Mamily fiara any Frantsa

Raha toa ivelan'ny Vondrona Eoropeanano nahazoanao ny fahazoan-dàlana hitondra fiara ary mipetraka maharitra any Frantsa ianao, amin'ny ankapobeny dia mila manakalo izany amin'ny fahazoan-dàlana frantsay ianao. Firenena maro no manana fifanarahana fifanakalozana amin'i Frantsa. Raha tsy manana fahazoan-dàlana ianao na tsy afaka manakalo ilay anao dia azonao atao ihany koa ny manao andrana mitondra fiara any Frantsa.

Nohamarinin‘ny Women for Women France tamin’ny 17/05/2023

Mamily fiara any Frantsa, miaraka amin‘ny fahazoan-dalana vahiny hitondra fiara

Ireo fepetra hamiliana fiara any Frantsa miaraka amin‘ny fahazoan-dalana vahiny hitondra fiara dia miankina amin‘ny firenena izay namoaka izany. 

Azonao atao ny manamarina amin’ny aterineto hahitana raha afaka mitondra fiara any Frantsa ianao, amin'ny fahazoan-dàlana hitondra fiara anananao, ary inona ireo fepetra mifehy izany.

Ohatra hoe afaka mitondra fiara miaraka amin'ny fahazoan-dàlana vahiny ianao kanefa tsy mila manakalo izany akory:

  • raha nahazo fahazoan-dàlana tany amin'ny fanjakana mpikambana eo anivon‘ny Vondrona Eoropeana ianao
  • na raha mianatra any Frantsa ianao ary manana fahazoan-dàlana ipetrahana na “titre de séjour” ahitana ny soratra hoe “étudiant”, na mpianatra.

Manakalo ny fahazoan-dalana vahiny hitondra fiara

Rehefa manorim-ponenana maharitra any Frantsa ianao, ary raha tany amin'ny firenena tsy Eoropeana no nahazoanao ny fahazoan-dàlana hitondra fiara, dia matetika ianao no tsy maintsy manakalo ny fahazoan-dàlanao raha te hanohy hitondra fiara any Frantsa ao anatin’ny fe-potoana tena hentitra.

  • Afaka manakalo ny fahazoan-dàlana hitondra fiara ianao raha mahafeno ireto fepetra manaraka ireto:

    • Tsy maintsy nanao sonia fifanarahana fifanakalozana tamin'i Frantsa ny firenena nakanao ny fahazoan-dalana hitondra fiara. Azonao jerena ny lisitr’ireo firenena ireo ao amin’ ity tranonkala ity.
    • Tsy maintsy manankery ilay fahazoan-dàlana hitondra fiara ary navoakan'ny firenena iray nipetrahanao mahazatra, izany hoe ny toerana nipetrahanao nandritra ny enim-bolana farafahakeliny isan-taona. 
    • Raha tsy olom-pirenena ao amin'ny Vondrona Eoropeana ianao, dia tsy maintsy manana taratasy manome alalana anao hijanona any Frantsa, fantatra amin'ny anarana hoe fahazoan-dàlana ipetraka eo an-toerana na“titre de séjour”. 

    Raha tinao ho fantatra hoe mihatra aminao ve izany,dia azonao atao ny mijery amin’ ity tranonkala ity.

  • Hiovaova arakaraka ny zom-pirenena misy anao ny fe-potoana:

    • Raha olom-pirenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ianao, dia tsy maintsy mangataka amin'ny fifanakalozana eo anelanelan'ny faha-6 sy faha-18 volana aorian'ny nahatongavanao tany Frantsa.
    • Raha olom-pirenena avy any ivelan'ny Vondrona Eoropeana ianao dia tsy maintsy mangataka ao anatin'nyherintaona aorian'ny daty nanombohan'ny fahazoan-dàlana ipetrahana voalohany na “titre de séjour”.
  • Raha te hangataka fifanakalozana fahazoan-dàlana mitondra fiara ianao dia mila ireto antontan-taratasy manaraka ireto:

    • antontan-taratasy mombamomba anao, toy ny kara-panondro na pasipaoronao
    • antontan-taratasy manaporofo ny adiresinao, fantatra amin’ny hoe “justificatif de domicile” na fanamarinam-ponenana, izay latsaky ny enim-bolana, toy ny rosian’ny hofan-trano naloa, ny faktioran’ny gazy na herinaratra na fanamarinam-pampiantranoana
    • kopia feno ny kopia nahaterahanao
    • ny fahazoan-dalanao hitondra fiara

    Raha toa ka tsy amin’ny teny frantsay ny antontan-taratasinao dia tsy maintsy adikan’ny mpandika teny an-tsoratra nahavita fianianana antsoina hoe “traducteur assermenté” izany:

    • Mitentina 30-80 euros isaky ny pejy eo ho eo amin‘ny ankapobeny ny fandikana izany.
    • Afaka mijery amin’ny aterineto ianao na manontany ny masoivohon’ny firenena niavianao any Frantsa mikasika ireo lisitry ny “traducteurs assermentés” amin’ny fiteninao. Raha mpitsoa-ponenana ara-politika any Frantsa ianao, dia tsy tokony hifandray mihitsy amin’ny manampahefana avy any amin’ny firenana niavianao. Fa azonao atao kosa ny mifandray amin‘ny fikambanana manome tolotra maimaimpoana antsoina hoe “association” mifototra manokana amin’ny zon’ny mpitsoa-ponenana .

    Mila sary mifanaraka amin'ny fenitra takiana ihany koa ianao. Tsara kokoa raha mpaka sary nahazo fankatovana izay hanome anao kaody e-sary no maka izany.

  • Ireo dingana arahina dia atao amin’ny aterineto amin’ ity tranonkala ity ka araho ireto dingana manaraka ireto:

    • Mamorona kaonty, midira ao amin'ny mombamomba anao ary fidio ny anton'ny fangatahanao.
    • Fenoy ny taratasy fangatahana ary ampidiro ny sary sy ny sonianao.
    • Alefaso ireo antontan-taratasy hafa nangatahana mialohan'ny hanamafisana ny fangatahanao.

Mahazo fahazoan-dàlana mitondra fiara any Frantsa

Amin'ny toe-javatra sasany dia mila manao na mamerina ny fitsapana mitondra fiara any Frantsa ianao.  

Ny fitsapam-pahaizana familiana frantsay dia ahitana:

  • Fitsapana teorika izay mitsapa ny fahalalanao ny kaody lalambe. Tsy maintsy mandalo amin‘izany aloha. Ny fisoratana anarana amin'ity fitsapana ity dia mitentina 30 euros.
  • Fitsapana azo ampiharina izay azo atao ao anatin'ny dimy taona aorian'ny fahavitan'ny fitsapana teorika. Maimaimpoana ny fisoratana anarana amin'ity fitsapana ity.

Raha tsy mahay miteny frantsay ianao dia afaka manampy anao ny mpandika teny am-bava mandritra ireofitsapana roa.

  • Mba hanombohana azy, mifandraisa amin’ny orinasa iray miasa manokana amin'ny fanomanana ny olona amin'ny fitsapam-pahaizana familiana fiara, fantatra amin'ny anarana hoe “auto-école”, na sekoly mitondra fiara, manakaiky anao. Afaka mikaroka amin’ny aterineto ianao; ohatra, amin’ny Google Maps, izay ahafahanao manamarina ny hevitrin’ny olona momba azy. 

    Ny sekoly mitondra fiara no hampandre anao mikasika ireo dingana arahina sy ny antontan-taratasy ilaina. 

    Hanome anao tolobidy izy ireo mikasika ny antsipiriany momba ny sarany: 

    • Fianarana fiomanana ho amin‘ny fitsapana teorika, raha te hanao izany ianao. Azonao atao ihany koa ny misafidy ny hanao ny fitsapana kanefa tsy manao fanomanana, saingy tsy amporisihina izany.
    • Ny fianarana mamily tokony ataonao dia miankina amin‘ny fahaizanao:
      • Raha efa manana fahazoan-dàlana avy any ivelany ianao, dia mety tsy mila mianatra mitondra fiara. Izany dia miankina, ankoatra ny zavatra hafa, amin'ny firenena izay namoaka izany taminao.
      • Raha mbola tsy nitondra fiara mihitsy ianao, dia matetika mila mianatra mitondra fiara mandritra ny 20-30 ora mialohan'ny hanaovana ny fitsapana.

    Raha tsy mahay teny frantsay ianao dia anontanio azy ny dingana tokony hataonao, raha misy mpandika teny am-bava hanampy anao mandritra ny fitsapana.

  • Misy ny fanampiana ara-bola mba hahazoana fahazoan-dàlana mamily, fa misy fepetra sasany. Azonao atao ny mijery amin’ ity tranonkala ity hijerena raha afaka mahazo izany ianao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny "PIMMS Médiation" dia fikambanana mampahafantatra, mitarika na manohana ny fikarakarana taratasy amin'ny sehatra maro: fidirana amin'ny tolotra ho an'ny daholobe, fidirana amin'ny fitsaboana, fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fanambarana hetra, fanambarana ho an'ny “France Travail”, etc.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: afaka mahita “PIMMS Médiation” eo akaikinao ianao ato amin'ity lahatahiry ity.
  • Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘nyfanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Azonao atao ny maka fotoana handraisana torohevitra manokana araka ny toe-javatra misy anao, ary hanampy anao amin'ny dingana manaraka, toy ny hoe: fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fangatahana trano fonenana, fisoratana anarana any amin'ny birao mikarakara ny olona tsy manana asa any Frantsa “France Travail”, sns.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mangataka fotoana hihaonana amin'ny “travailleur social” miaraka amin’ny 

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona manam-pahaizana manan-traikefa.

Mety hahaliana anao koa

Mitady asa sy manaraka fiofanana arak'asa any Frantsa

Mety ho sarotra tokoa ny mitady asa any amin'ny firenena tsy nahalehibe anao, indrindra raha tsy…

Mamorona orinasa an‘olon-tokana miaraka amin'ny sata tsotsotra ao Frantsa

Raha te hivarotra ny vokatrao na ny tolotrao any Frantsa ianao dia afaka manokatra ny ny orinasa…

Mangataka fanampiana ara-bola avy amin‘ny fanjakana

Betsaka ny karazana fanampiana ara-bola atolotry ny sampandraharaham-panjakana frantsay mba…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony