Fanekena ny fisaraham-panambadiana frantsay any amin'ny firenena hafa

Miovaova arakaraka ny firenena resahina ny fahazoana fisaraham-panambadiana nomena tany Frantsa ka ankatoavina any amin‘ny firenena any ivelany. Samy manana ny fombany manokana hankatoavana didim-pitsarana mikasika ny fisaraham-panambadiana avy any ivelany ny firenena tsirairay.

Raha nisara-panambadiana tany Frantsa ianao dia mety mila mangataka firenena hafa hanaiky ny didim-pitsarana mikasika ny fanambadiana mba hampiharina izany any.

Nohamarinin‘i Mpisolovava Hansu Yalaz tamin’ny 30/04/2022

Inona no tafiditra amin'izany?

Raha mila mangataka amin'ny manampahefana any amin'ny firenena hafa ianao mba hampihatra ny fepetra noraisin‘ny mpitsara frantsay mandritra ny fisaraham-panambadianao, dia mila mampanaiky ny fisaraham-panambadianao ao amin'io firenena io ianao. Izany no antsoina hoe “exequatur” ny fisaraham-panambadiana.

Ny dingana arahina

  • Misy fitsipika momba ny fampiharana malalaka amin'ny fitsarana ao amin'ny Vondrona Eoropeana.

    Midika izany fa mihatra any amin'ireo firenena hafa ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny didim-pitsarana frantsay, ary ny mifamadika amin'izany.

    Ny mpisolovavanao dia tsy maintsy mangataka amin'ny fitsarana namoaka ny fisaraham-panambadianao ny taratasy izay fantatra amin'ny anarana hoe sertifikà Eoropeana na “certificat européen”.

    Hanaporofo ity antontan-taratasy ity fa ekena ao anatin'ny faritry ny Vondrona Eoropeana ny fisaraham-panambadianao. Mety hangatahana izany ianao mandritra ny fanaovan-taratasy sasany any amin'ny firenena hafa.

  • Mifandraisa amin'ny manampahefana ao amin'ny firenena misy anao mba hahitana ny fomba fankatoavana ny fisaraham-panambadiana vahiny.

    Ohatra, afaka mifandray amin'ny masoivoho na kaonsiolà any Frantsa ianao raha mila fanazavana.

  • Raha mpitsoa-ponenana ara-politika any Frantsa ianao, tsy tokony hifandray amin'ny manampahefana ao amin'ny firenena niavianao.

    Fa mifandraisa kosa amin‘ny fikambanana mpanao asa soa, antsoina hoe “association” izay mifototra manokana amin’ny zon’ny mpitsoam-ponenana.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mamondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Manana anarana maro ireo ivon-toerana ireo: “Maison de Justice et du Droit (MJD)”, “Point d’accès au droit (PAD)”, "Relais d’accès au droit (RAD)”, “Antenne de justice (AJ)” na “France services (FS)”.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Afaka mahita “point-justice” akaiky anao ianao:
      • ao amin‘ity lahatahiry amin’ny aterineto ity.
      • amin‘ny alalan‘ny fiantsoana ny 3039 avy any Frantsa metropolitana ary ny +33 9 70 82 31 90 avy any ivelany. Hangatahany kaodim-paositra ianao ary hampifandraisiny amin‘ny “point-justice” Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
  • "Femmes Informations Juridiques Internationales Auvergne-Rhône-Alpes (FIJI)" dia fikambanana miompana manokana amin‘ny lalàna iraisam-pirenena momba ny ankohonana.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ny ekipana mpisolovavan‘izy ireo dia ho afaka hamaly ny fanontanianao ary hanome anao torohevitra momba ny fisitahana, fisaraham-panambadiana, ary/na fihazonana ny zanakao. Sampan-draharaha fampahafantarana ihany izy io: tsy afaka misolo tena anao eny anivon'ny fitsarana izy ireo. Mila mifandray amina mpisolovava ianao amin'izany.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy.
    • Fifandraisana: amin'ny alàlan'ny mailaka amin'ny adiresy [email protected] na amin'ny telefaonina amin'ny laharana 04 78 03 33 63, ny alatsinainy ka hatramin'ny alarobia, manomboka amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 12 ora atoandro
  • Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.

    • Tandremo tsara mba ho mpisolovava mahay no fidìana.
    • Tsy maintsy aloanao ny karaman'ny mpisolovava.
    • Raha voafetra ny vola eo am-pelatananao, dia mety hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana ianao handoavana ireo sarany ireo. Izany no antsoina hoe "aide juridictionnelle".
    • Raha tsy mbola nisy olona matihanina na olona atokisanao nanolotra mpisolovava ho anao, dia afaka mitady mpisolovava ao anatin'ity lahatahiry ity ianao. Mitanisa ireo mpisolovava rehetra ao Frantsa izy ity. Azonao atao ny mikaroka mpisolovava arakaraky ny tenim-pirenena teneniny na ny sokajin-dalàna manokana ifantohany.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Raketina an-tsoratra eo amin’ny antontan-taratasy momba ny sata sivily frantsay-nao ny fisaraham-panambadianao natao tany ivelany

Raha nisara-panambadiana tany amin'ny firenena hafa ankoatra an'i Frantsa ianao, ary manana kopia…

Mampihatra didim-pitsarana vahiny any Frantsa

Raha nisara-panambadiana tany ivelany ianao ary mila mampihatra ny didim-pitsarana momba ny…

Mamantatra ny firenena hanaovana fangatahana ho amin‘ny fisaraham-panambadiana.

Miankina amin'ny zom-pirenenao, ny zom-pirenen'ny vadinao, ny firenena nanaovanareo mariazy, ary ny…

Fisaraham-panambadiana any Frantsa

Raha te hisara-panambadiana ara-panjakana any Frantsa ianao, dia afaka misafidy karazana fomba…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony