratasy. Voasoratra amin’ny teny frantsay izy io.

Tsara raha entina miaraka aminao ilay taratasy rehefa mankeny amin’ny biraon’ny polisy ianao, izany hoe eny amin’ny “commissariat de police” na eny amin’ny “brigade de gendarmerie”. Asehoy izany rehefa tonga eny amin‘ny fandraisana.

Azonao ampiasaina koa izany rehefa miantso ny sampandraharahan'ny polisy vonjy maika sy rehefa makao an-tranonao izy ireo.

Inona no lazainy?

Ity ambany ity ny fandikana ny taratasy hanampiana anao hahatakatra izay ao anatiny. Na izany aza, ataovy azo antoka fa ny dikan-teny frantsay ihany no asehonao amin'ny polisy.

Izao ny ao amin‘ilay taratasy:


Antony: Fandraisana teo amin’ny biraon’ny polisy ary niaraka tamin’ny olona tsy teratany frantsay izay nianjadian’ny herisetra ara-nofo na herisetra tao an-tokantrano, kanefa tsy mahay miteny frantsay.

Ny olona mijoro eo anoloanao dia tsy teratany frantsay, ary mety tsy mahay miteny frantsay.

Ny fikambanana Women for Women France” no nanoro azy ireo hankeny amin’ny biraon’ny polisy noho ny herisetra ao an-tokantrano, ara-nofo ary/na herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy izay natrehany.

Mialohan'ny hiatrehanao ny raharaha mahakasika azy ireo dia tianay ny hanampy anao hahatakatra ireo lafiny marefo sasany mifandray amin'ny toe-javatra misy azy ireo:

  1. Mety ho tandindomin-doza tokoa ilay olona manoloana anao io saingy tsy afaka mampita izany aminao mazava tsara na lasa miverina mody.. Azonao atao ny mameno ny modely fanombanana ny loza voadika amin‘ny fiteny 18 miaraka amin‘izy ireo mba handraisana fepetra haingana raha ilaina, ary tsy mila miandry ny fahatongavan‘ny mpandika teny am-bava.
  2. Raha tsy mahay miteny frantsay tsara izy ireo dia manana zo hanana mpandika teny am-bava hametraka fitoriana mifanaraka amin'ny andininy faha-10–2 sy 10–3 ao amin'ny Fehezandalàna mifehy ny heloka bevava.
  3. Mety tsy manan-jo ara-dalana mba ipetrahana eto an-toerana koa izy ireo. Na izany aza dia manana zo ny hametraka fitoriana izy ireo ary mba hojerena ihany koa ny raharahany, kanefa tsy atahorana hoe ho voatana. Tsy misy dingana ara-panjakana tokony atao amin’ilay niharam-boina izay tonga manatona ny sampan-draharahan’ny polisy na ny zandary izay mametraka fitoriana na manao rakitatitra na “main courante”.
  4. Raha te-hametraka fitoriana izy ireo dia aza mandà izany, araka ny andininy faha-15–3 ao amin'ny Fehezan-dalàna mifehy ny heloka bevava. Afaka ampian‘ny olona izay tiany (mpisolovava, solontena avy ao amin‘ny fikambanana, olona akaiky azy, sns) ihany koa izy ireo mandritra ny dingana amin‘ny fametrahana fitoriana.
  5. Mety mitoka-monina any Frantsa izy ireo, tsy misy olona manodidina azy hanohana na hampiantrano azy. Inoanay ihany koa ianao fa hanolotra ny fepetra fanampiny efa misy (fiarovana araka ny lalàna, trano fonenana vonjy maika, fikambanana mpanohana ny niharam-boina, mpiasa sosialy ao amin'ny biraon‘ny polisy, sns.).

Nitaky herim-po be tamin‘izy ireo angamba ny fanantonana anao, satria tany amin‘ny firenena hafa mihintsy izy no nihalehibe. Tena sarobidy tokoa ny fanohana izay azonareo atolotra. Ho azy ireo mantsy dia dingana voalohany amin'ny diany mankany amin'ny fiarovana ny ainy sy ny fahaleovantena izany.

Ity taratasy ity dia natao tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ny Tale Jeneralin'ny Polisim-pirenena (DGPN) sy ny Tale Jeneralin'ny Zandarimariam-pirenena (DGGN) izay nanamarina ny vontoatiny rehetra ary mandray anjara amin’ity hetsika ity izy ireo mba hanentana fa marefo ireo olona ireo.”

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao, ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny anjara asan‘ny polisy dia miantoka ny fiarovana ny olona rehetra, na ahoana na ahoana toerana misy azy, na dia olona tsy manana zo honina eo an-toerana aza. Ny polisy iray dia ho afaka hanoro hevitra anao sy hanome fanampiana anao 24 ora isan‘andro, 7 andro isan-kerinandro. Fomba efatra lehibe no ahafahanao mifandray amin‘ny polisy:

    • Amin‘ny alalan‘ny telefaonina: antsoy ny 17, laharana tsy andoavam-bola. Teny azo isafidianana: fandikana teny amin‘ny teny rehetra.
    • Amin‘ny alalana hafatra an-tsoratra: mandefasa SMS amin‘ny teny frantsay amin‘ny 114, ka lazao mazava ny adiresinao.
    • Amin‘ny alalan‘ny aterineto: sampandraharaha chat. Io tolotra io dia misy amin'ny teny maro samihafa.
    • Mandehana any amin’izay mety ho biraon’ny polisy, izany hoe, na “commissariat de police” izany na “brigade de gendarmerie”. Azonao jerena ato amin‘ity tranonkala ity ny biraon‘ny polisy akaiky anao indrindra. Raha tsy mahay teny frantsay ianao dia mila mitady mpandika teny ho anao izy ireo, mety ho elaela izany.
  • Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Hisy mpanolotsaina voaofana hihaino anao sy hanohana anao amin‘ny alalan‘ny telefaonina. Afaka hanoro anao ireo sampandraharaha akaiky anao mifandraika amin'izany izy ireo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay. Misy ireto teny manaraka ireto indraindray: Anglisy, arabo, espaniola, tiorka, mandarin, sinoa, kiorda, azeri, poloney, hebreo, farsi, soninké, kreôla, kinyarwanda, kirundi ary swahili. Amin‘izao fotoana izao anefa aloha, dia mbola tsy voafaritra sy tsy voalamina mialoha ny fotoana ahitana ireo fiteny ireo.
    • Fifandraisana: antsoy ny 3919, amin‘ny ora rehetra sy ny andro rehetra. Ho maimaimpoana ny antso ataonao.
    • Ho an'ny olona marenina, manana olana amin'ny fandrenesana, olona voan'ny aphasia na manana fahasembanana amin'ny fiteny, azonao atao ny manindry ny sarina telefaonina eo amin'ny farany ambany amin‘ny havanana ao amin'ny tranonkala www.solidaritefemmes.org.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony