Raketina an-tsoratra eo amin’ny antontan-taratasy momba ny sata sivily frantsay-anao ny fisaraham-panambadianao natao tany ivelany

Raha nisara-panambadiana tany amin'ny firenena hafa ankoatra an'i Frantsa ianao ary manana kopia nahaterahana sy/na taratasy fanamarinana ny fanambadiana tany Frantsa, dia mila raketinao any Frantsa ny fisaraham-panambadianao.

Nohamarinin‘i Mpisolovava Hansu Yalaz tamin’ny 09/02/2024

Raha teratany frantsay ianao ary/na efa nanambady tany Frantsa dia ilaina ny mametraka ny fisaraham-panambadiana ao amin'ny antontan-taratasinao sivily, izany hoe:

  • ny kopia nahaterahanao, raha teraka na nizaka ny zom-pirenena frantsay ianao
  • ny taratasy fanamarinana ny fanambadianao raha nanambady tany Frantsa ianao.

Ahafahanao manavao ny sata ara-panambadianao eny anivon‘ny manampahefana frantsay izany.

Fanomanana tsara ny fangatahanao

Mety ilaina ny mangataka fanampiana amin’ny mpisolovava frantsay raha hanao ireo dingana ireo.

  • Raha toa mpitsoa-ponenana politika ianao dia tsy mahazo mifandray amin’ny manampahefana avy any amin’ny tany niavianao.

    Azonao atao kosa ny mifandray amin’ny fikambanana mpanao asa soa, antsoina hoe “association” izay mifototra manokana amin’ ny zon’ny mpitsoa-ponenana.

  • Ny fanapahan-kevitry ny mpitsara vahiny, sy izay antontan-taratasy ofisialy hafa amin'ny fiteny vahiny, dia tsy maintsy adikan'ny mpandika teny nahavita fianianana “traducteur assermenté”.

    Afaka mahita iray ianao:

    • raha mitady amin‘ny aterineto
    • raha mangataka ny lisitry ny “traducteurs assermentés” avy amin'ny masoivohon'ny firenena niaviany any Frantsa
    • raha mangataka ny lisitry ny “traducteurs assermentés” avy amin'ny fitsarana ambony na “cour d’appel” eo amin'ny toeram-ponenanao.

    Mitentina eo anelanelan'ny €30 sy €80 isaky ny pejy, amin'ny ankapobeny izany karazana fandikan-teny izany.

  • Mihatra aminao ity dingana ity raha manana kopia nahaterahana frantsay ianao, satria teraka na mizaka ny zom-pirenena frantsay.

    Raha izany no izy dia jereo aloha raha voarakitrin‘ny manampahefana frantsay ny fanambadinao natao tany ivelany, mialohan‘ny hangatahanao azy ireo hanaiky ny fisaraham-panambadianao. Mba hanaovana izany:

    • Mifandraisa amin’ny manampahefana izay mpitana ny kopia nahaterahana mba hahazoanao ny kopia nahaterahanao feno, na “copie intégrale de l’acte de naissance” ary jereo raha voarakitra ao ny fanambadianareo. Iza no hifandraisana:
      • Raha teraka tany Frantsa ianao, dia ny lapan'ny tanàna na tanàna nahaterahanao.
      • Raha toa tsy teraka tany Frantsa ianao fa mizaka ny zom-pirenena frantsay, dia ny sampandraharaha manokana ao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny frantsay antsoina hoe “Service Central d’Etat Civil” any Nantes no antonina. Azonao atao ny mangataka izany amin'ny Internet amin' ity tranokala ity.

    Raha tsy noraketina ao amin‘ny kopia nahaterahanao ny fanambadianao, dia mila manome dika mitovy amin'ny taratasy fanamarinana ny fanambadianao miaraka amin'ny fandikan-teny ao amin'ny rakitrao koa ianao.

  • Misy fitsipika momba ny fivezivezena malalaka eo amin'ny didim-pitsarana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, izay midika fa ny fanapahan-kevitra momba ny fisaraham-panambadiana omena ao amin'ny firenena mpikambana iray dia eken'ny firenena mpikambana hafa.

    Ny mpisolovavanao dia tsy maintsy mangataka amin'ny fitsarana namoaka ny fisaraham-panambadianao, ny taratasy izay fantatra amin'ny anarana hoe sertifikà Eoropeana na “certificat européen”.

  • Ny fomba fiasa dia miankina amin'ny firenena nanaovanao ny fisaraham-panambadianao. Misy firenena sasany nanao sonia fifanarahana teo amin‘ny roa tonta, na iraisam-pirenena.

    Mila manamarina zavatra sasany aloha ny mpisolovavanao , ao anatin'izany ny hoe:

    • tena mahavita azy ilay mpitsara vahiny
    • raha manaraka ny lalàna frantsay ilay lalàna vahiny
    • sao hoe tamin‘ny alalan‘ny hosoka no nahazoana ny didim-pitsarana.

    Rehefa voamarina ireto lafiny ireto:

    • Raha toa ny firenena nanaovanao ny fisaraham-panambadiana nanao sonia ny Fivoriamben'i La Haye dia tsy maintsy mangataka hajia ofisialy antsoina hoe “apostille” ianao hanamarinana ny taratasy fisaraham-panambadianao. Tsara ny mitady fanampiana avy amina mpisolovava any amin’ilay firenena voakasika.
    • Raha tsy nanao sonia fifanarahana tamin'i Frantsa ny firenena nanaovanao ilay fisara-panambadiana, dia tsy maintsy hamarininao ny antontan-taratasinao, ka ampian‘ny mpisolovava iray avy ao amin'ny firenena voakasika ianao.

Ahoana ny hanaovana azy

Ny dingana arahina raha handrakitra any Frantsa ny fisaraham-panambadiana navoakan‘ny mpitsara vahiny, dia miankina amin‘ilay firenena nanaovanao ny fisaraham-panambadianao.

Amin'ny toe-javatra sasany dia tsy maintsy manomboka dingana fanamarinana antsoina hoe “vérification d’opposabilité” miaraka amin'ny mpampanoa lalàna antsoina hoe “procureur de la République” ianao. Ity dingana ity dia ahafahan'izy ireo manamarina fa ny fisaraham-panambadianao, dia manaraka ny fitsipiky ny lalàna iraisam-pirenena tsy miankina frantsay ary azo ekena any Frantsa izany.

  • Tokony hangataka “vérification d’opposabilité” ianao raha:

    • nisara-panambadiana tany amin'ny firenena ivelan'ny Vondrona Eoropeana.
    • nisara-panambadiana tany Danemark.
    • ny fikarakarana ny fisaraham-panambadianao dia natao talohan'ny 1 martsa 2001, ary nisara- panambadiana tany amin'ny iray amin'ireto firenena ireto: Aotrisy, Belzika, Failandy, Alemaina, Gresy, Irlandy, Italia, Luxembourg, Holandy, Portugal, Soeda, na Royaume-Uni
    • ny fikarakarana ny fisaraham-panambadianao dia natao talohan'ny 1 mey 2004, ary nisara- panambadiana tany amin'ny iray amin'ireto firenena ireto: Sipra, Tseky, Estonia, Hongria, Letonia, Litoania, Malta, Polonina, Slovakia, na Slovenia
    • ny fikarakarana ny fisaraham-panambadianao dia natao talohan'ny 1 Janoary 2007 ary nisara- panambadiana tany Romania na Bolgaria.
  • Amin'ity tranga ity, dia mila mangataka fankatoavana ny fisaraham-panambadiana, natao tany ivelany any amin'ny mpampanoa lalàna antsoina hoe “procureur de la République” ny mpisolovava iray any Frantsa.

    Ny “procureur de la République” no hanamarina raha manaraka ny lalàna frantsay ny fisaraham-panambadianao, izany hoe manaraka ny filaminam-bahoaka antsoina hoe “conforme à l’ordre public”.

  • Amin'ity tranga ity dia mila mandefa ny fangatahanao “vérification d’opposabilité” any amin'ny mpampanoa lalàna izay fantatra amin'ny anarana hoe “procureur de la République”, izay miankina amin’ny rafi-panjakana nankalaza sy nandrakitra ny fanambadianao tany Frantsa ianao. Mba hahitana ny antsipiriany ifandraisana amin‘izy ireo dia tadiavo amin‘ity lahatahiry ity, amin’ny alalan’ny fampidirana ny kaodim-paositrao sy fisafidianana ny “tribunal judiciaire” izany. Raha natao tany ivelany ny lanonam- panambadianao dia mifandraisa amin’ny “tribunal judiciaire” any Nantes.

    Tsy maintsy ahitana ireto antontan-taratasy manaraka ireto ilay fangatahana: 

    • dika mitovy feno amin'ny fanapahan-kevitra momba ny fisaraham-panambadiana (dika tany am-boalohany na voamarina)
    • porofo ofisialy ny fanapahan-kevitra farany, toy ny taratasy fanamarinana ny tsy ampiakatra ny raharaha, ny taratasy fanamarinana nataon'ny mpisolovavanao na ny fahefana hafa, ny famotsoran-keloka, na ny taratasy hafa avy any ivelany milaza ny fanapahan-kevitra.
    • porofon'ny zom-pirenen'ny olona voakasik'izany
    • antontan-taratasy misy daty amin'ny fotoana hanaovanao ny fangatahana manaporofo ny toerana onenanao, fantatra amin'ny anarana hoe “justificatif de domicile”, ho anao sy ny vadinao taloha
    • kopia nahaterahana feno, sy ny taratasy fanamarinana ny fanambadiana
    • fandikana ny antontan-taratasy ofisialy rehetra amin'ny teny vahiny nataon'ny mpandika teny nahavita fianianana iray antsoina hoe “traducteur assermenté” (jereo eny ambony)
  • Raha heverin'ny mpampanoa lalàna izay antsoina hoe “procureur de la République” fa manaja ny fitsipiky ny lalàna iraisam-pirenena tsy miankina frantsay ny fanapahan-kevitra vahiny, dia handefa taratasy mivantana any amin'ireo manampahefana izay mitana ny soram-piankohonanao sy/na taratasy fanamarinana ny fanambadiana izy mba ahafahan‘izy ireo mirakitra ny taratasy fisaraham-panambadiana, izany hoe:

    • ny lapan'ny tanànan'ny tanan-dehibe na tanàna nahaterahanao raha teraka tany Frantsa ianao
    • ny lapan'ny tanàna ny tanan-dehibe na tanàna nanaovanao mariazy raha natao tany Frantsa ny lanonana fampakaram-bady
    • sampandraharaha manokana ao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny frantsay antsoina hoe “Service Central d’Etat Civil”, any Nantes raha toa ka mizaka ny zom-pirenena Frantsay ianao.

    Mety haharitra herinandro maromaro izany. Hampandre anao ny manampahefana mahefa rehefa voarakitra an-tsoratra ny fisaraham-panambadiana.

    Raha tsy nahazo fampandrenesana ianao ao anatin‘ny roa volana, dia afaka mifandray amin'izy ireo mba hahitana ny fivoaran'ilay raharahanao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hataonao izy ireo. Ireo ivon-toerana sasany dia afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiry ity.
  • Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mamondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Manana anarana maro ireo ivon-toerana ireo: “Maison de Justice et du Droit (MJD)”, “Point d’accès au droit (PAD)”, "Relais d’accès au droit (RAD)”, “Antenne de justice (AJ)” na “France services (FS)”.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Afaka mahita “point-justice” akaiky anao ianao:
      • ao amin‘ity lahatahiry amin’ny aterineto ity.
      • amin‘ny alalan‘ny fiantsoana ny 3039 avy any Frantsa metropolitana ary ny +33 9 70 82 31 90 avy any ivelany. Hangatahany kaodim-paositra ianao ary hampifandraisiny amin‘ny “point-justice” Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
  • "Femmes Informations Juridiques Internationales Auvergne-Rhône-Alpes (FIJI)" dia fikambanana miompana manokana amin‘ny lalàna iraisam-pirenena momba ny ankohonana.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ny ekipana mpisolovavan‘izy ireo dia ho afaka hamaly ny fanontanianao, ary hanome anao torohevitra momba ny fisitahana, fisaraham-panambadiana, ary/na fihazonana ny zanakao. Sampandraharaha fampahafantarana ihany izy io: tsy afaka misolo tena anao eny anivon'ny fitsarana izy ireo. Mila mifandray amina mpisolovava ianao amin'izany.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy.
    • Fifandraisana: amin'ny alàlan'ny mailaka amin'ny adiresy [email protected] na amin'ny telefaonina amin'ny laharana 04 78 03 33 63, ny alatsinainy ka hatramin'ny alarobia, manomboka amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 12 ora atoandro
  • Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.

    • Tandremo tsara mba ho mpisolovava mahay no fidìana.
    • Tsy maintsy aloanao ny karaman'ny mpisolovava.
    • Raha voafetra ny vola eo am-pelatananao, dia mety hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana ianao handoavana ireo sarany ireo. Izany no antsoina hoe "aide juridictionnelle".
    • Raha tsy mbola nisy matihanina na olona atokisanao nanolotra mpisolovava ho anao dia afaka mitady mpisolovava ao anatin'ity lahatahiry ity ianao. Mitanisa ireo mpisolovava rehetra ao Frantsa izy ity. Azonao atao ny mikaroka mpisolovava arakaraky ny tenim-pirenena teneniny na ny sokajin-dalàna manokana ifantohany.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Fanekena ny fisaraham-panambadiana frantsay any amin'ny firenena hafa

Miovaova arakaraka ny firenena resahina ny fahazoana fisaraham-panambadiana nomena tany Frantsa ka…

Mamantatra ny firenena hanaovana fangatahana ho amin‘ny fisaraham-panambadiana.

Miankina amin'ny zom-pirenenao, ny zom-pirenen'ny vadinao, ny firenena nanaovanareo mariazy, ary ny…

Fisaraham-panambadiana any Frantsa

Raha te hisara-panambadiana ara-panjakana any Frantsa ianao, dia afaka misafidy karazana fomba…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony