Raha te hangataka “titre de séjour” ianao satria ray aman-drenin’ny zaza teratany frantsay, dia mila mahafeno fepetra manokana :
- ray aman-drenin‘ny zaza frantsay iray fara fahakeliny sy latsaky ny 18 taona tamin‘ny fotoana nanaovana fingatahana
- mampihatra fara fahakeliny ny sasany amin‘ny zo sy adidy atao amin‘ny zaza, fantatra amin‘ny hoe adidin‘ny ray aman-dreny na “autorité parentale”, na nanohana tsara ny filan'ny zaza hatramin'ny nahaterahany, na nandritra ny herintaona fara fahakeliny.
Hahazo fanamarinam-ponenana alzeriana na “certificat de résidence algérien” ianao izay milaza hoe “vie privée et familiale” na fiainana manokana sy fianakaviana, manan-kery mandritra ny herintaona. Ahafahanao miasa izany.
Rehefa lany daty izany dia hahazo fahazoan-dalana ipetrahana Alzeriana izay fantatra amin’ny hoe “certificat de résidence algérien” ianao, izay manan-kery mandritra ny folo taona, raha toa ka mbola mahafeno hatrany ny fepetra tamin’ny namoahana azy tany am-boalohany ianao. Ity “certificat” ity dia azo avaozina eny foana na dia tsy mahafeno ny fepetra intsony aza ianao.
Lalàna manan-kery Andininy faha-6.4 amin'ny Fifanarahana natao teo amin‘ny Frantsa sy Alzeria ny 27 Desambra 1968 araka ny fanitsiana natao.