Zo hipetraka eo an-toerana mifandraika amin’ny fiasana any Frantsa

Ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” dia azo omena ny olona izay manana fifanarahana arak’asa any Frantsa, na izy ireo efa manana “titre de séjour” na tsia.

Nohamarinin’ny FNCIDFF tamin’ny 06/10/2023

Fepetra

Isan’ny fepetra ao anatiny dia tsy maintsy mandoa hetra amin’ny Birao frantsay misahana ny fifindra-monina sy ny fampidirana anatiny, na “Office français de l’immigration et de l’intégration (OFII)” ny mampiasa anao. Miankina amin'ny lafin-javatra maro, anisan'izany ny faharetan'ny fifanarahana arak‘asa sy ny karama, ny vola aloa amin‘ilay hetra.

Ireo fepetra hafa koa dia ampiharina miankina amin’ny toe-javatra misy anao, na manana fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” manan-kery ianao na tsia.

  • Tsy maintsy feno ireto fepetra manaraka ireto:

    • manana fifanarahana arak‘asa miasa tontolo andro ianao
    • manana mpampiasa ao Frantsa
    • ao anatin‘ny sehatr‘asa sy ara-jeografika izay sarotra tokoa ny fahitana mpiasa izany hoe tsy fahampian‘ny mpiasa.

    Tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana miasa amin’ny aterineto amin’ny alalan’ity tranokala ity ny mpampiasa anao. Voalaza amin‘ny antsipiriany ao ireo dingana arahina sy ny antontan-taratasy ilaina.

    Fa ianao kosa, mialohan‘ny mahalany daty ny fahazoan-dalanao ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” na rehefa misy fiovana ny toe-javatra misy anao dia tsy maintsy maka fotoana hihaonana amin’ny tompon‘andraikim-panjakana frantsay eo an-toerana fantatra amin’ny hoe “préfecture” mba hangataka “titre de séjour” mifanaraka amin’ny toe-javatra misy anao vaovao. Izany dia fantatra amin’ny hoe fiovana sata na “changement de statut”. Ny “préfecture” no hanome anao lisitry ny antontan-taratasy homena miaraka amin’ny fangatahanao rehefa maka fotoana hihaonana ianao.

    Lalàna manan-kery Andininy L.421–1 hatramin’ny L.421–4 ao amin’ny “CESEDA”.

  • Amin‘ny tranga toy izao dia tsy omena amin‘izao fotsiny ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” Miankina amin‘ny fanapahan-kevitra raisin‘ny prefektiora izany. Izy ity ilay hoe fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana manokana na “admission exceptionnelle au séjour”.

    Tena tsara dia tsara tokoa raha toa ianao ka mifandray amin‘ny fikambanana mpanao asa soa, fantatra amin‘ny hoe “association” izay mifantoka manokana amin’ny zon’ireo teratany vahiny mba hanome tanana anao amin’ny fangatahanao.

    Fepetra

    Tsy maintsy feno ireto fepetra manaraka ireto:

    • Tsy maintsy manana fifanarahana arak‘asa amin'ny mpampiasa iray na maromaro any Frantsa ianao. Io fifanarahana arak‘asa io dia tsy maintsy:
      • fifanekena arak’asa maharitra fantatra amin’ny hoe “Contrat à Durée Indéterminée (CDI)” fifanekena arak’asa amin'ny fotoana voafetra fantatra amin’ny hoe “Contrat à Durée Déterminée (CDD)” izay maharitra enim-bolana fara fahakeliny
      • asa tontolo andro na tapak’andro, saingy andraisan-karama isam-bolana izay fara fahakeliny mitovy amin’ny karama farany ambany ara-dalàna isam-bolana, fantatra amin’ny hoe “SMIC”.
    • Tsy maintsy afaka manaporofo koa ianao fa niasa, fara fahakeliny, tapak‘andro, ho an'ny:
      • 8 volana, misesy na tsia, nandritra ny roa taona farany
      • na 30 volana, misesy na tsia, nandritra ny dimy taona farany.
    • Tsy maintsy afaka manaporofo ihany koa ianao fa nipetraka tany Frantsa nandritra ny:
      • dimy taona
      • na telo taona ihany raha afaka manaporofo ianao fa niasa tao Frantsa nandritra ny 24 volana fara fahakeliny, izay ny 8 volana dia tao anatin'ny 12 volana farany, nifanesy na tsia.

    Lalàna manan-kery Andininy L.435–1 ao amin’ny “CESEDA” ary ny filazana ara-panjakana fantatra amin’ny hoe “Valls” ny 28 Novambra 2012.

    Porofo omena

    Ireo antontan-taratasy afaka manaporofo fa niasa tao Frantsa ianao dia:

    • ny fifanarahana arak‘asanao
    • ny taratasy karamanao.

    Ireo antontan-taratasy manaporofo fa nipetraka tany Frantsa ianao dia tsy maintsy mandrakotra ny fe-potoana manontolo, miaraka amin'ny porofo iray isam-bolana. Izany dia mety ho:

    • porofo tsy azo iadian-kevitra: antontan-taratasy nomen‘ny rafi-panjakana frantsay.
    • Porofo mivaingana: antontan-taratasy omen’ny andrim-panjakana tsy miankina iray. Ohatra: taratasy karama, filazalazana momba ny volanao miditra sy mivoaka any amin’ny banky, taratasy fanamarihana avy amin‘ny dokotera.
    • Ny porofo zara raha raisina: antontan-taratasy manokana. Ohatra: valopy misy adiresy amin'ny anaran'ny mpanao fangatahana na fanambarana avy amin'ny havana akaiky, sns.

    Fanamarihana: ny daty nanoratana ny antontan-taratasy ihany no horaisina ho porofo fa tany Frantsa ianao. Ohatra, ny fampilazana mikasika ny hetra dia manaporofo fotsiny ny fisianao tamin'ny fotoana namoahana azy, fa tsy nandritra ny fe-potoana rehetra

Karazana “titre de séjour” na fahazoan-dalana omena ipetrahana eo an-toerana

  • Raha toa ianao ka manao fifanekena arak’asa maharitra na “CDI”, dia hahazo kara-ponenana vonjimaika na “carte de séjour temporaire” izay milaza hoe “salarié” na mpiasa, ary mamaritra ny toerana nahazoanao alalana hiasa. Manan-kery mandritra ny herintaona izany. Ahafahanao miasa izany.

    Raha toa ianao ka manao fifanekena arak’asa amin'ny fotoana voafetra na “CDD”, dia hahazo kara-ponenana vonjimaika na “carte de séjour temporaire” izay milaza hoe “salarié temporaire” na mpiasa amin’ny fotoana voafetra mitovy faharetana amin’ilay fifanarahana arak’asa, mandritra ny herintaona fara fahabetsany ary mamaritra ny toerana nahazoanao alalana hiasa. Ahafahanao miasa izany.

  • Ny kara-ponenana na “carte de séjour” dia azo avaozina raha toa ianao ka mbola mahafeno hatrany ny fepetra.

    • Raha maniry ny hiova asa na mpampiasa ianao dia tokony hangataka fahazoan-dalana miasa vaovao indray.
    • Raha very asa tsy fidiny ianao, raha voaroaka na tsy navaozina ohatra ny fifanekena, dia azo havaozina indray mandeha ny “carte de séjour” na ny kara-ponenanao. Ity fanavaozana ity dia hojerena mifandraika amin'ny vola azonao noho ny tsy fananana asa.

    Raha toa ianao nanao “CDI” na fifanekena arak’asa maharitra tamin’ny nanavaozana izany dia afaka mangataka kara-ponenana mandritra ny taona maro ianao na“carte de séjour pluriannuelle” izay manan-kery efa-taona. Tsy maintsy nanao sonia ihany koa ny fifanarahana fampidirana anatiny ireo mpifindra-monina miaraka amin’ny fanjakana frantsay ianao, izay fantatra amin’ny hoe “Contrat d’Intégration Républicaine (CIR)” ary manaja ny fifanekena nataony.

  • Raha nipetraka tany Frantsa nandritra ny dimy taona ianao fara fahakeliny, na telo taona amin'ny tranga sasany, dia azonao atao ny mangataka “carte de résident” raha toa mahafeno fepetra sasany. Te hahafantatra bebe kokoa

Teratany alzeriana

Ny fangatahana fanovana sata ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour”, izay fantatra amin’ny hoe “changement de statut” dia mitovitovy amin’ny teratany vahiny hafa ihany.

Amin’ny ankapobeny, ny fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana manokana na “Admission exceptionnelle” dia tsy mihatra amin’ny teratany alzeriana, satria ny satan'ny fifindra-monina misy azy any Frantsa dia fehezin'ny fifanarahana roa tonta.

Na izany aza, ny tompon‘andraikim-panjakana frantsay eo an-toerana misahana ny fanadihadiana ny fangatahana fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” izay fantatra amin’ny hoe “préfecture” dia mety mbola hanapa-kevitra ny hanome anao izany raha toa ka mbola mahafeno ireo fepetra ianao. Noho izany, tsara raha mangataka izany ianao ka manamafy ny toe-javatra misy anao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampahafantatra anao sy hanohana anao mandritra ny dingana arahina ara-panjakana mifandraika amin'ny zo ipetrahana any Frantsa, ary hitarika anao any amin'ny sampan-draharaha hafa, arakaraka ny toe-javatra misy anao manokana.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy ary Espaniola.
    • Fifandraisana:
      • raha tsy misy fotoana nalaina tany amin’ny ivon-toerana akaiky anao
      • amin’ny telefaonina amin’ny 01 40 08 05 34 or 06 77 82 79 09 ny alarobia 9:30 maraina hatramin’ny 1:30 hariva ary manomboka amin’ny 2:30 hariva hatramin’ny 5:30 p.m.
  • Gisti” dia fikambanana mifantoka manokana amin’ny fanomezana torohevitra mikasika ny lalàna ho an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana any Frantsa.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampilaza anao momba ny zonao mifandraika amin'ny zo ipetraka ara-dalana eo an-toerana izy ireo, ary hanazava ny fomba hahazoana izany.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana:
      • Amin’ny telefaonina amin’ny +331 84 60 90 26 ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka ny amin’ny 3 hariva hatramin’ny 6 hariva, ary koa amin’ny 10 maraina hatramin’ny 12 atoandro ny alarobia sy ny zoma. Indraindray mety be mpiantso be ao dia aza kivy. Mora kokoa indraindray ny miantso azy ireo amin‘ny harivariva .
      • Amin’ny alalan’ny paositra amin’ny “Gisti, 3 villa Marcès 75011 Paris, France”. Ataovy printy dia fenoy ity taratasy ity ary ampidiro ao amin’ny taratasinao miaraka amin’ny dika mitovy ny antontan-taratasy izay mety ilaina. Aza adinoina ny mamaritra mazava araka izay azo atao ny fanontanianao, ao anatin'izany ny zava-drehetra mety hanampy ny mpanolotsaina “Gisti” hahatakatra ny toe-javatra misy anao.
  • Ny “Associations” dia ireo fikambanana izay manome tolotra isan-karazany. Manampahaizana manokana amin‘ny fifindra-monina ny sasany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao ny zonao any Frantsa izy ireo ary indraindray manohana anao amin‘ny dingana arahina raha hifindra-monina.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mitady izany isaky ny faritra sy ny vakim-paritra amin’ity lahatahiry ity.
  • Ireo fikambanana nahazo alalana na “associations habilitées” no afaka manome tolotra avo lenta manokana ho an’ireo mpitady fialokalofana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao mikasika ny zonao, manoro hevitra anao, manampy anao amin’ireo dingana ara-taratasy karakaraina ary miaraka aminao rehefa mihaona amin’ny Birao Frantsay Miaro ny Mpitsoa-ponenana sy ny tsy manan-tanindrazana na “Office français de la protection des réfugiés et des apatrides (OFPRA)”.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina, azo asiana fandikan-teny am-bava.
    • Fifandraisana: afaka mahita “associations habilitées” manakaiky anao ianao ato amin’ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa

Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony