Manofa trano manokana any Frantsa
Any Frantsa dia ny fanofana trano manokana no mety ho fomba haingana hitadiavana trano. Hametraka…
Raha izay no zava-misy dia azonao vidiana avy hatrany amin‘ny tompony ilay trano.
Tena zava-dehibe tokoa ny tsy handoavanao vola mivantana any amin'ny mpivarotra.
Any Frantsa, ny fanamarinana sy ny fandoavam-bola rehetra ilaina dia atao amin'ny alalan'ny mpahay lalàna iray antsoina hoe naotera na “notaire”.
Ny ankamaroan'ny olona dia tsy manana ny vola ilaina hividianana trano eo noho eo izany.
Noho izany, dia efa mahazatra ny manao findramam-bola amin'ny banky.
Fampahalalana manan-danja momba ny fampindramam-bola ividianana trano any Frantsa:
Mametraka fepetra ara-bola tokony hofenoina mialohan'ny hankatoavana ny fangatahana fampindramam-bola ny banky, ohatra hoe:
Afaka mampiasa ity fitaovana ity ianao hahitana hoe ohatrinona no azonao indramina.
Mila manana isan-jatony voafaritra ny totalin'ny vidiny ianao any am-boalohany.
Raha vao neken'ny mpivarotra ny tolotrao hividianana, dia tsy maintsy mandoa vola voalohany antsoina hoe “acompte” ianao, na antom-bola, mba hiantohana ny varotra:
Misy karazana vola aloanao amin‘ny fotoana fividianana:
Rehefa azonao ilay trano dia misy vola aloa tsy tapaka mifandraika amin‘ilay fananan-trano:
Raha mila fampindramam-bola avy amin'ny banky ianao handoavana ny fividianana trano dia tsara kokoa raha ampitahainao ireo tolotra any amin‘ny banky ary atomboka ny dingana mialohan'ny hanombohanao mijerijery.
Raha hanao izany dia azonao atao ny manakarama matihanina manokana amin’ny fampitahana ny fampindramam-bola izay antsoina hoe mpanelanelana na “courtier”.
Vantany vao nofidianao ny banky izay manome ny tolotra tsara indrindra dia angataho aminy ny antontan-taratasy antsoina hoe “accord de principe”. Ity antontan-taratasy ity dia manamafy ny fahavononan'ny banky hanohy hatrany ny fangatahana fampindramam-bola ho an'ny trano rehefa nahita ilay trano tianao hovidiana ianao.
Hanome antoka ny mpivarotra ity antontan-taratasy ity ary hanome anao hirika kokoa fa ho ekena ny tolotrao.
Ao anatin‘ny fividianana ny tranonao dia mety hangatahana ianao hanome ireto antontan-taratasy manaraka ireto amin'ny fotoana samihafa amin'ny dingana:
Afaka manomboka amin'ny fitadiavana sy fitsidihana trano fonenana samihafa amidy ianao.
Mikaroka trano misy
Raha hitady trano ianao dia azonao atao, ohatra ny:
Mila malina tsara rehefa miserasera amin‘ny tompony na ny mpandraharaha momba ny fananan-tany sy trano. Misy zavatra maro tokony hodinihina mialohan'ny hanaovana tolotra, toy ny:
Tsara kokoa ny mifandray amin’ny manampahefana eo amin’ny tanàna na tanan-dehibe fantatra amin’ny anarana hoe “mairie” mba:
Vantany vao mahita trano tianao ianao, dia azonao atao ny manao tolotra mba hividy ilay izy any amin‘ilay mpivarotra avy hatrany.
Afaka mahita modely amin’ny aterineto ianao amin‘ny fanoratana hoe “modèle lettre offre achat” (modely taratasy fanaovana tolotra fividianana)
Mila faritanao ao amin‘ny tolotra alefanao:
Azonao tsoahina amin’ny fotoana rehetra ny tolotra narosonao ary tsy misy vokany akory izany mandrapahavitanao sonia ny fifarahana ara-barotra antsoina hoe “promesse de vente” na “compromis de vente”.
Midika izany fa afaka manao tolotra ianao na dia mbola tsy nahazo ny fampahalalana rehetra voatanisa ao amin'ny dingana 1 aza.
Mandritra ny fe-potoana mampanankery ny tolotrao dia afaka manapa-kevitra ny hanaiky na handà ny tolotrao ilay mpivarotra.
Raha laviny izany dia afaka manao tolo-bidy amin‘ny vidiny hafa izy.
Azonao atao kosa ny manaiky na mandà ny soso-kevitr'izy ireo.
Vantany vao nekena ny tolotrao, dia hanao sonia antontan-taratasy ianao, izay mamatotra ilay mpivarotra sy ny mpividy araka ny lalàna mba hamita hatramin‘ny farany ny fifampiraharahana.
Ity antontan-taratasy ity no ampiasaina ho antoka ho amin‘ny fividianana ny trano. Tena dingana manan-danja tokoa izy io mba hiarovana anao mpividy.
Ity antontan-taratasy ity moa no antsoina hoe “compromis de vente” na “promesse de vente”. Antontan-taratasy roa samihafa raha jerena araky ny lalàna izy ireo, fa raha ny marina dia mitovitovy ny vokany.
Manoratra sy manao sonia antontan-taratasy
Raha hanoratra ity antontan-taratasy ity dia ilaina tokoa ny manana ilay taratasy ofisialy antsoina hoe taratasy fanamarinana na “acte authentique” natao. Ny mpahay lalàna antsoina hoe “notaire” no manao azy ity.
Ny “notaire” no hanao izay ahazoana antoka fa natao araka ny tokony ho izy ny zavatra rehetra, ary hanaitra anao ihany koa izy mikasika amin’izay mety ahiahy tsy ihavanana izay mety tsy ho fantatrao.
Azonao atao ihany koa ny manao sonia antontan-taratasy antsoina hoe soratra an-trano na “acte sous signature privée” na “acte sous seing privé”. Fifanarahana natao sy nosoniavin’ny olon-tsotra io. Na izany aza anefa dia tsy dia tsara loatra ny manao azy ity, ary tena misy risika goavana tokoa.
Fe-potoana manan-kery
Manan-kery mandritra ny fe-potoana voafaritra ao amin‘ny taratasy nanaovana sonia ity antontan-taratasy ity.
Tsy afaka manao sonia ny taratasy fanekem-barotra ofisialy na “acte de vente” raha tsy tapitra io fe-potoana io.
Fifanarahana sy ny fepetra
Rehefa manao sonia “promesse de vente” na “compromis de vente” ianao, dia mila mamaritra ny fifanarahana sy ny fepetra mikasika ilay varotra ao amin’ity antontan-taratasy ity.
Azonao atao ny mampiditra ny fepetra mifehy ny varotra antsoina hoe “clauses suspensives”, ohatra hoe:
Ny “Clauses suspensives” dia ahafahanao miala amin’ny fividianana amin’ny fotoana rehetra mandra-pahatapitry ny fivarotana, ary tsy misy fiantraikany ho anao raha toa ka tsy raikitra ireo fangatahana ireo.
Fanatontosana ny fandoavam-bola voalohany antsoina hoe antoka na “acompte” na “séquestre”
Rehefa manao sonia ianao dia mila mandoa ny ampahany voalohany amin’ny vidiny izay fantatra amin’ny hoe antoka na “acompte” na “séquestre”.
Raha ny araka ny làlana dia tokony ho 10% amin’ny vidin’ny trano ny “acompte”. Na izany aza dia azonao atao ny mifampiraharaha amin‘ny mpivarotra ny handoavana 5% fotsiny ihany.
Ny fandoavana dia atao amin’ny alalan’ny matihanina toy ny mpandraharaha momba ny fananan-tany sy trano “notaire”. Aza mandoa izany mivantana amin’ny mpivarotra mihitsy.
Zo hihemotra indray ka tsy ilaina fanamarinana
Vantany vao nanao sonia ny “promesse de vente” na ny “compromis de vente” ianao, dia manana folo androahafahanao:
Aorian'io fe-potoana folo andro io, raha te hanafoana ny fividianana ilay trano ianao:
Raha mila fampindramam-bola hanaovana trano ianao mba handoavana ny fividianana ataonao dia izao no fotoana tokony hifandraisana amin'ny banky hanao ny fangatahana ofisialy sy hanasonia ny fifanarahana.
Vantany vao dila ny fotoana mampanan-kery ny “compromis de vente” na ny “promesse de vente” dia azonao atao ny manao sonia ny antontan-taratasy ofisialy momba ny varotra antsoina hoe taratasy fanekem-barotra na “acte de vente”.
Izany moa dia rehefa lasa tompon‘ilay trano ianao.
Tsy maintsy atao ity antontan-taratasy ity. Tsy maintsy ataon’ny mpahay lalàna izay fantatra amin’ny hoe “notaire” izany.
Afaka misafidy “notaire” iray itambarana amin’ny mpivarotra ianao, na mifidy roa samihafa.
Vantany vao vitasonia ny taratasy fanekem-barotra, ianao dia tsy maintsy mandoa:
Ho azonao avy eo ny fanalahidin‘ny tranonao.
Vantany vao vita ny fifampivarotana, dia mbola hisy dingana maro tsy maintsy arahin’ny “notaire”, toy ny fandraketana ny “acte de vente” eny anivon’ny manampahefana misahana ny hetra mba ahazoanao ny dika mitovy ny taratasy fanamarinana na “acte authentique” misy hajia.
Ity antontan-taratasy ity no taratasy fananan-trano ho anao ary hotazomin’ny biraon’ny naotera na “office notarial” mandritra ny 100 taona mialohan’ny anomezana azy any amin’ny biraon’ny arisivan’ny vakimparitra.
Ny sampandraharaha “ADIL” dia masoivoho eo an-toerana izay mampahafantatra ny olona mikasika ny zon’izy ireo mikasika ny trano sy ireo vahaolana izay misy ho azy ireo.
Manofa trano manokana any Frantsa
Any Frantsa dia ny fanofana trano manokana no mety ho fomba haingana hitadiavana trano. Hametraka…
Mangataka trano sosialy sy mora any Frantsa
Raha tsy dia manam-bola ianao dia afaka ny mangataka mba hanofa trano izay fantatra amin’ny hoe “log…
Miomana ny hifindra sy hiova adiresy
Mialohan'ny hifindranao amin'ny trano vaovao dia misy dingana maromaro tokony horaisinao manoloana…