Fantaro ny zavatra atao raha mahita herisetra ao an-tokantrano ianao

Tsy resaka fiainana manokana ny herisetra ao an-tokantrano. Raha nahita herisetra ao an-tokantrano ianao, na nilaza taminao ny niharana herisetra, dia afaka mamonjy ny ainy ny fanohananao. Raha misy hamehana dia antsoy amin‘ny 17 ny polisy na andefaso SMS amin‘ny 114 izy ireo.

Nohamarinin‘ny Women for Women France tamin’ny 17/09/2023

Raha tojo hamehana

Raha mieritreritra ianao fa misy zavatra atahorana goavana sy mila atrehina eo no ho eo dia antsoy ny polisy, amin‘ny 17, na dia tsy azonao antoka aza. 

Midira an-tsehatra toy izao manaraka izao raha tsapanao fa tsy atahorana ny manao izany:

  • mitonia araka izay azo atao
  • sariho ny fanohanan‘ny vavolombelona hafa 
  • raha azo atao dia mamoròna zavatra hahavariana ilay mpanao herisetra.

Tsy maintsy mifandanja amin‘ilay zavatra atahorana ny fihetsika asetrinao: ny fidirana an-tsehatra misy herisetra dia mety hitarika amin‘ny fitomboan‘ny herisetra ka mampidi-doza ny rehetra tafiditra amin‘izany.

Raha tojo hamehana

Ny olona miaina herisetra ao an-tokantrano dia matetika mahatsapa ho very sy mitoka-monina. afaka mamonjy ainy ny fanohananao

Samy hafa ny fihetsika ataon‘ny olona manoloana herisetra an-tokantrano. Ara-dalàna daholo ny fihetsika rehetra asetry dona ara-pihetseham-po: fandavana, fahatezerana, fanginana, fahoriana, fitomaniana, fivazavazana ary mety ho fikasihan-tànana ilay mpanao herisetra aza.

  • Mety ho tena sarotra ny hahalala ny zavatra holazaina sy ny zavatra hatao rehefa mahita herisetra ianao, ka mety halaim-panahy hody tsy hahita izany. Saingy tena ilaina tanteraka ny hoe manao zavatra ho an‘ilay iharan‘ny herisetra. 

    Amin‘ny alalan‘ny fanaovana ireto manaraka ireto dia afaka mamonjy ny ainy ianao:

    • Henoy izy, minoa azy, tohano izy. Anontanio izy raha TSY MANINONA ary raha toa ka misy zavatra azonao atao azy.
    • Omeo toky izy fa misy vahaolana hamerenana indray ny filaminany sy ny fahaleovan-tenany. 
    • Hazavao fa ny olona tokana tompon‘andraikitra amin‘ilay herisetra dia ilay mpanao herisetra.
    • Toroy hevitra hiantso ny polisy amin‘ny 17 izy raha mahatsapa ho tandindomin-doza, na manolora tena hiaraka aminy any amin‘ny biraon‘ny polisy hanao fitarainana.
    • Izarao loharanom-pampahafantarana toy ity tranonkala ity izy mba hahatakarany ny fandehan‘ny herisetra sy hahalalany ny zony.
    • Manolora tena hanao fanambarana vavolombelona an-tsoratra izay ilaina amin’ny andro hanapahany hevitra hanao fitarainana. 
    • Afaka mitatitra herisetra amin‘ny polisy amin‘ny alalan‘ny aterineto ianao, amin‘ilay tolotra chat voatokana (azo atao amin‘ny tenim-pirenena maro)  
    • Ireo tranga natrehinao dia azonao raisina an-tsoratra ao amin’ny tranonkala “Mémo de vie”, izay toerana an’aterineto tsiambaratelo sy azo antoka.
    • Hajao ny soatoavina ananany sy ny safidiny ara-kolontsaina sy ara-pivavahana.
    • Avelao izy handray ny fanapahan-keviny amin‘ny hafainganam-potoana mety aminy.
    • Raha tsy miteny frantsay izy kanefa nomenao laharana na adiresy mailaka sampan-draharaha amin‘ny teny frantsay ranoray fotsiny, dia manolora tena hanampy azy hifandray amin‘ireny sampan-draharaha ireny.
  • Ny fiarahamonintsika dia mbola manomboka mahatakatra ny herisetra ao an-tokantrano. Manana anjara asa avokoa isika rehetra. 

    Misy fihetsika ilaina sorohina mba hihazonana fifandraisana misy fifampitokisana amin‘ilay olona iharana herisetra ary mba tsy hampidi-doza ny ainy:

    • Aza mametra-panontaniana amin‘ny zava-misy marina momba ilay herisetra. Aza hamaivanina ilay herisetra. 
    • Aza mitsara azy na milaza aminy ny tokony hataony. Mety hahatsapa ho sahiran-tsaina izy ka mila fotoana hanapahan-kevitra amin‘izay hatao manaraka. 
    • Aza miaro ny vadiny na miezaka manala tsiny azy.
    • Aza ampanaovina zavatra izy raha milaza fa tsy mahatsiaro ho vonona.
    • Aza manoro hevitra amin‘ny zavatra tsy anananao fahaizana. Miova foana ny lalàna sy fepetra, ary misy fahasarotana ihany koa amin‘ny firenena samy hafa.
    • Aza mifandray amin‘ilay mpanao herisetra fa mety hampidi-doza ny ain‘ilay iharana herisetra izany. Mahavita manodinkodina anao hino azy ihany koa ny mpanao herisetra.
    • Aza mizara fampahalalana amin‘olon-kafa mihitsy raha tsy eken‘ilay olona niharana herisetra, satria mety hampidi-doza ny ainy izany.
    • Aza manandrana miteny aminy fa ny safidiny ara-kolontsaina sy ara-pivavahana dia tsy mahazatra any Frantsa.
    • Aza tapahina ny teniny raha sahirana miresaka amin‘ny tenim-pirenena tsy azy izy.
  • Ny lalàna frantsay dia mitaky anao hamoaka ireo zava-misy fantatrao amin‘ny tranga sasany:

    • Tsy ara-dalàna ny tsy fitaterana heloka bevava iray rehefa mbola azo atao ny misoroka izany na mametra ny fiantraikany, na raha toa ka azo inoana hanao heloka bevava vaovao izay azo sorohina ilay mpanao herisetra (lalàna ampiharina: Andininy 434-1 ao amin‘ny “Code pénal”).
    • Tsy ara-dalàna ny tsy manampy olona tandindomin-doza, fantatra amin‘ny hoe “non-assistance à personne en danger” (lalàna ampiharina: Andininy 223-6 ao amin’ny “Code pénal”). 
    • Tsy ara-dalàna ny tsy fitaterana heloka bevava atao amin-jaza tsy ampy taona na olona marefo noho ny taonany, aretina, kilemany, fahasembanana ara-batana na ara-tsaina na fitondrana vohoka (lalàna ampiharina: Andininy 434-3 ao amin‘ny “Code pénal”).

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa, misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Hisy mpanolotsaina voaofana hihaino anao sy hanohana anao amin‘ny alalan‘ny telefaonina. Afaka hanoro anao ireo sampan-draharaha akaiky anao mifandraika amin'izany izy ireo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay. Misy ireto teny manaraka ireto indraindray: Anglisy, arabo, espaniola, tiorka, mandarin, sinoa, kiorda, azeri, poloney, hebreo, farsi, soninké, kreôla, kinyarwanda, kirundi ary swahili. Amin‘izao fotoana izao anefa aloha, dia mbola tsy voafaritra sy tsy voalamina mialoha ny fotoana ahitana ireo fiteny ireo.
    • Fifandraisana: antsoy ny 3919, amin‘ny ora rehetra sy ny andro rehetra. Tsy hiseho amin'ny faktioran-telefaoninao ny antso.
    • Ho an'ny olona marenina, manana olana amin'ny fandrenesana, olona voan'ny aphasia na manana fahasembanana amin'ny fiteny, azonao atao ny manindry ny sarina telefaonina eo amin'ny farany ambany amin‘ny havanana ao amin'ny tranonkala www.solidaritefemmes.org.
  • Ny anjara asan‘ny polisy dia miantoka ny fiarovana ny olona rehetra, na ahoana na ahoana toerana misy azy, na dia olona tsy manana zo honina eo an-toerana aza. Ny polisy iray dia ho afaka hanoro hevitra anao sy hanome fanampiana anao 24 ora isan‘andro, 7 andro isan-kerinandro. Fomba efatra lehibe no ahafahanao mifandray amin‘ny polisy:

    • Amin‘ny alalan‘ny telefaonina: antsoy ny 17, laharana tsy andoavam-bola. Teny azo isafidianana: fandikana teny amin‘ny teny rehetra.
    • Amin‘ny alalana hafatra an-tsoratra: mandefasa SMS amin‘ny teny frantsay amin‘ny 114, ka lazao mazava ny adiresinao.
    • Amin‘ny alalan‘ny aterineto: sampan-draharaha chat. Io tolotra io dia misy amin'ny teny maro samihafa.
    • Mandehana any amin’izay mety ho biraon’ny polisy, izany hoe, na “commissariat de police” izany na “brigade de gendarmerie”. Azonao jerena ato amin‘ity tranonkala ity ny biraon’ny polisy akaiky anao indrindra. Raha tsy mahay teny frantsay ianao, dia mila mitady mpandika teny ho anao izy ireo, mety ho elaela izany.
  • Misy sampan-draharaha roa afaka manampy anao raha sendra hamehana ara-pahasalamana any Frantsa. 

    Ilay sampan-draharahan‘ny fiara mpitondra marary antsoina hoe “Service d’aide médicale urgente (SAMU)” sy ilay sampan-draharaha misahana hamehana atao hoe “pompiers”. Raha mila fanampiana ara-pahasalamana maika ianao, dia afaka manampy sy mitondra anao any amin‘ny hopitaly akaiky haingana izy ireo.

    • Raha sendra hamehana miankina amin‘aina, dia tsy mila voasoratra anarana amin'ny fiantohana ara-pahasalamanam-panjakana ianao na koa manan-jo hipetraka any an-toerana vao afaka mampiasa ireo sampan-draharaha ireo.
    • Raha misy sarany satria tombanan‘izy ireo ho tsy maika ilay izy, dia azon‘ny fanjakana misy anao na fiantohana ara-pahasalamana tsy miankina aloa izany sarany izany.
    • Teny azo isafidianana: fandikana teny amin‘ny teny rehetra.
    • Fifandraisana: antsoy ny 112, laharana tsy andoavam-bola azo antsoina 24/7.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Mahatakatra ny atao hoe herisetra ao an-tokantrano

Mety manontany tena ianao raha ara-dalàna ny fihetsiky ny vadinao na ny vadinao taloha. Na mety…

Mahatakatra ny fiantraikan‘ny herisetra ao an-tokantrano aminao sy ny zanakao

Mety hisy voka-dratsy ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina ny herisetra ao an-tokantrano.…

Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay

Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony