Zo hipetraka eo an-toerana raha misy “ordonnance de protection

Ny "titre de séjour" na fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana dia omena ho an’ireo olona izay nahazo fiarovana araka ny lalàna na "ordonnance de protection" avy amin’ny mpitsara frantsay, na izany noho ny herisetra tao an-tokantrano na fandrahonana ho amin’ny fanambadiana an-tery.

Nohamarinin’ny FNCIDFF tamin’ny 06/10/2023

Fepetra

Ny hany fepetra takiana dia ny fisitrahana ny fepetra fiarovana fantatra amin’ny hoe “ordonnance de protection” na fiarovana araka ny lalàna izay omen’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana na “juge aux affaires familiales (JAF)”.

Lalàna manan-kery Andininy L.425–6 sy L.425–7 ao amin’ny “CESEDA”.

Karazana “titre de séjour” na fahazoan-dalana omena mba ipetrahana eo an-toerana omena

  • Manana zo hahazo kara-ponenana vonjimaika na “carte de séjour temporaire” ianao izay milaza hoe “vie privée et familiale” na fiainana manokana sy fianakaviana. Manan-kery mandritra ny herintaona izany. Ahafahanao miasa izany.

    Azo avaozina foana izy ity, raha mbola ao anatin‘ny fotoana voalazan‘ny“ordonnance de protection” anao, ary raha nametraka fitoriana ianao, mandritra ny raharaham-pitsarana.

  • Azonao tazomina izany ka avaozina rehefa lany daty , raha mbola ao anatin‘ny fotoana voalazan‘ny “ordonnance de protection” anao, ary raha nametraka fitoriana ianao, mandritra ny raharaham-pitsarana.

  • Raha toa ka naharay “ordonnance de protection” ianao, dia manan-jo hahazo “carte de résident” na kara-ponenana, raha toa ka mahafeno ireto fepetra telo manaraka ireto ianao :

    • manana “titre de séjour” na fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana ianao satria misitraka ny “ordonnance de protection
    • nametraka fitoriana momba ny herisetra niainanao ianao
    • voaheloka tanteraka ilay mpanao herisetra.

    Lalàna manan-kery Andininy L.425–8 ao amin’ny “CESEDA”.

    Raha tsy mahafeno ireo fepetra ireo ianao nefa efa nipetraka tany Frantsa nandritra ny dimy taona fara fahakeliny, na telo taona amin'ny toe-javatra sasany, dia mety mbola hahazo “carte de résident” ihany ianao raha mahafeno ny fepetra sasany. Te hahafantatra bebe kokoa

Teratany alzeriana

Amin'ny ankapobeny, tsy mihatra amin'ny olona manana zom-pirenena Alzeriana ireo fepetra ireo. Raha manana zom-pirenena Alzeriana ianao, ny satan'ny fifindra-monina misy anao any Frantsa dia fehezin'ny fifanarahana roa tonta izay tsy mihatra amin‘izany toe-javatra izany.

Na izany aza, ny tomponandraikim-panjakana frantsay eo an-toerana misahana ny fanadihadiana ny fangatahana fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana, izay fantatra amin’ny hoe “préfecture”, dia mety mbola hanapa-kevitra ny hanome anao zo hipetraka raha toa ka nahazo “ordonnance de protection” na fiarovana araka ny lalàna ianao. Tsara tokoa noho izany raha mametraka ny fangatahana foana ihany ianao ka manasongadina fa manana “ordonnance de protection”.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampahafantatra anao sy hanohana anao mandritra ny dingana arahina ara-panjakana mifandraika amin'ny zo ipetrahana any Frantsa, ary hitarika anao any amin'ny sampan-draharaha hafa, arakaraka ny toe-javatra misy anao manokana.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy ary Espaniola.
    • Fifandraisana:
      • raha tsy misy fotoana nalaina tany amin’ny ivon-toerana akaiky anao
      • amin’ny telefaonina amin’ny 01 40 08 05 34 or 06 77 82 79 09 ny alarobia 9:30 maraina hatramin’ny 1:30 hariva ary manomboka amin’ny 2:30 hariva hatramin’ny 5:30 p.m.
  • Gisti” dia fikambanana mifantoka manokana amin’ny fanomezana torohevitra mikasika ny lalàna ho an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana any Frantsa.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampilaza anao momba ny zonao mifandraika amin'ny zo ipetraka ara-dalana eo an-toerana izy ireo, ary hanazava ny fomba hahazoana izany.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana:
      • Amin’ny telefaonina amin’ny +331 84 60 90 26 ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka ny amin’ny 3 hariva hatramin’ny 6 hariva, ary koa amin’ny 10 maraina hatramin’ny 12 atoandro ny alarobia sy ny zoma. Indraindray mety be mpiantso be ao dia aza kivy. Mora kokoa indraindray ny miantso azy ireo amin‘ny harivariva .
      • Amin’ny alalan’ny paositra amin’ny “Gisti, 3 villa Marcès 75011 Paris, France”. Ataovy printy dia fenoy ity taratasy ity ary ampidiro ao amin’ny taratasinao miaraka amin’ny dika mitovy ny antontan-taratasy izay mety ilaina. Aza adinoina ny mamaritra mazava araka izay azo atao ny fanontanianao, ao anatin'izany ny zava-drehetra mety hanampy ny mpanolotsaina “Gisti” hahatakatra ny toe-javatra misy anao.
  • Ny “Associations” dia ireo fikambanana izay manome tolotra isan-karazany. Manampahaizana manokana amin‘ny fifindra-monina ny sasany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao ny zonao any Frantsa izy ireo ary indraindray manohana anao amin‘ny dingana arahina raha hifindra-monina.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mitady izany isaky ny faritra sy ny vakim-paritra amin’ity lahatahiry ity.
  • Ireo fikambanana nahazo alalana na “associations habilitées” no afaka manome tolotra avo lenta manokana ho an’ireo mpitady fialokalofana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao mikasika ny zonao, manoro hevitra anao, manampy anao amin’ireo dingana ara-taratasy karakaraina ary miaraka aminao rehefa mihaona amin’ny Birao Frantsay Miaro ny Mpitsoa-ponenana sy ny tsy manan-tanindrazana na “Office français de la protection des réfugiés et des apatrides (OFPRA)”.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina, azo asiana fandikan-teny am-bava.
    • Fifandraisana: afaka mahita “associations habilitées” manakaiky anao ianao ato amin’ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa

Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony