Miala any Frantsa miaraka amin'ny zanakao

Ara-dalana be raha te hiverina any amin'ny tanindrazanao ianao rehefa avy niharan'ny herisetra. Na izany aza, raha te hifindra any ampitan-dranomasina miaraka amin'ny zanakao ianao, dia tsy maintsy mahazo ny faneken'ny ray aman-dreny ankilany na ny mpitsara, na inona na inona lamina momba ny fitazomana zaza efa napetraka.

Nohamarinin'i Maître Judith Buchinger tamin'ny 03/10/2023

Fantaro ny zava-misy

Ara-dalana be raha te hiala an‘i Frantsa ianao ka hiverina any an-tanindrazanao, izay toerana ahatsapanao hoe voaro ianao sady voadidin‘ireo olona akaiky anao, indrindra moa raha niharan‘ny herisetra tao an-tokantrano ianao.  

Na izany aza, ilaina tokoa ny mahazo ny fankatoavan‘ny ray aman-dreny ankilany na ny mpitsara miadidy ny fianakaviana izay fantatra amin‘ny anarana hoe “Juge aux affaires familiales (JAF)” mialohan’ny hiaingana any ivelany. Raha tsy izany dia azo raisina ho fakàna zaza an-keriny eo amin‘ny sehatra iraisam-pirenena nataona ray aman-dreny ny fandehananao.

Ahoana ny fanaovana azy

Raha mizara ny zo sy adidy amin'ny zanany ny ray aman-dreny roa, fantatra amin'ny anarana hoe “autorité parentale” dia mila apetraka ny lamina vaovao ny amin’ny fitazomana ny zaza izay fantatra amin’ny anarana hoe “modalités d’exercice de l’autorité parentale”.  

Raha toa ka tsy manana ny fahefana amin’ny maharay aman-dreny azy na “autorité parentale” intsony ny ray aman-dreny ankilany ka manana “autorité parentale exclusive” ianao dia mila mampahafantatra ilay ray aman-dreny ankilany mikasika ny fandehananao, sady mangataka alalana amin’ny mpitsara mialohan’ny andehanana.

Tena ilaina ny mampandre ny ray aman-dreny ankilany momba ny vinavinanao, farafahakeliny telo volana mialohan'ny daty hiaingana.

  • Raha mandao ny firenena miaraka amin‘ny zanakao ianao kanefa tsy nankatoavin‘ny ray aman-dreny ankilany izany, dia azo raisina ho fakàna zaza an-keriny eo amin‘ny sehatra iraisam-pirenena nataon‘ny ray aman-dreny izany. Hanana fomba ara-dalàna hamerenana ireo zaza any Frantsa ny vadinao taloha. 

    Tsara tokoa ny maka torohevitra avy amin’ny mpisolovava na fikambanana mpanao asa soa fantatra amin’ny anarana hoe “association”, izay miompana manokana amin’ny resaka lalàna momba ny fianakaviana.

  • Raha efa napetraka ny lamina momba ny fitazomana ny zaza na “modalités d’exercice de l’autorité parentale” dia mila amboarina izany raha te hifindra any ampitan-dranomasina ianao. Tokony hampilaza ihany koa ilay ray aman-dreny ankilany mikasika ny vinavinanao hifindra toerana ianao, fara fahakeliny telo volana mialohan‘ny daty hiaingana voatondro.

    Tsy maintsy manontany ny ray aman-dreny hafa aloha ianao raha manaiky izy ireo fa afaka mipetraka any ivelany miaraka amin'ny ankizy ianao ary manaiky ny “modalités” vaovao, indrindra indrindra: 

    • ny toerana ipetrahan‘ny ankizy
    • ny zon’ny ray aman-dreny ankilany hitsidika sy hitoetra mandritra ny alina
    • Miankina amin‘ny toe-javatra misy ny ray aman-dreny tsirairay ny fanampiana ara-bola hikarakarana ny ankizy.
    • ny saran-dalana rehetra.

    Azo atao amin’ny alalan’ny mpisolovavanao ny fijerena ny “modalités”, indrindra rehefa ny mpitsara no nametraka azy.

    Raha mifanaraka amin’ilay ray aman-dreny ankilany ianao

    Raha toa ka napetraky ny mpitsara ny “modalités” amin'izao fotoana izao dia mila mandefa fangatahana iombonana antsoina hoe “requête conjointe” eny anivon’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana na “Juge aux affaires familiales” ianao mba haneken’izy ireo ny “modalités” vaovao. 

    Na dia nifanaraka sady nifanaiky ny “modalités” amin’izao fotoana izao aza ny ray aman-dreny kanefa tsy nandalo tamin’ny mpitsara, dia tena tsara raha mandefa fangatahana iombonana fantatra amin’ny anarana hoe “requête conjointe” any amin’ny “Juge aux affaires familiales” mba hahafahany mampanan-kery ireo “modalités” vaovao. 

    Ny “requête conjointe” dia taratasy izay tsy maintsy soniavinao sy ilay ray aman-dreny ankilany. 

    • Azonao atao ny manoratra izany mifanaraka amin‘ ity taratasy ity. Izany dia tsy maintsy ahitana: anarana, fanampin‘anarana, asa, toeram-ponenana, zom-pirenena, daty sy toerana nahaterahan‘ny ray aman-dreny roa tonta, ny fitsarana nanaovana ny fangatahana, ary antsipiriany mikasika ny “modalités d’exercice de l’autorité parentale” vaovao niarahana nanapaka. 
    • Tsy maintsy aterina mivantana any amin'ny biraom-pitantanan'ny fitsarana fianakaviana fantatra amin'ny anarana hoe mpiraki-draharaha na “greffe” ao amin’ny “Juge aux affaires familiales”. Raha te hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’izy ireo dia azonao atao ny mampiasa ity lahatahiryity, ka ampidiro ny kaody paositran’ny toeram-ponenan’ny zaza ary fidio ny “tribunal judiciaire”. 

    Raha tsy nahita marimaritra iraisana tamin’ilay ray aman-dreny ankilany

    Tsy maintsy manao fangatahana any amin'ny “Juge aux affaires familiales” amin’ny alalan’ny mpisolovavanao ianao.

    Mampalahelo anefa fa rehefa tsy mahita fifanarahana ny ray aman-dreny roa tonta dia mahalana ny mpitsara no manome izany karazana fangatahana izany. Handinika lafin-javatra maro ny mpitsara rehefa mandray ny fanapahan-keviny. Zava-dehibe ny ahafahanao mampiseho fa:

    • hilamina ianao rehefa mifindra: Hanana asa sy trano fonenana maharitra sady mahaleo tena, izay tsy ilay fonenan'ny fianakavianao teo aloha intsony
    • hanana fiainana mitovy na tsara kokoa noho ny tany Frantsa ny zanakao
    • ho afaka hifandray hatrany amin’ny ray aman-dreny ankilany ny zanakao ary hahita azy ireo tsy tapaka
    • manam-bola hiantohana ny fifindranao ianao.
  • Raha tsy mizaka ny fahefan'ny ray aman-dreny intsony ilay ray aman-dreny ankilany, ary manana ilay antsoina hoe fahefana ray aman-dreny tokana na “autorité parental exclusive” ianao, dia mbola mila manao ireto dingana roa manaraka ireto.

    Mampandre ilay ray aman-dreny ankilany

    • Tena ilaina ny mampandre ny ray aman-dreny ankilany momba ny fifindranao, telo volana farafahakeliny mialohan'ny daty hiaingana.
    • Azonao atao ny mampahafantatra azy ireo amin'ny alàlan'ny fandefasana mailaka, saingy tsara kokoa ny mandefa taratasy amin'ny alàlan'ny paositra voasoratra fantatra amin’ny anarana hoe “lettre recommandée avec accusé de réception”. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.

    Manao fangatahana amin’ny mpitsara

    • Alohan'ny handehananao any ivelany miaraka amin'ny zanakao dia tsy maintsy mandefa fangatahana eny anivon’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana izay fantatra amin’ny anarana hoe “Juge aux affaires familiales” ianao amin’ny alalan’ny mpisolovavanao.  
    • Raha manana “autorité parentale exclusive” ianao dia azo inoana fa hanaiky ny fangatahanao ny mpitsara.
    • Ny mpitsara dia handinika lafin-javatra sasantsasany toy ny:
      • ny toe-javatra misy anao rehefa tonga any ampitan-dranomasina: asa, trano
      • ny kalitaon'ny fiainan'ny zanakao
      • raha ho afaka hifandray amin’ny ray aman-dreny ankilany sy hahita azy tsy tapaka ny zanakao
      • Raha manana vola handoavana ny fifindrana any ivelany ianao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mampivondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana. 

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Manana anarana maro ireo ivon-toerana ireo: “Maison de Justice et du Droit (MJD)”, “Point d’accès au droit (PAD)”, "Relais d’accès au droit (RAD)”, “Antenne de justice (AJ)” na “France services (FS)”. 
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Afaka mahita “point-justice” akaiky anao ianao:
      • ao amin‘ity lahatahiry amin’ny aterineto ity.
      • amin‘ny alalan‘ny fiantsoana ny 3039 avy any Frantsa metropolitana ary ny +33 9 70 82 31 90 avy any ivelany. Hangatahany kaodim-paositranao ary hampifandraisiny amin‘ny “point-justice” Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
  • Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana. 

    • Tandremo tsara mba ho mpisolovava mahay no fidìana.
    • Tsy maintsy aloanao ny karaman'ny mpisolovava. 
    • Raha voafetra ny vola eo am-pelatananao, dia mety hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana ianao handoavana ireo sarany ireo. Izany no antsoina hoe "aide juridictionnelle".

    Raha tsy mbola nisy matihanina na olona atokisanao nanolotra mpisolovava ho anao dia afaka mitady mpisolovava ao anatin'ity lahatahiry ity ianao. Izy io dia mitanisa ireo mpisolovava rehetra ao Frantsa. Azonao atao ny mikaroka mpisolovava amin'ny alalan'ny tenim-pirenena teneniny na ny sokajin-dalàna manokana ifantohany.

  • "Femmes Informations Juridiques Internationales Auvergne-Rhône-Alpes (FIJI)" dia fikambanana miompana manokana amin‘ny lalàna iraisam-pirenena momba ny ankohonana.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ny ekipana mpisolovavan‘izy ireo dia ho afaka hamaly ny fanontanianao, ary hanome anao torohevitra momba ny fisitahana, fisaraham-panambadiana, ary/na fihazonana ny zanakao. Sampandraharaha fampahafantarana ihany izy io: tsy afaka misolo tena anao eny anivon'ny fitsarana izy ireo. Mila mifandray amina mpisolovava ianao amin'izany.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy.
    • Fifandraisana: amin'ny alàlan'ny mailaka amin'ny adiresy [email protected] na amin'ny telefaonina amin'ny laharana 04 78 03 33 63, ny alatsinainy ka hatramin'ny alarobia, manomboka amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 12 ora atoandro

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Fandaminana ny fitazomana ny zaza eo amin'ny ray aman-dreny nisintaka na nisara-panambadiana

Any Frantsa, raha misy fisintahana na fisaraham-panambadiana, dia mbola manana zo sy adidy amin'ny…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Mangataka “l'aide juridictionnelle” na fanampiana ara-pitsarana mba hanomezana ny volan’ny mpisolovava sy ny sarany ara-pitsarana hafa

Raha tsy ampy vola hanakaramana mpisolovava sy handoavana ny fitsarana, dia afaka mangataka ny…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony