Mahafantatra ny firenena hangatahana ny fisaraham-panambadiana

Miankina amin'ny zom-pirenenao, ny zom-pirenen'ny vadinao, ny firenena nanaovanareo mariazy, ary ny firenena tena ipetrahanao matetika, dia mety hanana safidy ianao rehefa tonga any amin'ny firenena hangatahanao fisaraham-panambadiana.

Nohamarinin‘i Mpisolovava Hansu Yalaz tamin’ny 09/02/2024

Any Frantsa, ny fikarakarana ny fisaraham-panambadiana dia mety haharitra tokoa, ary mety ho taona maro izany, indrindra raha ohatra ny toe-javatra misy anaoka misy idiran’ny firenena iray hafa, izay fantatra amin’ny anarana hoe “élément d’extranéité” na singa ivelany.

Tsara tokoa ny hanamarinana aloha raha azo atao sy mahasoa kokoa ny fisaraham-panambadiana any an-tany hafa.

Mariho azafady fa: tsy maintsy mihetsika haingana ianao mba tsy hangataka fisaraham-panambadiana alohanao any amin'ny firenena tsy tianao hanaovana ny fisarahana ny vadinao. Amin'ny ankapobeny, ny firenena izay nanaovana ny fangatahana fisaraham-panambadiana voalohany, no hanana ny fahefana, izany hoe ny toerana hikarakarana ny fisaraham-panambadiana.

Fantaro ny zava-misy

Misy “élément d’extranéité” amin’ireto tranga manaraka ireto:

  • raha tsy frantsay ianao
  • raha tsy nanambady tany frantsa
  • raha tany ivelany no nipetrahanao voalohany
  • raha tsy mipetraka any Frantsa ianao izao.

Raha toa misy “élément d’extranéité” dia ny mpisolovavanao no tsy maintsy malina be, satria sarotra tokoa ny lalàna ary mety misy vokany ngezabe raha misy fahadisoana.

Aza manaiky raha toa ny mpisolovava iray any Frantsa na any ivelany mandresy lahatra anao hanao ny fisaraham-panambadiana any amin‘ny fireneny, na dia tsy dia misy tombony aza izany, fa hoe fotsiny hoe mba misy mampiasa azy mba hahazoany vola. Ohatra hoe azonao atao ny mangataka ny mpisolovava tsirairay mba hanazava izay heveriny fa mety, ny loza aterak'izany, ary ny fotoana mety ho laniny.

Rahoviana ianao no tokony hangataka fisaraham-panambadiana any Frantsa?

Betsaka ny fitsipika mamaritra raha afaka mangataka fisaraham-panambadiana any Frantsa ianao na tsia. Ireo fitsipika ireo dia miankina, ankoatra ny zavatra hafa, amin'ny toerana onenanao sy ny zom-pirenenao.

Ohatra hoe afaka mangataka fisaraham-panambadiana any Frantsa ianao raha toa ka ao anatin'ny iray amin'ireto toe-javatra ireto:

  • frantsay ianao, na frantsay ny vadinao
  • Ao Frantsa no toeram-ponenanareo mivady.

Raha efa misara-toerana ianareo, ary tsy mipetraka amin'ny firenena iray, dia azonao atao ny mangataka fisaraham-panambadiana any Frantsa raha toa ka ao anatin'ny iray amin'ireto toe-javatra ireto ianao:

  • raha manan-janaka latsaky ny 18 taona ianao dia tokony ao Frantsa ny firenena onenan'ny ray aman-dreny mitaiza ny zanany.
  • raha tsy manan-janaka latsaky ny 18 taona ianao, dia tsy maintsy ao Frantsa no fonenan'lay vady izay tsy nanomboka ny fikarakarana ny fisaraham-panambadiana.

Raha toa olom-pirenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ianao (ankoatra an'i Danemarka), dia azonao atao ihany koa ny misara-panambadiana any Frantsa raha ao anatin'ny iray amin'ireto toe-javatra ireto ianao:

  • Ao Frantsa no toeram-ponenana mahazatra ny mpivady farany ary mbola mipetraka any ny iray aminareo
  • Ao Frantsa no toeram-ponenana mahazatra ny olona izay nanomboka ny fikarakarana ny fisaraham-panambadiana, ary nipetraka tao nandritra ny herintaona farafahakeliny tamin'ny fotoana nanaovana ny fangatahana.

Afaka manampy anao hahatakatra ny fitsipika mihatra amin'ny toe-javatra misy anao ny mpisolovava iray.

Rahoviana ianao no tokony hangataka fisaraham-panambadiana any amin'ny firenena hafa?

Tsy mitovy ny fitsipika mifehy ny fisaraham-panambadiana iraisam-pirenena isaky ny firenena.

Ny firenena sasany nanao sonia fifanarahana roa tonta tamin'i Frantsa ary ny sasany nanao sonia ny Lalàna Brussels II ter na ny Fifanarahana tao La Haye. Azonao atao ny mijery ny lisitr’ireo firenena ireo eto.

Raha mieritreritra ny hangataka fisaraham-panambadiana any amin'ny firenena hafa ianao, toy ny firenena anananao ny zom-pirenena, ny firenena nanaovana ny mariazinareo na ny firenena nipetrahanao voalohany taorian'ny fanambadiana, dia anontanio ny mpisolovava avy any amin'io firenena io hoe inona no fitsipika mihatra any.

Inona no tokony hataoko raha misy fifanoherana eo amin'ny mpitsara na ny fahefana?

Mila manao zavatra haingana ianao, satria raha firenena mihoatra ny iray no mahefa dia matetika any amin'ny firenena nanaovana ny fangatahana fisaraham-panambadiana no hikarakarana izany.

Raha samy mandefa taratasy fisaraham-panambadiana any amin'ny fitsarana samihafa ianao sy ny vadinao, dia tsy maintsy manaraka ny dingana antsoina hoe “litispendance” mba hahitana hoe iza no manana fahefana, izany hoe aiza no hanaovana ny fikarakarana ny fisaraham-panambadiana.

Ny mpisolovavanao no afaka manoro hevitra anao ny amin’ny lalana tokony diavina raha hitatitra ny “litispendance” amin’ny mpitsara. Raha nangataka fisaraham-panambadiana tany amin‘ny firenen-kafa ny vadinao, dia tsara kokoa raha manakarama mpisolovava avy any amin’io firenena io ianao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hataonao izy ireo. Ireo ivon-toerana sasany dia afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiry ity.
  • Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mampivondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Manana anarana maro ireo ivon-toerana ireo: “Maison de Justice et du Droit (MJD)”, “Point d’accès au droit (PAD)”, "Relais d’accès au droit (RAD)”, “Antenne de justice (AJ)” na “France services (FS)”.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Afaka mahita “point-justice” akaiky anao ianao:
      • ao amin‘ity lahatahiry amin’ny aterineto ity.
      • amin‘ny alalan‘ny fiantsoana ny 3039 avy any Frantsa metropolitana ary ny +33 9 70 82 31 90 avy any ivelany. Hangatahany kaodim-paositra ianao ary hampifandraisiny amin‘ny “point-justice” Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
  • "Femmes Informations Juridiques Internationales Auvergne-Rhône-Alpes (FIJI)" dia fikambanana miompana manokana amin‘ny lalàna iraisam-pirenena momba ny ankohonana.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ny ekipana mpisolovavan‘izy ireo dia ho afaka hamaly ny fanontanianao ary hanome anao torohevitra momba ny fisitahana, fisaraham-panambadiana, ary/na fihazonana ny zanakao. Sampandraharaha fampahafantarana ihany izy io: tsy afaka misolo tena anao eny anivon'ny fitsarana izy ireo. Mila mifandray amina mpisolovava ianao amin'izany.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy.
    • Fifandraisana: amin'ny alàlan'ny mailaka amin'ny adiresy [email protected] na amin'ny telefaonina amin'ny laharana 04 78 03 33 63, ny alatsinainy ka hatramin'ny alarobia, manomboka amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 12 ora atoandro
  • Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.

    • Tandremo tsara mba ho mpisolovava mahay no fidìana.
    • Tsy maintsy aloanao ny karaman'ny mpisolovava.
    • Raha voafetra ny vola eo am-pelatananao, dia mety hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana ianao handoavana ireo sarany ireo. Izany no antsoina hoe "aide juridictionnelle".
    • Raha tsy mbola nisy matihanina na olona atokisanao nanolotra mpisolovava ho anao dia afaka mitady mpisolovava ao anatin'ity lahatahiry ity ianao. Mitanisa ireo mpisolovava rehetra ao Frantsa izy ity. Azonao atao ny mikaroka mpisolovava arakaraky ny tenim-pirenena teneniny na ny sokajin-dalàna manokana ifantohany.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Fisaraham-panambadiana any Frantsa

Raha te hisara-panambadiana ara-panjakana any Frantsa ianao, dia afaka misafidy karazana fomba…

Fanekena ny fisaraham-panambadiana frantsay any amin'ny firenena hafa

Miovaova arakaraka ny firenena resahina ny fahazoana fisaraham-panambadiana nomena tany Frantsa ka…

Raketina an-tsoratra eo amin’ny antontan-taratasy momba ny sata sivily frantsay-nao ny fisaraham-panambadianao natao tany ivelany

Raha nisara-panambadiana tany amin'ny firenena hafa ankoatra an'i Frantsa ianao, ary manana kopia…

Mampihatra didim-pitsarana vahiny any Frantsa

Raha nisara-panambadiana tany ivelany ianao ary mila mampihatra ny didim-pitsarana momba ny…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony